FIFA 2022

Andron’ny FITANTANANA SY FANANANA

Nanamarika ny Andron’ny FiFa 2022

Tamin’ny Synoda Lehibe voalohany, ny taona 1968, dia efa nisy teto anivon’ny Foibe FJKM ny Fitantanana ny Fananana niaraka tamin’ireo vaomiera samihafa. Natsangana tamin’ny fomban’ny Fiangonana ny atao hoe « Vaomieran’ny fananana » ny taona 1970. Taorian’io rehefa zary nampiasaina teto anivon’ny Foibe ny voambolana hoe “Komity”, dia nanjary ho “Komity Fitantanana ny Fananana no niantsoana azy”. Tanjona ny ahafahana mitsirika sy mamantatra ireo fananana rehetra toy ny tany sy trano ka ahafahana mikajy sy manitatra azy amin’ny Fampamokarana. Ezahana koa ny ahafahana mampanara-dalàna ireo taratasy rehetra momba ny fananana ho fiarovana izany. Olana matetika mpitranga eto amin’ny Fiangonana ny momba ny fananan-tany.

Natokana ho fitondrana am-bavaka ny FiFa ny Alahady 13 Novambra 2022 lasa teo iny. Ho fanamarihana io Andro manokan’ny FiFa io dia nisy ny famelabelaran-kevitra notanterahana tao amin’ny FJKM Kristy Fanantenana Antohomadinika SPAA10 ny Talata 08 Novambra 2022 Tolakandro. Lahadinika nandritra ny Famelabelarana ny Fampahafantarana ny FiFa Nentin’Atoa ANDRIAMANALINA Hery Zo, lehiben’ny Sampandraharahan’ny fananana sy fampamokarana ary tetikasa fananan-tany eo amin’ny FJKM. Teo koa ny Famahana ireo olan’ny Fananan-tany eo amin’ny fiangonana FJKM, novelabelarin’Atoa RANAIVOSON Jean Fidel, Komity FiFa sy Rtoa RAMANOHISOA Julie Mina, Komity FiFa. Namaly ny Fanontaniana napetrak’ireo mpanatrika Atoa RAZAFINDRALAMBO Didier Alban, Mpiandraikitra Foibe mpiahy ny FiFa sy Atoa RAKOTONDRATRIMO Robinson, Filoha Mpanampy ary Atoa RATOVONELINA Denis, Komity. Misokatra mandrakariva ho an’ny Fitandremana na Synodamparitany manana olana mahakasika ny Fananana eo anivon’ny Fiangonana FJKM fa indrindra ny fananan-tany ny Biraon’ny FiFa ao amin’ny Foibe FJKM Trano Ifanomezantsoa Analakely rihana faha-6, varavarana varavarana faha-601.  

Ryja Kely      

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM