Fametrahana PS/ SP 04,33

SP Ambalavao Tsienimparihy sy SPToliara Fihavaozana

1-Synodamparitany AMBALAVAO TSIENIMPARIHY ( SP 04)

Tontosa ny Alahady 24 Jolay 2022, tany amin’ny FJKM KELISATRANA AMBALAVAO ny fanompoam-pivavahana fametrahana  ny Prezida Synodaly Ny Onja RAKOTONIAINA, Mpitandrina mivady hiasa  ao amin’ny Synodamparitany AMBALAVAO TSIENIMPARIHY ( SP 04).
Ny mpitandrina RAKOTONINDRAINY Jaona,  Sekretera Jeneralin’ny FJKM, ny Mpitandrina RAJAONARIVELO Zakatiana, Mpanampy Sekretera Jeneraly Foibe FJKM,  ary ireo Biraon’ny Synodamparitany no niara – nanatontosa izany fotoana izany tany an-toerana. Tamin’ izany koa no nankasitrahana sy nanaovam-beloma ny Prezida Synodaly teo aloha, ny Mpitandrina RAKOTONDRAMIARINA Gilbert, izay voatendry ho Mpampianatra matihanina ao amin’ny Faculté de Théologie.

2-Synodamparitany TOLIARA FIHAVAOZANA (SP 33)
Notanterahina ny Alahady 10 Jolay 2022 teo tany amin’ny FJKM RANOHIRA ny fanompoam-pivavahana nametrahana an’ Atoa RANADIMBY Fanantenana Lovasoa, Mpitandrina, Prezida synodaly vaovaon’ny S P 33 Toliara Fihavaozana,

Atoa RANDRIANARISON Jean Évariste, Mpitandrina, izay Prezida Synodaly teo aloha kosa dia hitondra indray ny Synodamparitany  Arivonimamo vaovao.
Ny Filohan’ny FJKM  IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, no nanatanteraka izao fametrahana ny Prezida Synodaly vaovao izao.  Izy ihany koa araka izany no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, ka ny I Timoty 4:12 no tenin’Andriamanitra notoriny.  Tamin’ny maha Alahadin’ ny STK manerana ny sahan’ny FJKM io andro io dia niantefa misimisy kokoa tamin’ny tanora ny hafatra nentiny:
1-Fianarana ho an’ny mino aho.
2-Fianarana ho an’ny mino ianao.
3-Fianarana ho an’ny mino isika. amin’ny fiteny, amin’ny fitondran-tena, Fitiavana, finoana, ary amin’ny fahadiovana.
Marihina fa niantomboka   ny Alakamisy  7 Jolay 2022 maraina ny  fanokafana ny isan-kerintaonan’ny Synodamparitany  Toliara fihavaozana, SP. 33. Ny tao amin’ny Firahalahian’ny mpitandrina no nandrindra ny fotoana rehetra, ka nitondra ny hafatra tamin’ izany  ny Mpitandrina avy ao Milenaky Tsianisia araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Mpitandrina VAHATRINIAINA ao amin’ny FJKM Ankazoabo.

Nanangona: Veronica A

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV