Fiangonana prsebyteriana USA

Taratasy misokatra ho an’ Andriamatoa Filoha

(Dikateny malalaka)

Misiona presbyteriana.

Ny Fiangonana Prsebyteriana avy aty USA dia mandefa fiarahabana ho anao sy ny mpiara-miasa aminao amin’ ny anarana tsy manan-tsahalan’ Ilay Tompo sy Mpamonjy antsika, dia Jesoa Kristy. Andriamanitra anie hanohy hitahy ny asa lehibe sy holistika ataon ‘ny FJKM, hitarika anareo amin’ ny Hazakazaka Masina hizarana ny Filazantsara. Mampahery anao amin’ny asa fampandrosona ny firenena himasoanareo, ary amin’ny fiarovana ny zava-boaharin’ Andriamanitra. Mampahery anareo koa ho fanasina sy fahazavana eo anivon’ny fiaraha-monina. Ity taona vaovao ity anie hiavaka amin’ ny fahamarinana, fandriampahalemana ary fihavaozana ara-panahy ho an’ny olona rehetra ao Madagasikara.
Azonay tsara fa taona manan-tantara ho an’i Madagasikara ity taona ity. Fotoana izay hitodihan’ny olona maro any amin’ny ny fiangonana hanome Fiombonam-pinoana, fahaiza-mitarika ara-moraly sy ara pinoana. Tsarovy fa mahatsiaro anareo amim-bavaka hatrany izahay, indrindra amin’ny fanatanterahanao ireo andraikitra roa sosona dia ny maha- Filohan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara FFKM sy ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy FFPM, ny fianakavianareo, Ny fiangonana Presbyteriana avy aty USA dia misaotra an’ Andriamanitra amin’ny fijoroan’ny FJKM Vavolombelon’ ny Filazantsaran’ i Jesoa Kristy « Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika izany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra »
2Tesaloniana 1.3. Izahay dia mankasitraka indrindra ny ezaka mankadiry ataon’ny FJKM sy ny FFKM izay mikatsaka fatratra ny fampihavanana sy fifidianana ara-drariny hahatonga ny vahoaka Malagasy handray anjara sy hanapakevitra amin’ny ho avin’ny fireneny.
Ny » Presbyterian world mission » dia mijoro miombom-bavaka aminao sy izay rehetra mikatsaka hampanjaka ny fahamarinana, ny fitoviana ary hanome lanja ny maha- olona. Mino izahay fa ny fiangonana dia nantsoina  « fa raha hangina mihitsy ianao amin’izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin’ny fitoerana hafa ho an’ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin’ny fanjakana? » Estera 4.14.
Matokia amin’ny Fitiavana sy ny vavaka ataonay ho an’ny FJKM sy ny vahoaka Malagasy.
Andriamanitra anie hiaro anao, sy hanome anao vina mazava, faherezana, ary finoana an’i Kristy amin’ny fampanantenany fiainana sy fahafenoana ho an’ny vahoakan’ Andriamanitra rehetra.
Ampahafantaro mandrakariva izahay ny amin’izay hafahanay manandratra vavaka ho anao.

Ao amin’i Kristy,
Rev. Mienda Uriarte
Talen’ny World Mission

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM