Hafatry ny Filoha /Martsa 2023

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Ka mivavaha ianao anio

Mba tsy ho isan’ny adala

Hanamaizina ny tany

Noho ny hamafisam-po

Te hifikitra amin’ny ratsy

Efa hita izao fa loza

Ho an’ny tanindrazantsika!

Mivavaha mba hahajoro

Ka na hoe halaim-panahy,

Tsy ho resy hivarilavo

Fa hitsangana ho mpandresy.

Fa mila olona toy izany

Ity tanindrazantsika ity,

Dia lehilahy sy vehivavy,

Tena manana ny Tompo,

Rahalahin’i Jesoa

Sy anabavin’i Jesoa,

Tena jiro, fahazavana

Tsy any ambany farafara

Na miafina any am-bata,

Fa tena hita fa mazava

Toa tanàna an-tendro avo

Hita ho azy fa tsy atoro !

Fa na ianao irery aza

No mivavaka sy miasa

Ho fahazavana tahaka izany

Manomboka amin’ny andro anio,

Dia tsy teny foana intsony

Ny vinantsika manao hoe:

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM