Hazakazaka rodobe

Fanatanjahan-Tena sy Fampaherezam-Panahy

Tena hihazakazaka isika !

Tena hihazakazaka isika fa tsy hitsangatsangana na hitazatazana fotsiny! Havitrika tsara isika amin’ny fitaizam-batana, hazoto tsara isika amin’ny fiombonana, esorina aloha ny falaindainana vokatry ny havizanana amin’ny asa andavanandro, avela aloha ny hakamoana vokatry ny hatsiaka vao maraina efa mitady hanomboka. Fa hirodorodo isika Fiangonana rehetra hiara-hihazakazaka.

  1. HAZAKAZAKA MASINA RODOBE:

Hotanterahina ny Sabotsy 15 Aprily 2023 tontolo andro eny amin’ny kianja TPM Ivato. Toy izao ny fandaharam-potoana:

  • Hazakazaka Masina Rodobe: amin’ny 7 ora maraina ny fiaingana ao amin’ny FJKM Antanetibe Fitiavana, mihazakazaka mihazo ny kianja TPM Ivato.
  • Fanompoam-pivavahana: manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina eo amin’ny kianja TPM Ivato.
  • Lalao ara-pirahalahiana fanokafana: amin’ny 11 ora sy sasany hihaonan’ny FITATOS sy ny ONIFRA,
  • Fisoratana anarana: sady fandraisana anjara amin’ny Casquette Hazakazaka Masina (7000 Ariary), manomboka ny 17 Martsa 2023 ao amin’ny Foibe FJKM trano Ifanomezantsoa Analakely, varavarana 201.

Samia misalotra fanamiana fitondra amin’ny fanatanjahantena. Tsara raha ilay t-shirt na polo Hazakazaka Masina no ampiarahana amin’ilay Casquette. Tsy hadinoina ny rano fisotro hanonerana ny rano very amin’ny hatsembohana. Entina ihany koa ny Baiboly sy Fihirana hiatrehana fanompoam-pivavahana.

  • LALAO HAZAKAZAKA MASINA 2023:

Aorian’io tontolo andro fanombohana io dia mitohy ny hazakazaka amin’ny alalan’ny lalao. Toy izao ny andinindininy:

  •  Daty: 15 Aprily ka hatramin’ny 24 Jona 2023, isaky ny Sabotsy tontolo andro sy ny Alatsinainy 01 Mey 2023 tontolo andro, samy manomboka amin’ny 8 ora maraina avokoa.
  • Toerana: kianja TPM Ivato sy kianja Lycée Paul Minault Androhibe.
  • Taranja hilalaovana: Football à 11 Homme, Basket-ball Homme, Volley-ball Mixte, ary Pétanque Triplette Mixte,
  • Fandraisana anjara: 200.000 Ariary ho an’ny Football à 11 Homme sy Basket-ball Homme ary Volley-ball Mixte, fa 60.000 Ariary kosa ho an’ny Pétanque Triplette Mixte. Sarany tokana io fa tsy misy fandaniana hafa intsony mandrampaha-tapitry ny lalao.
  • Fisoratana anarana: manomboka ny 17 Martsa 2023 no azo raisina ny taratasy fisoratana anarana ary averina hatramin’ny 31 Martsa 2023 ao amin’ny Foibe FJKM trano Ifanomezantsoa Analakely, varavarana 212.
  • Fiofanana tsy maintsy atrehana: Sabotsy 01 Aprily 2023 manomboka amin’ny 9 ora maraina ao amin’ny FJKM Atsimon’Imahamasina. Fepetra tsy maintsy hajain’ny mpitantana ny ekipa, ny teknisiana, ary ny mpilalao, ny fanatrehana io fiofanana io.

Azo atao ny fisoratana anarana iombonana ho amin’ny Hazakazaka Masina Rodobe, mety ho isan-tokantrano, mety ho isam-piangonana, na isan-tsampana na hafa.

Ho an’ny Lalao Hazakazaka Masina 2023 kosa dia voafetra ho ekipa iray isaky ny taranja no atolotry ny Fiangonana, ny taranja Pétanque no azo anolorana mihoatra an’izay.

FIFANDRAISANA: 034 02 736 53 / 034 05 036 44

Niry Rakoto

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV