KPMS/Hafatra 2022

SYNODAMPARITANY IARIVO AVARADRANO

FOFIKRI ANKADIKELY ILAFY

Hafatra Komity Foibe KPMS

07-08-09-10 Dec. 2022

‘Fa hataoko ahoana ny hijery ny loza hanjo ny fireneko’ Est 8/6a

Hampitomboina amintsika rehtra anie ny fahasoavana sy ny fiadanan’ny Tompo.

Ny Komity Foibe KPMS faha 20 izay notanterahina teto amin’ny FOFIKRI ANKADIKELY Ilafy ny 7-8-9-10 Desambra 2022 dia misaotra an’Andriamanitra noho ny fitantanany ka izany. Isaorana ihany koa ny Mpiandraikitra Foibe mpiahy ny KPMS, ny Sekretera Jeneraly, ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana, ary ny Tonian’ny Departemantan’ny Mpiasa sy ny Vola sy ny Fananana ary ny Fampamokarana tonga nanotrona sy nanatrika ary nandray anjara tamin’izany Komity Foibe izany. Misaotra ny tomponandraikitra ao amin’ny FOFIKRI Ankadikely Ilafy nandray ny fivoriana sy nanao ny fikarakarana samihafa. Andriamanitra manan-karem- pahasoavana anie hamaly fitia anareo.

  • Ny KPMS dia mahatsiaro fa mbola ady tsy maintsy atrehintsika, kanefa mila ho takon’ny asa hafa, ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH. Koa manentana antsika rehetra ho mailo sy hanohy hatrany izany ady izany, indrindra ny fanaovana fitiliana VIH.
  • Hitantsika fa miakatra indray ny isan’ny mararin’ny COVID-19 tato ho ato. noho izany manentana antsika mba hanamafy ny fanajana ireo fepetra sakana rehetra sy hanao vakisiny COVID-19.
  • Efa am-perin’asa amin’ny ady amin’ny valan’aretina rehetra indrindra fa ny COVID-19 ny KPMS ka mampahatsiahy ny Fiangonana ny amin’ny fananganana ny rantsa- mangaikan’ny KPMS sy ny valanaretina rehetra any amin’ny Synodamparitany sy ny Fitandremana tsirairay.
  • Mampiomana antsika Kristiana FJKM rehetra fa amin’ny taona 2023 ho avy izao no hankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona ka hisy maro ho fanamarihana izany.
  • Ny KPMS dia manamafy ny fahavononany hiara-miasa amin’ny Komitin’ny Fiainam- pianakaviana izay efa mijoro ara-dalana eo anivon’ny FJKM ary mitsodrano azy hahatanteraka ny andraikitra apetraky ny Fiangonana aminy.
  • Ny KPMS dia mikasa ny handrakotra fanofanana ireo rantsa-mangaika misahana fampianarana ato amin’ny FJKM mba hampivondronana ny hery sy hanafaingana ny asa.
  • Ny KPMS dia mirary Krismasy sambatra sy Taombaovao fifaliana ho antsika rehetra.

« Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo, …..manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika. » Fil. 4:4; Rom.8:37

Ankadikely Ilafy , 9 Desambra 2022

Ny Filohan’ny KPMS

RAZAFIMAHATRATRA Jean William, Mpitandrina.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV