KPMS/ Taratasy pastoraly

FANENTANANA SAMIHAFA

«Fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko » (Estera 8 : 6a)

Ampitomboina amintsika rehetra anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.

« Isaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika izay nitahy antsika

 tamin’ny fitahiam-panahy rehetra » (II Korintiana 1 : 3).

Misaotra an’Andriamanitra noho ny fitahiany mahatretrika namahany antsika ho amin’ny ady tsaran’ny finoana sy ny asa fanompoana ary ny hazakazaka masina araka ny anjara fanompoana tandrify antsika ka nomban’ny Tompo Jesoa Kristy antsika.

Ny Synoda Lehibe faha XIX izay notanterahina tany SAMBAVA ny 11 ka hatramin’ny 18 Aogositra 2021 dia nahatsapa fa mirongatra izay tsy izy ny areti-mandoza SIDA ary nanampy trotraka etsy ankilany koa ny firongatry ny VALANARETINA hafa rehetra indrindra fa ny COVID 19, noho izany, ny Synoda Lehibe dia nanome andraikitra ny KPMS hiantsoroka ihany koa ny ady amin’ny SIDA sy ny VALANARETINA HAFA REHETRA.

Araka izany dia tena amperinasa tanteraka amin’ny ady atao amin’ny VALANARETINA rehetra ny KPMS FJKM ka manamafy etoana ny fampatsiahivana ny Fiangonana FJKM rehetra ny amin’ny fananganana ny rantsamangaikan’ny Komitim-pirenena rehetra miady amin’ny SIDA sy ny VALANARETINA rehetra any amin’ny Synodamparitany sy ny Fitandremana tsirairay avy.

Mampahatsiaro ihany koa ny amin’ny tsy maintsy hanamafisana, hiainan’ny rehetra ny fepetra sakana ara-pahasalamana ho fisorohana ary manentana ny vahoaka Kristiana sy ny olom-pirenena Malagasy hifampitsimbina sy havitrika hanao Vakisiny fanefitra ho amin’ny aretina vaovao sy ireo Vakisiny efa fanao teo aloha, fanefitra amin’ny aretina hafa.

Hamafisina ny fanentanana amin’ny ady amin’ny tsimokaretina VIH sy ny fitiliana ary ny tsy fanilikilihana ireo izay mitondra izany sy ny fandraisana azy ireo izay efa natao hatramin’izay.

Marihina fa isika FJKM dia mandray an-tànana ireo havantsika izay mitondra ny tsimokaretina. Misy mbola ankizy ary misy efa olon-dehibe, mila entina amim-bavaka manokana izy ireo sy ny fianakaviany sy ny Mpanompon’Andriamanitra izay mikarakara azy ireo mivantana miaraka amin’ny Dokoteram-panjakana.

Manantitra hatrany ny fisaorana antsika mpiara-miombon’antoka, mpiantsehatra, mpiara-manompo, mpanohana ara-bola, misaotra manokana ihany koa ny ambaratonga mpiahy dia ny Foibe FJKM, na ny Mpanapankevitra izany na ny Mpanatanteraka.

Ankasitrahina manokana ihany koa ireo nanohana tamin’ny fomba samihafa : vavaka, asa, fanohanana ara-bola. Ireo moa dia hita any amin’ny Tatitra fanao isan-taona miaraka amin’ny Litorjia amin’ny Alahadin’ny KPMS FJKM.

Raisina am-pitiavana hatrany izay mety ho fanohanana ataontsika. Ny fanohanana ara-bola dia afaka atolotra mivantana ao amin’ny rihana fahaefatra Foibe FJKM, ao amin’ny Biraon’ny KPMS na arotsaka amin’ny Kaonty BOA : 05020 1 602281 000942 KPMS/ FJKM.

Manaitra antsika fa takonan’ity Valanaretina Coronavirus ity ireo aretina samihafa, anisan’izany ny tazomoka, raboka na tuberculose, peste, sns, anisan’izany ny VIH SIDA izay samy mbola misy ary misy tena mahazo vahana aza satria hadino ny fiatrehana azy koa dia samia mailo isika.

Maniry antsika rehetra mba samy hanangana ny Komity any amin’ny ambaratonga misy antsika tsirairay avy : Komitin’ny Synodamparitany miady amin’ny VIH/ SIDA, Komitin’ny Fitandremana miady amin’ny VIH SIDA.

Ny Mpitandrina rehetra moa dia efa nahazo fiofanana momba ny VIH SIDA avokoa, koa raha misy fiarahamiasa ilaintsika dia afaka manatanteraka izany ny KPMS, na fampianarana izany na fanofanana na fananganana ilay Komity.

Afaka mifandray amin’ny Mailaka ihany koa kpms.fjkm@gmail.com sy amin’ireto finday ireto : Pasteur William : 034 20 477 16- 033 14 477 16- 032 07 536 86.

Miara-miomana amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy Mpamonjy Ilay mitondra fahazavana isika ary mangataka Aminy handavorary ny zara fanompoantsika amin’ny alalan’ny fanompoampivavahana isam-pitandremana amin’ny Litorjia iombonana avoakan’ny Komity Foibe KPMS izay hatao ny Alahady 27 Novambra 2022. Isika nandray ny fahazavan’i Kristy no irahiny hanohy ny asany mba ho fahazavan’izao tontolo izao.

Raha sendra misy ny fotoana mifanindry dia afaka manendry fotoana hafa.

Hanasana antsika ny fanarahana ny fandaharana Asa Vavolombelona ao amin’ny Radio Fahazavana (88.6) isaky ny Alatsinainy fahatelo amin’ny Volana amin’ny 07 ora sy 35 mn hariva.

Dia manantena antsika rehetra mba handray anjara mavitrika amin’ny hetsika ady amin’ny VIH SIDA izay fanao isan-taona manerana izao tontolo izao mandritra ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny VIH SIDA isaky ny voalohan’ny volana Desambra.

Dia samy mitrotro amim-bavaka ny Komity Foibe KPMS FJKM isika izay hatao eto Antananarivo ny 08, 09, 10 Desambra 2022, raha sitrapon’Andriamanitra.

« Ary matoky indrindra aho fa izay nanomboka asa tsara tao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-piavin’ny andron’i Jesoa Kristy. »(Filipiana 1 : 6)

Amin’ny anaran’ny Komitim-pirenena miady amin’ny VIH SIDA

 sy ny Valanaretina KPMS FJKM :

Ny Filoha :

Atoa RAZAFIMAHATRATRA Jean William, Mpitandrina

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

FJKM Fahazavana

ANDRO NIAKARANA – 09 May 2024

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)

Production FTV