Sampati/Fitraofambe 22

Hisantatra ny Fitraofam-be ny volana Aogositra 2022

Hetsi-panabeazana ho fampandrosoana ny fiangonana sy ny firenena no imasoan’ny SAMPATI ary koa mampanjaka ny fandriampahalemana amin’ny toerana sy sehatra misy azy. Miezaka hatrany araka izany ny SAMPATI mikaroka izay anatsarana sy ampivoarana ny fanabeazana imasoany. Araka ny fanapahan-kevitry ny komity foibe notanterahina tao amin’ny Tabita Ampandrana Antananarivo ny 13-14 Janoary 2022 lasa teo, dia hanatanteraka FITRAOFAM-BE any Mahajanga ny SAMPATI FJKM ny 12 hatramin’ny 14 Aogositra 2022 ho avy izao.

Hafa mihitsy ny FITRAOFAM-BE raha oharina amin’ny antsoina hoe Fihaonam-be. Famoriana amin’ny toerana iray ireo mpikambana olon-dehibe eo amin’ny SAMPATI FJKM toy ny: Mpiandraikitra, Tonia( fitandremana sy SP), Filoha Mpanazava sy Tily zanaky ny FJKM, Ekipa Foibe Mpanazava sy Tily, Komity Lehibe MTEM, Mpampiofana( TPTEM sy VM), FMT2S, Komitim-pivondronana, raiamandrenin’ny mpikambana ireo, Ireo mpitandrina sy Prezida Synodaly, nandalo fanabeazana skoto. Antsoina araka izany ihany koa ireo rehetra nandalo fanabeazana skoto na dia iray andro ihany ary( Skoto indray andro, skoto mandrakizay). Efa hatramin’ny ela no naniriana ny hanatanteraka ity hetsika ity ary amin’io andro io ihany koa no hananganana ireo izay komity Faha-30 Taona SAMPATI hotanterahana amin’io taona ho avy io.

Ryja Kely              

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV