Alarobia 30 Novambra 2022

2 PETERA 3.14-18

E o am-piandrasana ny Tompo

1-Meteza handeha tsy misy tsiny

Raha manana ny fanantenana ny fiainana mandrakizay ianao dia meteza handeha tsy misy tsiny mba tsy hampihemotra ny sasany . Ny tsiny dia tsy hahafahana miditra ny fanjakan’Andriamanitra araka izay voalaza ao amin’ny Salamo 15.2 « Jehovah ô! iza no hitoetra ao amin’ny tabernakelinao …izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy« . Tsy fonenan’olona manan-tsiny ny fanjakan’Andriamanitra .Tsy misy olona tanteraka , saingy ny resahana eto dia ilay toetra ratsy na ilay antsoin’ny besinimaro hoe: fahotana mahafaty na mivandravandra.Sarotra tokoa ny hanamari-tena satria ny fahotana amin’Andriamanitra dia mitovy avokoa , fa ny olona no manasokajy azy.Ka na kely io na lehibe dia tokony fadiana avokoa .Koa aoka samy hitandrina .

2-Aza manararaotra ny indrafon’Andriamanitra

Ny faharipon’Andriamanitra no famonjena antsika , ary marina tokoa zany , satria raha tsy misy ny indrafony dia ho sahirana tokoa ny olona .I Petera eto dia zatra mahita ny zava-misy tao amin’ny Testamenta Taloha , ka nampitaha izany amin’ny indrafon’Andriamanitra dia i Jesoa Kristy izay be indrafo tsy misy aoka izany .Hoy ny Soratra Masina ao amin’ny Salamo 117.2 « Fa lehibe ny famindrampony amintsika » .Anisan’ izay mampiroborobo ny faharatsiana ihany koa anefa ny fahalalana fa mpamindra fo Andriamanitra , hany ka manararaotra aoka izany ny mpanao ratsy ,ny ratsy rahateo tsy mivaly eo no eo . Isika àry, aoka tsy hanao toy izany .Ny indrafon’Andriamanitra dia mitondra famonjena ho antsika fa tsy hararaotina hanaovan-dratsy.

Fanontaniana:

Raha resahina ny tsiny ,ahoana ny fahitanao ny tsininao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 29 Novambra 2022

2TIMOTY 2.19-21

Ny karazana mpanompon’Andriamanitra

1-Misy toy ny fanaka afa-baraka (and20)

«  Fa ao an-trano lehibe ,tsy dia fanaka volamena sy volafdotsy ihany no ao fa fanaka hazo sy tany koa ny sasany omem-boninahitra ,ny sasany alam-baraka » . Hanoharana ireo karazana mpanompo amin’ny asa fanompoana izany eto, satria misy tena miorina fa misy kosa ny mifanohitra amin’izany . Ity farany , ilay alam-baraka .Nisy izany tokoa mantsy tamin’ny fotoana izay nanoratan’i Paoly ity Epistily ity ho an’i Timoty . Nisy an’i Fileto sy Hymenio izay mamadika ny finoan’ny sasany ka anisany izay nananaran’i Paoly azy . Fomban’ Andriamanitra tokoa ny mametraka ny mpanompony amin’ny toerana sahaza azy (1 Sam 2.30) . Hafatra tsy ho an’i Timoty irery izany fa ho antsika koa , satria tsy lany andro ny Soratra masina fa mbola miteny amintsika mandraka ankehitriny . Aoka samy hitandrina isika .

2- Misy toy ny fanaka omem-boninahitra (and21)

Tian’i Paoly mba omem-boninahitra tokoa iTimoty amin’ny fandehanana araka ny finoana marina mba tsy hanao toa an’i Hymeneo sy Fileto izay mamadika ny finoan’ny sasany ka nitaona olona maro tao amin’ny famonjena ho any amin’ny fahaverezana .Ny Kristy sandoka sy ny mpaminany sandoka ,ire tsy mitoetra tsara amin’ny finoana : fahafahambaraka no setriny , ka indro izy mananatra mafy azy .Tsy mora ny mitondra tena , kanefa na dia sarotra aza dia tsy maintsy mahay mitondra tena , satria izany no anisan’izay hitsarana antsika .Maneke hanao ny sitrapon’Andriamanitra fa izany no anisan’izay hananana lanja mitovy amin’ny volamena sy ny volafotsy. Manomeza voninahitra Azy dia homeny voninahitra.

Fanontaniana:

Fanaka omem-boninahitra ve iaao izao sa alam-baraka?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 28 Novambra 2022

ISAIA 50.4-7

Ny mpianatry ny Tompo

1-Mihaino hatrany ny Tenin’Andriamanitra (and4,5)

Andriamanitra dia mampianatra ny Teniny , ary tsy mba indray mandeha fa mandrakariva satria mpanompony , azy dia tsy hanafenany ny sitrapony .Mitombina ihany koa izany satria izay zanany no mahay ny teniny , ka afaka mandika izany amin’izay tsy mahay. Hoy i Jesoa ao amin’ny Jaona 8.47″ izay avy amin’Andriamanitra dia mihaino ny Tenin’Andriamanitra« .Anisan’izay hahafahana mamantatra ny maha-zanak’Andriamanitra izany fahazotoana mihaino ny teniny izany , kanefa tsy mihaino amin’ny sofina fa indrindra ny mankato.Zanany tokoa àry ve isika ?

2-Mampihatra ny Tenin’Andriamanitra efa re (and6)

Ny mpianatry ny Tompo rehefa mahay mitadidy io teniny io ,dia tanteraka io na amin’ilay antsoina hoe : mila ampiharina amin’ny fiainana. Matetika dia hiharan’ny herisetra na tsindry hazo lena na zava-manjo izy , fa tsy mba mpanao izany rehetra izany, raha tsy misy ny Tenin’Andriamanitra izay mampahery dia reraka izy .Ao no ahitany ny teny izay mampahery azy toy ny hoe : »Mitaraina ny marina ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ny fahoriany rehetra » .Soa fa eo ny Tenin’i Jesoa mampahery lalandava.

3-Miandry ny fitsarany marina (and8)

Fantany fa tsy diso izy ka afaka ny hitoky amin’Andriamanitra .Tsy nanao ratsy izy ka hoe: hanomba ny ratsy fanahy sy hanamarina ny fahotana fa mpitsara marina .Olona tsy manao ratsy iniana izy , fa ny tsy nahy aza efa tandremany mafy nefa misy ihany indraindray .Na dia mpianatry ny Tompo aza isika dia tsy afaka ny hanararaotra ny indrafony ka hanao ratsy satria efa misy mpisolo vava.

Fanontaniana:

Mpanao herisetra ve ianao sa ilay saika iharana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 27 Novambra 2022

JAONA 1.9-13

Amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona

1-Dia tsy maintsy misy olona saro-tiavina (and10,11)

Ambara eto fa i jesoa no jiro fahazavana ho an’ny olona hanazava ny olona ,ary tsara izany misy fahazavana izany ,saingy tsy tian’ny olona Izy , sy niavonan’ny olona .Toe-javatra fahita izany eo amin’ny fiainana.Hoy i Jesoa raha milaza momba izany: « Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy amin’ny taniny sy ny mpianakaviny ihany ».Maty antoka anefa ny olona tsy tia ny azy,ny hafa mahita maminy amin’i Jesoa ,kanefa izy ireo izay mpiray tanindrazana aminy indray no miavona.Mety hitovy amin’ny Jiosy isika indraindray ,tsy mahita ny ambany maso. Fianakaviana Mpitandrina sy mpitoriteny sy ny toy izany ?Akaiky fiangonana ve ny tranonao? Mampandini-tena tokoa ny tenin’i Jesoa .Masina an-taniny ve ny mpaminany izay ao aminao ?

2-Dia misy olona natao hovonjena mihitsy (and12,13)

Ny mampanontany tena dia izao : nahoana no samy nahafantatra teo ihany ,koa nahoana no nisy ireo izay nanaiky ny handray Azy? Satria voafidy izy ireo araka ny tenin’i Jesoa

ao amin’ny Jaona 6.44″ Tsy misy olona mahay mahay manatona Ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy » .Ireny no olona tsy araka ny nofo intsony fa araka ny fanahy ? , teraka tao amin’ny tontolon’ny fanahy,ka mandova ny fiainana mandrakizay.Moa anisan’izany ve ianao? Nandray an’i Jesoa ,manaraka sy mankato ny didiny ?Efa voafidy ianao izay ary tsy ianao no nifidy Azy fa Izy no nifidy anao (Jao 15.16).Mifalia fotsiny fa mba anisan’izay voafidy,ka mba nomeny voninahitra .Tsy mendrika nefa notiaviny.

Fanontaniana:

Anisan’ilay saro-tiavina sa anisan’ilay voafidy ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 26 Novambra 2022

1 JAONA 2.24-29

Tomoera ao amin’ny Tompo

1-Amin’ny alalan’ny fihazonana ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny isika vao nino (and24-25)

Eto i Jaona Apostoly dia mahita tokoa ny fahasarotan’ny lalana izoran’ny mpino mandra-pahatonga any amin’ny fiainana mandrakizay . Sarotra ny dia satria satana mamingana sy mamitaka amin-javatra mahasodoka .Noho izany ,ny fihazonana ny Tenin’Andriamanitra ihany no hahatanana ny fiainana mandrakizay .Hoy ny voalaza ao amin’ny Apokalypsy 3.11 « Tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao « .Tsy mora ny hihazonana ny fiainana izay efa eo amintsika .Betsaka ireo fahalalana izay omen’ny mpaminany sandoka hanariana dia antsika ,kanefa rehefa mitoetra amin’ny Tenin’Andriamanitra izay efa nampinoana antsika isika dia hahafahatra .

2-Amin’ny fitoerana amin’ilay hosotra masina izay nanosorana antsika (and27)

Ny hosotra masina izay nanosorana dia ny nanomezana antsika ny Fanahy Masina izay nandraisana antsika ho vita batisa , na ho mpandray, na ho mpiandry ,na ho diakona ,na ho mpitandrina .Noho izany,isika no tokony hampianatra izay mpaminany sandoka mitady hamery ny diantsika .Rehefa manaiky tarihan’ny Fanahy Masina io isika dia tsy hanota mihitsy ,ary ho voatazona amin’ny toerana izay misy antsika ka mitombo amin’ny fahasoavana tokoa, kristiana mitombo ara-dalàna, izany hoe: mifanaraka tsara ny taona naha-kristiana antsika sy ny fitomboana ara-panahintsika mba tsy ho olona sampona ara-panahy ka ny taona naha-kristiana efa maro nefa ny vatana ara-panahy tsy mitombo mihitsy .Sampona no iantsoana izany .

Fanontaniana:

Mbola ao amin’ny làlana mankany amin’ny fiainana mandrakizay ve ianao sa efa niova làlana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 25 Novambra 2022

1TESALONIANA 5.1-11

Tampoka ny fiavian’ny Tompo

1-Koa aza mandrimandry saina (and3)

Hitantsika amin’io andininy io fa matetika rehefa mandrimandry saina fa mety ny fiainan’ny olona dia misy zavatra tsy ampoizina miseho.Noho izany , aoka hiomana indrindra fa ny ara-panahy .Rehefa tsy mandrimandry saina isika dia manjary matoky an’Andriamanitra ,ka na inona na inona miseho dia Izy no mahalala izay mahasoa antsika.Tandremana mba tsy isika no ilazana hoe : « Ry adala , anio no alaina aminao ny fanahinao ,koa an’iza izay zavatra noharianao« ? (Lio 12.30).Tsarovy fa tsinotsinona ny eto an-tany amin’izay mba manantena ny fiainana mandrakizay.Indraindray dia mahita kokoa ny lafy ratsin’ny fiainana ny kristiana indrindra fa ny tena miorina .Ohatra hoe : mijaly satia maditra vady.Tsara ny tsy mandrimandry saina fa aleo mailo ihany .Ampoizo ny tampoka!

2-Koa aoka hifoha mandrakariva sy hiambina (and 6)

Ny torimaso dia anisan’izay mahavery ny olona tokoa. Ratsy i torimaso io .Ilay torimasom-panahy anefa ilay tena lazaina fa ratsy , satria manambar ny fahavitrihana manota ny fatoriana ara-panahy .Koa raha tratra amin’iny ianao manota iny ianao dia ataovy veloma ny fiainana mandrakizay .Tsy faly ny hampahory antsika akory ny Tompo ka tsy hampitombin-tsaina antsika raha nilaza hoe: « Miareta tory ianareo ka mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakampanahy ; mety ihany ny fanahy fa ny nofo ny tsy manankery » (Marka 14.38).Ilaina ny miambina mba tsy ho azon’ny fakam-panahy .Fahafaham-baraka no setriny farafahatsarany , fa ny tena ratsy dia ny fahaverezana mandrakizay .Tandremo àry ny varimbariana amin’iza fiainana izao fotsiny .

Fanontaniana :

Olo-mifoha tokoa ve ianao , sa matory mitsangana sa mandry tsy lavo loha sa mandrimandry am-pandriana fa tsy matory?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 24 Novambra 2022

ROMANA 8. 18-25

Velomy ny fanantenana

1-Na dia ratsy aza ny fiainana eto an-tany (and20,22,23)

Araka izany ny fiainana eto an-tany dia ratsy: ratsy fiafarana na ny olombelona na ny zavaboahary (and20) . Hoy ny Soratra masina : »zava-poana dia zava-poana ,eny zava-poana ny zavatra rehetra » (Mpit1.2).Miharihary ny maha-zava-poana ity fiainana ity rehefa tojo fahadisoam-panantenana fahafatesana ,na tsy fahafahampo manoloana ny lahatry ny zava-boahary hoe : »teraka,avy eo zaza,tanora,antitra , maty… ».Dia mipetraka ny fanontaniana manao hoe: Fa inona tokoa ny maha-izy ny fiainana? Na izany aza isika dia miandry ny fotoam-panavaozana (and19) ,manàna fanantenana fa mbola ho avy ilay fiainana mandrakizay izay hahatanterahan’ny teny fikasany.

2-Fa ny fanantenana no hamonjena antsika (and24)

Ny fanantenana no làlana iray hahazoana ny fiainana mandrakizay dia ny famonjena izany .Mila finoana sy fatokiana koa anefa izany ,satria ny fanantenana an’ny ho avy,izany hoe : tsy hita maso ,saingy inoana ny fisiany .Toy ny zanaka mino ny fampanantenan-dray aman-dreny anefa dia mety hivadibadika amin’ny teny omeny izy ireny noho ny antony samihafa. Ny Tenin’Andriamanitra kosa anefa dia mahatoky tokoa. Hoy ambaran’ny bokin’ny Ohabolana 23.18 « Raha mbola hisy koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenanao« .Fanantenana : mitovy dika amin’ny » finoana » ihany no hamonjena antsika .Raha tsy manana izany isika dia tsy ho voavonjy mihitsy.Koa manàna fanantenana!

Fanontaniana :

Mifikitra kokoa amin’ny eto an-tany ve ianao sa manantena ny any an-danitraaa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 23 Novambra 2022

JAONA 4.39-45

Eo am-piandrasana ny Tompo

1-Andao hiala amin’ny fahotana fa mitaona ny hafa ny fiovam-pontsika (and39)

Maro ireo samaritana no nino ny noho ny filazan-dravehivavy tamin’izy ireo ny momba an’i Jesoa .Ny antony dia ny fahitany ny fiovan’ ilay vehivavy .Mpijangajanga ity vehivavy ity , kanefa indro izy niova noho ny fihaonany tamin’i Jesoa . Izany fiovam-po tampoka sy mahery vaika izany no nanosika ireto samaritana ireto hino sy hitady an’i Jesoa . Ny fiovam-ponsika dia mitaona ny hafa .Koa raha tena mibebaka isika ka miala amin’ny ratsy dia ho voavonjy isika sady hahataona ny hafa ho voavonjy ihany koa.

2-Araraoty ny fotoana hahazoana famonjena (and40)

Nangataka an’i Jesoa mba hijanona ao an-tànanany ireto samaritana ireto dia nanaiky Izy . Raha ny tokony ho izy anefa dia tsy mahazo mijanona ao Izy satria ny Jiosy sy ny Samaritana tsy mahazo mifampiraharaha sy mifanakaiky ara-nofo , satria maloto amin’ny Jiosy ireo Samaritana ireo satria mpanompo sampy.Ny fahitan’izy ireo an’i Jesoa tsy mba nanilika azy dia nohararaotiny mba hitadiavana famonjena ho an’ny fanahiny izay very noho ny fahotany.Roa andro no fotoana nanararaotany an’i Jesoa mba te-higoka fahasoavana avy amin’i Jesoa izy ireo , kanefa tsy manana izany zo izany ,satria ny Jiosy aloha vao ny hafa firenena.Hainy ny nanararaotra ny fotoana mety. Manam-pahendrena tokoa izy ireo amin’izany .Koa araraoty ny fotoana hahafahana mihaino ny Tenin’Andriamanitra , toy izany koa ny fotoana hanompoana an’Andriamanitra , satria voafetra ny fotoana (Mpitoriteny 3.1) .

Fanontaniana:

Efa nisy fahotana niombonanao tamin’ny hafa ve? Vitanao ve ny miala amin’izany , ary mino ve ianao fa hisy fiovana ihany koa iny namanao iny raha mahita azy miova ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 22 Novambra 2022

FILIPIANA 3.17-21

Mandra-piavin’ny Tompo

1-Ataovy ny fanompoana an’Andriamanitra (and17)

Angatahin’i Paoly amin’ireto kristiana tao Filipia ireto ny mba hahafahan’izy ireo azy . I Paoly mantsy dia apostoly izay nanao ny fanompoany amin’ny maha-fanompoana azy tokoa ( 1 Tes 2.6). Manana ny lanjany lehibe tokoa ny ara-panahy satria hitantsika fa ny ara-nofo aza mba misy lanjany mba misy lanjany tokoa , mainka fa ny ara-panahy, satria tsy misy mahavidy fanahin’olona iray monja amin’ny vola na harena samihafa eto amin’izao tontolo izao .Noho izany , manana fahefana hitaky izany tokoa i Paoly raha ny fanompoana izay saika tonga lafatra nataony , saingy tsy mba nanao izany , satria nanana fanetrentena izy , nahatsiaro fa mpanompo .Ry havana , andeha atao mendrika ny fanompoana raha mba milaza izany ihany isika hoe : « Jesoa Tompo «  : misy heviny lalina io teny io .

2-Tandremo ny fanompoana arahina fitiavan-tena (and19)

Hita araka io andininy io fa nisy kristiana nanahirana tao , tsy nahalala afa-tsy izay voninahitra sy hanina ho azy raha nanompo tao amin’ny fiangonna . Misy ankehitriny izany , satria maro ireo mpanompo an’Andriamanitra tsy mirotsaka amin’ny asany raha tsy efa mahafantatra ny voninahitra sy ny tombotsoa manokana toy ny fiara na trano …Efa tsy mpanompo intsony fa mpikarama , eny mpandroba an’Andriamanitra mihitsy aza. Hoy i Jesoa hoe: « Aza mihary harena ho anaeo ety an-tany izay misy kalalao sy harafesina manimba ... » Tandremo tsara ny fanompoana ! »