Sampati / Fihaonambe sy 30 T

Miorena tsara aza miova » Ikor.15, 58
« Aoka hirehitra ny jironareo » Lio.12, 35

« Mitsangàna mihazavà fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava » Isa.60, 1 ; ITes.5, 5

FIHAONAMBE SY FAHA-30 TAONA SAMPATI FJKM


Misaotra an’Andriamanitra isika SAMPATI FJKM fa nahatanteraka ireo asa rehetra sy ny
hazakazaka masina rehetra nataontsika. Teo tokoa Andriamanitra nanampy antsika nentina
nahatanteraka izany.
Sitraka indrindra ho antsika tompon’andraikitra rehetra nahavita ny adidy sy nahatanteraka ny
andraikitra rehetra, ny Tompon’ny Fiadanana anie hamaly fitia antsika rehetra.
Hiatrika sy hamonjy ny FIHAONAM-BE NASIONALY ary FAHA-30 TAONA SAMPATI FJKM isika.

  • Daty : 10-13 Aogositra 2023.
  • Toerana : Antananarivo ANDREFANA SPAA.10 (FJKM Ialanana)
    Toy izao ireo fifaninanana :
  • SORATRA MASINA : Ny Bokin’i Isa.60 sy ITes 5 ; no hanaovana fifaninana
  • KOLO TALENTA : vako-drazana ka hira noforonina fa tsy nadika na novàna ny tonony, tsy ho
    feon-kira lafika no atao fa tendrena na atao tanana eny an-toerana mba hisian’ny fitoviana sy ahitana ny
    fanehoana ny talenta, Fitafy Malagasy no hanaovana ary izay rehetra atao dia mampiseho hatrany ny
    voninahitr’Andriamanitra
  • FANATANJAHAN- TENA :
    ☞ Sampana mavo: scouting- ball,
    ☞ Sampana maitso : foot à 7,
    ☞ Sampana mena sy menafify: basket- ball ka “mixte”,

☞ Olon-dehibe (ireo mpitantana sy mpanohana) : “pétanque”.
☞ Carnaval (ho an’ny rehetra): aseho ny fitafy sy izay mampiavaka ny isam-paritany na
faritra nihaviana ; Synodamparitany.
Amin’ny zavatra rehetra izay hatao dia tsara raha mifantoka hatrany isika ny teny faneva ny
faha-30 taona hoe : « Mitsangàna mihazavà fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava » Isa.60, 1 ;
ITes.5, 5.
Fitaovana hiomanana : Baiboly sy fihirana, kahie sy stylos, fitaovam-pihinanana, fandrahoana,
fanafody, tanty sy izay mety ho fitaovam-pilasiana sns….. Sara-pisoratana anarana 2000 Ar (ahazoana
Badge, toerana fonenana na hamelarana tanty. Marihina manokana ho an’ireo solotena avy amin’ny
Synodam-paritany hiatrika ny fifaninana dia tsy maintsy manana ny KARATRA maha Mpikambana ao
amin’ny SAMPATI FJKM.
Hisy ihany koa ny vokatra na foaram-bokatra : koa aoka samy hitondra ny vokatra
mampiavaka ny faritra ny niaviana, na mety ho vokatry ny tany, asa-tanana, fitaovana samihafa…
Miomana hatrany fa misy ny Tee-shirt, Polo, folara faha-30 taona ary ireo articles sy Boky
samihafa amidy any an-toerana.
Tsara indrindra raha tonga aty amin’ny foibe SAMPATI mialohan’ny faran’ny volana Jolay 2023
(31/07/23) ny fisoratana anarana (ahafafantarana ny isantsika ao anaty listra isaky ny Synodamparitany,
ho fanomanana ny fandraisana)

Dia manao veloma finaritra amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa


Ny Filoha

RABEMANANDRATRARIVO Lanto Johnson, Mpitandrina FJKM
(JABADY Miremby)

Ny Tonia

RANDRIAMANANTENA Solo Jean Jacques Seraphin ,Mpitandrina FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV