Talata 20 Septambra 2022

APOKALYPSY 14.12-16

Ny mpanompo mikely aina amin’ny fanarahana ny Tompo

1-Dia manana fanantenana na dia misedra fahafatesana aza

Fampanantenana natao ho an’ireo kristiana voaenjika indrindra izao voalaza izao (and13). Nihatra tamana aina mihitsy mantsy ny fanenjehana nataon’ny Amperora Romana ,indrindra fa tamin’ireo Apostoly . Toky ho azy ireo ny mahafantatra fa sambatra ny maty ao amin’ny Tompo .Koa raha te-ho faty ao amin’ny Tompo isika rahatrizay dia tsy maintsy velona ao Aminy aloha , satria izay velona ao Aminy ihany no ho faty ao Aminy ihany koa rahatrizay ka ho sambatra .Tsy hoe : mbola hanohy ny asa izay natao tety an-tany akory ny olona rehefa maty fa ny asany manaraka azy .Fa ny tiana ambara aorian’ny fahafatesana dia izay vita tety an-tany ihany no manaraka anao ka hitsarana anao any an-danitra .

2-Dia manana fanantenana fa hisy farany avokoa izay rehetra atao ety an-tany (and14)

Hitantsika eto fa amin’ny maha-boky Apokalyptika voasoratra tao antin’ny fanenjehana azy dia mampiasa sariteny ny mpanoratra mba ho fampitan-kafatra : rahona fotsy , zanak’olona , izay toa entiny manondro an’i Jesoa , fijinjana maharitra , izay entina manondro ny fitsarana farany dia ny fitsaran’i Kristy .Araka izany ,ireto andininy ireto (and 14-16) dia maneho ny fiafaran’izao tontolo izao , ka hiseho ny ftsarana farany na dia manjakazaka manampatra ny fahefany amin’ny mino aza ny Amperora Romana .Hisy farany izany , satria efa ho avy ny fijinjana (fitsarana farany ) .

Fanontaniana :

Ny olona maty rehetra ve dia azo ambara fa hoe : maty ao amin’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2023

Desambra: Ankalazao ny Mpamonjy

| | 03. Advento I
1 Tan. 16:4-14 / Jao. 17:1-5 / Asa. 3:44-48

| | 10. Advento II - Sampana Sekoly Alahady
Sal. 8:1-9 / Mat. 21:15-17 / Heb. 2:10-18

| | 17. Advento III
2 Sam. 22:47-51 / Mat. 5:13-16 / Rom. 15:7-12

| | 24. Advento IV
Sal. 113:1-9 / Lio. 1:46-56 / Rom. 11:33-36