Alahadin’ny KFTM 2022
KOMITY FANORENANA NY TSANGAMBATON’NY MARITIORA FJKM / KFTM
TANO MAFY NY FINOANA
ALAHADIN’NY MARITIORA
“Ianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiako…”
(Isa.43/ 10a)
Alahady 14 Aogositra 2022
……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………….
FANDAHARANA IOMBONANA
ZAVA-MANENO
FIARAHABANA APOSTOLIKA Apo 1:4-5
FIDERANA SY FISAORANA NY TOMPO:
Sal. 40:1-5
HIRA 16: 1-2-3
VAVAKA :Fisaorana sy fiderana ary fifonana
HIRA 212:1
5mn hoan’ny ankizy sy ny tanora
HIRA 357 : 1-2
VAVAKA SY SORATRA MASINA
I Mpa18 : 21 – 39
Lio 12 : 22 – 31
IPet 4 : 12 – 19
HIRA 210: 1 –
TORITENY
ZAVA-MANENO NA HIRA ANTOKO MPIHIRA
VAVAKA FANGATAHANA
FENEKEM-PINOANA APOSTOLIKA
ASA VAVOLOMBELONA
FILAZANA NY RAHARAHAM-PIANGONANA
FAMAKIANA NY TARATASY AVY AMIN’NY KFTM FOIBE
HIRA : 307 na ANTOKO MPIHIRA
RAKITRA
FANOLORANA HIRA: 109 : 4
HIRA 427 : 1-2
TSO-DRANO Heb 13: 20-21
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra !
Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena
…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..
HAFATRA KFTM FOIBE
“Ianareo no vavolombeloko hoy Jehovah,sady mpanompoko izay efa nofidiko”
Isaia 43:10
Ry Havana,
Ampitomboina aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana aman-piadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompotsika.
Ny fotoan-tsarotra nolalovan’ny firenena sy ny Fiangonana no tsaroana ho zezika manamarina fa ny asa ijoroana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra no hazoana fifaliam-panahy lehibe indrindra,ka hampaherezana antsika hoe: TANO MAFY NY FINOANA, fa mila ny toa anao ny Fiangonana, izany indrindra no itodian’ny Komity Fanorenana ny Tsangambaton’ny Maritiora amintsika, misy tantara tsy azo adinoina dia ny faha 185 taona namonoana ny Maritiora Malagasy voalohany,ity taona 2022 ity no anamarihana izany, efa nisy ny asa vita, fa mbola miandry ny FAMINTANA NY KIANJA FANATANJAHATENA eny amin’ny TPM Ivato isika,averina foana fa ho fananan’ny FJKM izany, ary heverina ho loharanombola maharitra rehefa vitasoa aman-tsara.
– Mpitarika fotsiny ny Komity,fa isika mpianakavin’ny finoana FJKM no tena tompondraharaha sy tokony hanolo-tanana amin’ny famitana izany.
– Tsangambato asa vavolombelona io,fa ny Maritiora rehefa nahazo ny filazantsara tao anaty ady dia NITANA MAFY NY FINOANA fa isika ahoana? Amin’izao fotoan’andro izao?.Aza atao sakana ho amin’ny asa iombonana ny endrin-pahasarotana mifanena amintsika fa Jesoa Kristy Tompon’ny Finoana anie hitana antsika amin’ny tanan-kavanan’ny fahamarinany ka hanohanantsika ny ASA IOMBONANA toy izao.
– Ankoatr’io kianja io, dia ezaka ary vina ho tratrarina ny hanao izay hipetrahan’ny tantaran’ny Maritiora noho ny Filazantsara teo aminy,antsika indray izao no manamarina fa VONTON’NY FILAZANTSARA I MADAGASIKARA ka io FILAZANTSARA io no hanova ny TANTARA hampisy MARITIORA (vavolombelona)tsy hihemotra amin’izay asam-pinoana hisy azy.
– TANO MAFY ary ny FINOANA ka andao isika hanohana ny KOMITY FANORENANA NY TSAMBATON’NY MARITIORA sy ny asa atao.
– Ny Alahady faharoa toy izao no hanoloran’ny Fiangonana ny rakitra ho an’ny Komity,izay azo aterina ao amin’ny FOIBE FJKM varavarana 503 rihana faha 5,na ny Kaonty BFV:00008 00005 21000347795 25.
– Misaotra an’Andriamanitra ny amin’ireo Fiangonana tsy manadino ny rakitra KFTM tamin’ny taona 2020-2021 na dia teo aza ny zava-misy, na ny tsy nahefa aza inoana fa ny Fanahy Masina ,hanafy hery ahefantsika izany am-pitiavana
– Ry Havana ,mbola ilaina hamafisina ve fa samy te-haneho finoana amin’ny hazakazaka finoana amin’ny finoana isika: tano mafy ny finoana: “Koa mahereza sy matanjaha ,aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao”Josoa1:9b.
Voninahitra ho an’Andriamanitra Irery ihany.
RAKITRA KFTM FOIBE FJKM TAONA 2021
FITANDREMANA | RAKITRA/2021 |
Andranosoa Jerosalema | 30.200 |
Ampangambe Famonjena | 48.100 |
Fiadanana Maritiora | 115 600 |
Ambohijanaka Fitiavana | 180.700 |
Betafo Vavolombelona | 127.400 |
Fiaferana Vavahady Finoana | 7.600 |
Mr Ramaroson FJKMAmbatomaro Fehizoro | 10.000 |
AvaratsenaFanantenana | 46.100 |
Ambalavao Isotry | 239.000 |
MandrosoaAmbohidavenona | 30.200 |
Ambohimena Fahasoavana | 12.900 |
Mahitsy Fehizoro | 5.000 |
Andravoahangy Fivavahana chqBOAn°09826752 | 1.321.000 |
AmbatorokaFinoana | 75.200 |
Mandrarahody | 10.000 |
Ambohimiandra | 129.400 |
Rasalama Manjakaray | 60.000 |
Malaza Gileada | 360.100 |
Sanganoro Fahazavana | 20.000 |
Manarintsoa Finoana (Raki-pisaorana) | 20.000 |
Manarintsoa Finoana rakitra 2021 | 129.800 |
Manjakatompo | 7.700 |
Ziona Famonjena | 213 200 |
Ifarihy Famonjena | 30.000 |
Ambohijafy Fanantenana | 40.000 |
AmbohibaoAvaratra | 14.700 |
Tranovato Anjanahary Maritiora | 120.000 |
Betela Vaovao Maintirano | 84.400 |
Tranovato Ambatonakanga | 100.000 |
Nanandrana Firaisana | 5.000 |
IAKARINAFinoana | 1000 |
Tranovato Faravohitra chq BMOI n°69343947 | 681.850 |
Isoavimasoandro Fihavaozana | 100.000 |
Vohidiala Finoana | 10.000 |