IKT SAFIF/ SP AA11

FANOKANANA MPIANDRY VAOVAO

Niatrika ny isan-kerintaonany teny amin’ny FJKM Malaza Gileada ny SAFIF SPAA11 (Sampana fifohazana Synodamparitany Antananarivo Atsimo), ny Sabotsy 8 Oktobra 2022, ka mpiandry vaovao miisa 77 mianadahy, izay misalotra ny anarana “Fanavaozana”, no natokana, rehefa nahavita ny fianarany roa taona, tao amin’ireo sekoly fanomanana laika SEFALA, eo anivon’ny Synodamparitany.

Herinandro ireo mpiandry vaovao ireo, no nipetraka teny amin’ny Toby fifohazam-panahy Getsemane Fiderana Ankadilalampotsy Ankaraobato, ka fiainan’izy ireo isan’andro, ny fiombonam-bavaka sy ny fiofanana ary ny asa sy ny fampaherezana ireo marary miisa 17 tsaboina, sady ho fizaran’asa sy ho fiainana ny tenin’i Kristy Jesoa.

Mankalaza ny jobily faha-25 taona niorenany sy niasany ny Tobim-pifohazam-panahy Getsemane Fiderana Ankadilalampotsy Ankaraobato, amin’ity taona 2022 ity, ka trano misy rihana iray no haorina eny an-toerana, ho entina manamarika izany fotoan-dehibe izany, ary hiantsoana ny mpino sy ny ireo manana ny fanahin’ny fahafoizana, mba hifanome Tanana, ho fanorenana ilay trano misy rihana, hipetrahan’ireo marary tsaboina ao amin’ny Toby. .  

Marihina fa taorian’ny fanomanam-panahy tao amin’ny “chapelle” tao amin’ny Toby, dia nilahatra nanao diabe nandeha an-tongotra nankeny amin’ny FJKM Malaza Gileada ireo mpiandry vaovao, notarihin’ny Filohan’ny SAFIF SPAA11, Atoa RATSIMANDRESY Joseph Andriamparany, Mpitandrina, sy ny Tonia SAFIF Foibe, Atoa RANOMENJANAHARY Soloforado Martial, Mpitandrina izay nitondra ny hafatr’Andriamanitra sady nitarika ny asa vavolombelona.  

Nitarika ny fotoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tamin’izany, ny Prezida Synodaly SPAA11, RABELISON Harimanitra Manassé, Mpitandrina . Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra .

ILAIMAZOTO ,,SF’’

Perikopa 2023

Desambra: Ankalazao ny Mpamonjy

| | 03. Advento I
1 Tan. 16:4-14 / Jao. 17:1-5 / Asa. 3:44-48

| | 10. Advento II - Sampana Sekoly Alahady
Sal. 8:1-9 / Mat. 21:15-17 / Heb. 2:10-18

| | 17. Advento III
2 Sam. 22:47-51 / Mat. 5:13-16 / Rom. 15:7-12

| | 24. Advento IV
Sal. 113:1-9 / Lio. 1:46-56 / Rom. 11:33-36