Sekoly FJKM/ EBMI

Foibe Fitondran-Tsekoly FJKM

Nanolotra mari-pankasitrana ireo Sekoly sy Mpampianatra ao amin’ny sehatra asa EBMI

Ankoatra ny fanabeazana ara-panahy izay mampiavaka ny Sekoly FJKM amin’ny maha- sekolim-pinoana azy dia tsy mitsahatra manatsara ny kalitaon’ny fampianarana ihany koa izy ireo. Misy araka izany ny antsoina hoe:

EBMI ( Evidence-Based Methods of Instruction )

Fomba fampianarana mifototra amin’ny zava-misy.

Ny EBMI dia fandaharana asa iray natao ampakarana lenta ny fahaizan’ny mpianatra ao anatin’ny Sekoly FJKM. Tanjona ny hananana ankizy mianatra tena mahay fa tsy ho ankizy mianatra fe mianatra. Ny ankizy mianatra amin’ny ambaratonga fototra toy ny T1, T2, T3, T4,  no sehatra tena hiasana. Araka ny fanazavan’ny Tomponandraikitra mantsy dia any amin’ny fototra mihitsy dia efa tokony ho tsara ny fampianarana. 

Nanomboka tamin’ny taona 2014 ny fandaharana asa ary mandraka ankehitriny. Maharitra telo volana izy io amin’ny sekoly iray ary mifindra hatrany rehefa tapitra ny fotoana. Tsy misy ny fampiofanana lehibe, fa misy ireo mpitantsoroka manome fampianarana eny amin’ny toeram-pianarana avy hatrany ary manao fanaraha-maso ny fampiharana ny fandaharana asa. Misy isa omena mandritra izany ka manomboka amin’ny salanisa 16 amin’ny 20 no hanaraha-maso ny mpisehatra. Nisy araka izany ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo sekoly sy mpampianatra  nampihatra ity fomba fampianarana mifototra amin’ny zava-misy ity ny Zoma 09 Septambra 2022 lasa teo. Fotoana izay notarihin’ny Rtoa Vololoniaina RASOAVELONIRINA, Mpandrindra nasionaly ny fandaharana asa EBMI tao amin’ny Foibe FJKM Analakely varavarana 201, notronin-dRtoa RAKOTONDRANAIVO Domoina, Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly FJKM, sy Atoa RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina, Sekretera Jeneralin’ny FJKM. Ireo Mpampianatra miisa 28 no nahazo mari-pankasitrahana amin’ny salan’isa 18 amin’ny 20.  Vina amin’ny fandaharana asa ny hanana ankizy tena mahay ary manana fahalalana afaka hampandroso ny firenena hialana amin’ny fahantrana .

Ryja Kely

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV