Fiangonana Misionera

FJKM : FIANGONANA MISIONERA ANY AN-DAFY

Vanim-potoana miavaka izao andalovan’izao tontolo izao ankehitriny. Aoka atao indray mijery ny vanim-potoana sy ny nampiavaka azy ireny.

  • Eglise primitive. Andron’ny Fiangonana Voalohany. Ny herin’ny maizina no nanjaka
  • Chrétienté. Naka toerana ny maha kristiana teto. Lazaina fa ny emperora no nanjaka
  • Modernité. Nahazo laka ny Siansa. Ny fahalalana izany no nanjaka
  • Hyper-modernité. Nihalasa lalina ny Siansa. Ny vola no nanjaka.
  • Post-modernité. Nisalasalana daholo ny zavatra rehetra. Ny fahasamihafana no nanjaka izao. Tsy misy tompon’ny marina irery, na ekena ho hany marina.

ANTONTANISA

Rehefa nisalasalana avokoa ary ny zavatra rehetra (finoana, fitondrantena Fiangonana, Andriamanitra,…), dia nitontongana ny isan’ny Kristiana tany Eropa, izay kontinanta naniraka misionera fahiny.

Andeha atao indray mitopy maso eto ny fivoaran’ny antontanisa.

  • Hatramin’ny taona 300, nirosoana ho amin’ny fanekena ny Fiangonana kristiana ho ara-dalàna izany. Nisy 20 % amin’ny Eraopeana no Kristiana
  • Taona 1000, vanim-potoana antenantenany.  Niakatra ho 70% izany.
  • Taona 1700, nisian’ny Reforma. Niakatra ho 80 % indray izany.
  • Taona 1900, nanirahana misionera. Efa nahatratra 90% ny Eraopeana kristiana.
  • Taona 2010 no mankaty. Nanomboka nihena hatramin’ny 60% izany, ary tsy mitsahatra mitambotsitra ny antontanisa.

Fijery miainga amin’ny antontanisa izany. Fa ny hita maso dia zara raha misy mpiangona any am-piangonana, ary tsy mahavita ny adidiny intsony izay tonga. Very ny maha Fiangonana misionera ny any Eropa.

NOPOTEHINA

Hatramin’ny taonjato faha 20, izay nolazaina ho taonjaton’ny fahazavana, dia nitambotsitra ny maha kristiana. Ireto misy antony vitsivitsy naterak’izany.

  • Nakisaka ho sehatra an’ny tsirairay ny fivavahana. Veloma hatreo ny hoe ny fivavahan’ny mpanjaka no fivavahan’ny vahoakany. Tonga tamin’ny fanafihana firenena mihitsy io fanitarana ny fivavahana fahiny io.
  • Samy nisafidy izay fivavahana tiany ny olona, ary na tsy hivavaka koa aza dia azony natao.
  • Natao Rafitra ny laisity, izay naka ny toeran’ny finoana an’Andriamanitra. Tsy azo ivalozana ny fandikana azy. Nofehezin’ny mpitondra ny fiantraikan’ny fivavahana tamin’ny fiainana andavanandro sy ny fiainana iombonana. Ny ara-panahy sisa no anjaran’ny Fiangonana sy ny fivavahana. Ary io aza dia nametrahana fehy sy fandrarana, toy ny tsy ahafahany miresaka fanakianana ny “homosexualité”, ohatra.

NITOTONGANA

Ny Protestanta frantsay (reforme sy loterana) dia very olona 1% isan-taona, ary izany dia nandritra ny taona marobe.

Ny Protestanta alemà dia zara raha miisa 1 tapitrisa sisa ankehitriny. Filamatra alemà ny tsy fisian’ny fironana ara-pivavahana.

Ny Protestanta soisa ihany dia mihena 1% isan-taona toy ny any Frantsa koa. Noho ny krizy ekonomika nolalovany, dia nampiakatra ny fandoavan-ketra ny fanjakana. Andosiran’ny olona ny Fiangonana, tsy handoavany “hetra ara-pivavahana” arotsany any am-piangonana.

Marihina fa, tsy mifankaiza amin’ireo diavin’ny Protestanta ireo ny mahazo koa ny fiangonana hafa toy ny Katolika.

MANOVA NY TANTARA

Efa nikisaka tanteraka ny asa misiona ankehitriny. Isika Fiangonana  avy aty Afrika sy Azia no lasa Fiangonana mpaniraka misionera izao. Ary anisan’ireny ny FJKM, Fiangonana manova ny tantara amin’ny alalan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Niainga tamin’ny Fiangonana ivondronan’ny mpila ravin’ahitra ao amin’ny firenena iray sy faritra iray izany.

  • Niitatra tamin’ny fananganana Fiangonana hafa any amin’ny toerana hafa
  • Efa misaina ny hitory amin’ny tompon-tany koa izy ireo: tsy Malagasy, tsy Kristiana,…

Taratra avy amin’ny zava-misy ataon’ny FJKM any Eropa sy  any amin’ny toerana hafa, fa Fiangonana misionera izy. Mitady Fiangonana ny Malagasy monina any, miditra ho Vondrona Olona Mpiara-Mivavaka (VOMM). Ary mihevitra hahazo ny tompon-tany koa ny Filazantsara toriany

P. A. Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV