SEFALA SPAA10/Famoahana Katekista

FAMOAHANA KATEKISTA SY MPITORITENY ANDIANY  « VOAOMANA »

Hirotsaka hanatevin-daharana ireo zoky teo aloha ka hanatanteraka ny vinan’ny FJKM ao anatin’ny hazakazaka masina ireo katekista sy mpitoriteny ary mpiandry manodidina ny 580 mianadahy navoaka tao Antsahamanitra ny 01 Novambra 2022 lasa teo.  Tsy vitan’ny olom-bitsy ny asa satria lehibe sy midadasika ny sahan’ny Tompo dia ny hamonto filazantsara an’i Madagasikara ary koa hanova ny tantara, hoy ny Prezida Synodaly, Atoa  RAZAFINDRAKOTO ANDRIAMBALOHERY Hasinarivo, Mpitandrina, ao amin’ny Synodamparitany  Antananarivo Andrefana, izay izy no nitarika ny fotoana tamin’io fotoana io. Loha-laharana hatrany, ity Synodamparitany ity, amin’ny asa samihafa, hoy ny nambarany. Ny SEFALA Foibe FJKM tamin’ny alalan’ny filohany Atoa RAKOTONDRAMANANA Arijaona, no nitondra ny hafatra tamin’io andro io, sady koa nitarika ny asa vavolombelona.

Araka ny fandaminana anatiny ao amin’ny Synodamparitany dia ao Antsahamanitra avokoa no atambatra ny famoahana ireo vita fiofanana, isan-taona isaky ny 01 novambra, nohon’ny fahabetsahan’ny olona dia tsy misy fiangonana antonona izany ka izay no isafidianana manokana ity toerana ity isan-taona.

Ny Sabotsy 12 novambra lasa teo no fidiran’ny SEFALA na Sekoly Fanomanana Laika FJKM tao amin’ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana, raha ho an’ny taom-pianarana 2022-23, mbola afaka misoratra anarana ireo izay liana, tsy mifidy taona ary efa Mpandray ny Fanasan’ny Tompo mahay mamaky teny sy manoratra no raisina, hoy ny tomponandraikitra. Isaky ny sabotsy na talata no fotoana fianarana ary misy ivon-toerana efatra azo isafidianana dia Mahitsy, Ambohidratrimo, Ambohimanarina, ary Antananarivo.

Evariste RASOLOHERY

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV