Alarobia 01 Febroary 2023

SALAMO 119.105-112

Ny Tenin’Andriamanitra

1-Fanazavana ny làlan’ny olony (and105)

Ny fanilo dia karazana fanazavana ary azo ampiasaina hitsilovana ny làlana .Afaka mizotra sy manaraka ny làlana tokony hizorany ny olona iray rehefa mazava ny làlany. Ny fanazavana eto dia entina ilazana ny fiainana. Anisan’izany fanazavana ny làlan’ny olon’Andriamanitra mankany amin’ny fiainana izany ny Tenin’Andriamanitra . Ao anatin’ny Tenin’Andriamanitra tokoa no misy ny fiainana. Mazava ny làlana izorana satria ny Tenin’Andriamanitra no mitsilo azy .

2-Fiainan’ny olon’Andriamanitra (and109-112)

Ambaran’ny mpanao salamo eto fa mandrakariva dia saiky misy loza mila hahavoa azy ,saingy tsy manadino ny Tenin’Andriamanitra izy ary mitandrina ny didiny . Ny Tenin’Andriamanitra sy ny didiny no mby ao an-tsain’ny mpanao salamo ka mameno ny vavany , tsy manao zavatra ratsy amin’ny vavany na amin’ny fihetsiny . Rehefa lasa fiainan’ny olon’Andriamanitra ny Teniny dia iainany ka na endrika miiba aza ny endri-piainany dia misy Tenin’Andriamanitra tonga ao an-tsainy hatrany amin’ireny fotoan-tsarotra ireny ka tsy mahavita manao ratsy mihitsy izy. Hoy ny Soratra Masina hoe : « Fa aina ho an’izay mahazo azy izy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra » (Ohab 4.22) .Koa iaino àry ny Tenin’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Raha misy toe-javatra tsara na ratsy miseho eo amin’ny fiainanao , moa ve misy Tenin’Andriamanitra mifanaraka tsara amin’izy ireny tsaroanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV