SP IA 19/25Taona

KRISTIANA TELO ALINA NO NIARA -NANKALAZA
AN’ANDRIAMANITRA noho ny faha-
25 TAONA SP IARIVO AVARADRANO

Vory lanina teny Antsonjombe ny mpino avy amin’ny Fiangonana 124 sy vondrom-bavaka
3 mandrafitra ny SPIA. Nirindra tokoa ny fandaminana teo ambany fitantanan’ny
Prezida Synodaly sy ny Komity.
Ny fotoam-panafahana no nanombohana notarihin’ny Sampana Fifohazana, nisy ny asa
sy fampaherezana. Fotoam-pivavahana feno aim-panahy nanomboka tamin’ny 09 ora sy
sasany, notarihin’ny Prezida Synodaly. Ny mpitandrina mpanolo-tsaina ao amin’ny
Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe RAKOTOBE RAJAOMANJATO Dodaherisoa no nitondra
ny tenin’Andriamanitra araka ny perikopa rahateo sy ny teny Faneva: « Mandrosoa,
Mirosoa, Havaozy ao anatin’ny fitiavana ny fanompoana ».
Nitohy tamin’ny korana Evanjelika ny fotoana. Afa- po tamin’ny sakafo ny rehetra ary
nalai-nisaraka tokoa. Fa andao ho fantarina ny tantaran’izany SP izany, tao anatin’ny 25
taona nijoroany.
Ny Synoda lehibe faha -XIII tany Antsiranana no nanapa-kevitra fa arindra ho 35 ny
isan’ny SP izay 76 tamin’izany. Synodam-paritany telo: Ambatonakanga – Analakely –
Ambohimanga no navondrona ho Synodam-paritany Iarivo Avaradrano anarana araky —
ny tolokevitry ny Mpitandrina RAJOHNSON Noelson ,Filohan’ny SP Analakely tamin’izany.
Toy izao ny famaritana ny SPIA : Avaratra : Ampany sy Mangatany Avaratra – Atsimo :
Ambatonakanga, Analakely – Andrefana : Antanimena Andrefana sy Andranomalaza
Ivato – Atsinanana : Andranotsimihozo sy Ankona.


Ireto ny Filoahan’ny Synodam-paritany nifandimby:
1996-1998 : RASOLONIRINA Théophile Vinel , Mpitandrina
1998-2004 : RABENANTOANINA Harimanana Philibert, Mpitandrina fa nanomboka ny
taona 2009 hatramin’izao dia ny Mpitandrina RABETOKOTANY Miarilaza Andriamialy
no PS, izay Filohan’ny Fikamabanan’ny PS eto ami’ny Sahan’ny FJKM ihany koa.
Ireto ny zava-bita misongadina hatramin’izay:

  • Fampianarana amin’ny lafiny maro no nahitam-bokatra.
  • Fananganana ny firahalahinan’ny Mpitandrna
  • Fananganana sampana sy sampan’asa ary ny SEFALA teto anivon’ny SP
  • Tafapetraka ihany koa ny fitsipika anatiny.
    Nahazo fiara Express ny SP ny taona 2005, niova ho 4×4 NISSAN PATROL izany ny taona
  1. Ny taona 2010 no nanomboka ny fanorenana ny IVOTOERANA, notokanana ny
    taona 2012. Araka ny tantara dia fananan’ny LMS, nisy ny sekoly fahizay (Sekoly
    Misiona): Ecole Supérieure Protestante d’Avaradrano, namoaka olo-manga maro, ny
    toerana misy ny CEG ankehitriny. Nifanaraka ny Commune sy ny SP fa ho tazonin’ny
    Fanjakana ny tany misy ny CEG fa faritra tamin’ny tsena no nomena nananganana io
    ivotoerana io.
    Mandroso foana ary miroso hatrany amin’ny hazakazaka masina ny Synodam-paritany
    Iarivo Avaradrano Claude Rassata

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV