SP 37/Fitsidihamparitany

FITSIDIHANA NY SYNODAMPARITANY VATO
FEHIZORO AMPITANDRANOMASINA SP 37

( 21 MEY – 17 JONA 2023)


Isaorana an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina, ny fotoana nahafahana namangy ny Synodamparitany Vato Fehizoro Ampitandranomasina. Toy izao ireo vontoatin’ny asa natao :

Alatsinainy 22 Mey 2023 : Fahatongavana tany Paris Charles De Gaulle, niaraka tamin’ny Mpitandrina RASENDRAHASINA Lala Haja. Ireo Biraon’ny Synodamparitany SP 37 sy ny Biraon’ny FJKM Wagner no nitsena sy nandray ny fikarakarana rehetra tany an-toerana


Alakamisy 25 Mey 2023 : Nitsidika ny Vice Président Eglise Protestante Unie de France sady Inspecteur Ecclésiastique de l’Eglise Luthérienne France, Pasteur LAZA NOMENJANAHARY, nanomana sy nangataka ny fihaonana tamin’ireo tomponandraikitra
ny EPUDF(Eglise Protestante Unie de France) sy FPF ( Fédération Protestante de France)
izahay


Sabotsy 27 sy ny Alahady 28 Pentekosta 2023 : Fankalazana an’Andriamanitra noho ny
faha-45 taona ny Fiangonana WAGNER sy ny faha-20 taona naha FJKM ny Fiangonana
FJKM WAGNER. Nitoriteny sy nitarika ny fankalazana ny Sekretera Jeneraly FOIBE .

Alahady 28 Mey 2023: Pentekosta : nitoriteny izay narahina fampianarana tao
amin’ny FJKM NEUVILLE ILE DE France, niditra tamin’ny 10 ora maraina,

Talata 30 Mey 2023 : Fampianaram-pinoana ny Sampana Fifohazana tao
amin’ny FJKM WAGNER.

Dr RAKOTONINDRAINY Jaona ,Mpitandrina ,

Sekretera Jeneraly FOIBE FJKM

Perikopa 2023

Oktobra: AORENO AO AMIN'NY TOMPO NY FIANAKAVIANA

| | 01. Ala XVII man.Trinite
Gen 2.18-25/ Matio 5.31-32/ Efesiana 5.22-23

| | 08. Ala XVIII man.Trinite-Radio protestanta
Deoteronomia 24.1-4/ Marka 10.2-12/ Romana 15.14-21

| | 15. Ala XIX man Trinite-Masera MAMRE
Ohabolana 3.1-12/ Lioka 2.39-52/ Efesiana 6.1-4

| | 22. Ala XX man Trinite Sampana Fifohazana FJKM
Salamo 127.1-5/ Marka 10.13-16/ Kolosiana 3.18-25

FJKM Fahazavana

FJKM ISOTRY FITIAVANA

$('p:has("+ .verset")').css( {color: "red" } );