SP Ambatondrazaka vaovao (05)

AKOM-BAOVAO FIVORIAMBE VOALOHANY

« fianarana amin’ny asa tsara » Tit 2.7a

Notanterahina tao amin’ny FJKM AMBOHIMIANGALY ZOARA tamin’ny sabotsy 11 Jona sy Alahady 12 Jona 2022 teo ny Fivoriambe voalohany an’ny SPAV5. Tonga nanotrona izany ny Foibe FJKM izay naniraka ny Mpitandrina RAKOTONINDRAINY Jaona, Sekretera Jeneraly ho solotenany. Fiaraha-mandinika Soratra Masina sy fampiofanana samihafa no natao ny tontolo andron’ny Sabotsy. Ny solotenan’ny SPAV5 izay nahavita ny fiofanana niaraka tamin’ny MFEE no namelabelatra ny amin’ny fanatanterahantsika FJKM ny tetikasa « Tontolo maitso, Fiangonana maitso, Sekoly maitso ». Nandray anjara tamin’ ny fampiofanana ny Prezida Synodaly RABENANTOANINA Solofonindrina avy amin’ny SPAIM ka novelabelariny tamin’izany ny lohahevitra hoe « Ny adidy iombonana eo anivon’ny FJKM ». Ny tolakandron’ny Sabotsy tamin’ny 4 ora, no nitondran’Andriamatoa Sekretera Jeneraly ny fampiofanana mahakasika ny « Hazakazaka masina » hataontsika FJKM. Notohizana tamin’ny Alim-piderana ny fotoana ny Sabotsy.

Filaharambe mamakivaky ny tanànan’Ambatondrazaka no nanokafana ny fotoana ny Alahady izay famaranana ny fivoriambe. Niainga teo amin’ny La Place Commune Urbaine Ambatondrazaka ny filaharana ary nifarana tao amin’ny FJKM Ambohimiangaly.

Nitarika ny fanompoam-pivavahana famaranana ny Prezida Synodaly RASOLONIRINA Robert ary ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM kosa, no nitondra ny hafatr’Andriamanitra izay nalaina tao amin’ny 2 Tan 20.6 manao hoe : « Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin’ny fanjakan’ny jentilisa rehetra, ary eo an-tànanao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao ». Ny Mpitandrina tao amin’ny faritra Ambatondrazaka no nifarimbona tamin’ny fanatanterahana ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.

Niara-dia tamin’Andriamatoa Sekretera Jeneraly ny iraky ny SAF Foibe izay namita iraka manokana taty Ambatondrazaka. Nitarika azy ireo ny Sekretera Jeneraly teo aloha Andriamatoa MARINASY Mpitandrina, mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitondrana sy Andriamatoa RAHAJARY Tsialoninarivo Rabesandratana ,Tale nasionaly.

Nampita ny vaovao :

Prezida Synodaly SPAV5

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM