Talata 22 Novambra 2022
FILIPIANA 3.17-21
Mandra-piavin’ny Tompo
1-Ataovy ny fanompoana an’Andriamanitra (and17)
Angatahin’i Paoly amin’ireto kristiana tao Filipia ireto ny mba hahafahan’izy ireo azy . I Paoly mantsy dia apostoly izay nanao ny fanompoany amin’ny maha-fanompoana azy tokoa ( 1 Tes 2.6). Manana ny lanjany lehibe tokoa ny ara-panahy satria hitantsika fa ny ara-nofo aza mba misy lanjany mba misy lanjany tokoa , mainka fa ny ara-panahy, satria tsy misy mahavidy fanahin’olona iray monja amin’ny vola na harena samihafa eto amin’izao tontolo izao .Noho izany , manana fahefana hitaky izany tokoa i Paoly raha ny fanompoana izay saika tonga lafatra nataony , saingy tsy mba nanao izany , satria nanana fanetrentena izy , nahatsiaro fa mpanompo .Ry havana , andeha atao mendrika ny fanompoana raha mba milaza izany ihany isika hoe : « Jesoa Tompo « : misy heviny lalina io teny io .
2-Tandremo ny fanompoana arahina fitiavan-tena (and19)
Hita araka io andininy io fa nisy kristiana nanahirana tao , tsy nahalala afa-tsy izay voninahitra sy hanina ho azy raha nanompo tao amin’ny fiangonna . Misy ankehitriny izany , satria maro ireo mpanompo an’Andriamanitra tsy mirotsaka amin’ny asany raha tsy efa mahafantatra ny voninahitra sy ny tombotsoa manokana toy ny fiara na trano …Efa tsy mpanompo intsony fa mpikarama , eny mpandroba an’Andriamanitra mihitsy aza. Hoy i Jesoa hoe: « Aza mihary harena ho anaeo ety an-tany izay misy kalalao sy harafesina manimba ... » Tandremo tsara ny fanompoana ! »