Perikopa/Jolay 2022

Iorenana amin’ny finoana ny fanompoana

Ny perikopa voalahatra amin’ny alahady roa farany amin’ity volana jolay 2022 ity no anolorana tari-dàlana etoana ka ivoizana ny lohahevitra hoe: “Iorenana amin’ny finoana ny fanompoana”. Saingy ny testamenta taloha sy ny Epistily no notsongaina amin’izany.


Jona 1, 1- 16: Andriamanitra maniraka ny mpanompony hanambara ny faharatsiany ny Tompo. Eo anoloan’izany dia miahotra ny maro. Azo faritana ve ny fototry ny fihemorana, izay tsy voalaza eto? Tahotra ny hilaza ny marina ve sa ny filana sitraka amin’ny hafa? Ny hany miseho eto dia ny loza manjo ny mpandositra iraka. Iako amin’ny hafa ny famaizana azy. Saingy ny zava-dehibe eto dia ilay sarim-pamonjen’i Jesoa Kristy ho famonjena antsika izay taratra ao amin’i Jona, izay nino fa izy no antom-pisian’ny loza. Nanolotena izy ho faty (“Betao aho”) na dia azony natao aza ny nitsambikina any anaty ranomasina. Nidina teto an-tany Jesoa mba hatolotry ny mpanota ho faty teo amin’ny hazo fijaliana. Fanompoana lehibe ny manaiky hamonjy ny hafa.

Eksodosy 4, 10- 17: Ny toetoetry ny olona amin’ny maha olona azy indraindray no sakana tsy anatanterahany ny,fanompoana. Ny olana teo amin’ny fitenenana ohatra no an’i Mosesy. Eo anoloan’izany,Andriamanitra dia manefy ny olona handray ny hafa ho mpiara-manompo mba hahatanterahan’ny famonjena ho an’ny hafa. I Mosesy dia niara-niasa tamin’i Arona. Io fiaraha-manompo amin’ny hafa io dia endrika isehoan’ny fiombonam-panompoan’Andriamanitra izay miseho amin’ny endriky ny Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina.


Jakoba 2, 21- 26: Mampiavaka ny Epistilin’i Jakoba ny finoana arahin’asa. Ohatra roa lehibe no voalaza eto dia ny an’i Abrahama sy i Rahaba janga. Amin’izany, ny finoana dia fiainana enti-mankato an’Andriamanitra, toy ny nasehon’iAbrahama no fiainana enti-manasoa ny hafa eo amin’ny fiaraha-monina andavanandro toy ny niainan’i Rahaba janga azy.

1 Timoty 3, 1- 7 : Raha ny firafitry ny taratasin’i Paoly ho an’i Timoty no andraisana ity perikopa ity dia manefy antsika hiaina ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ao anaty, izay tsy hafa fa fiainana ny fitarihan’ny Fanahy Masina (1Tim. 1, 6- 18) mba hahazoana mitoetra amin’ny fanompoana tsara na dia misy zava-maha- ory (1 Tim. 2, 1- 13) sy fampianarana manodoka, izay mitaona hiala amin’ny fampianaran’ny Soratra Masina (1 Tim. 2, 14- 26). Ny tsy fijoroana amin’ireo dia miteraka fihemorana manohitra ny maha mpanompon’Andriamanitra ny Fiangonana izany ka santionan’izay ampahafantarin’i Paoly ny zanany eto izany.


Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitndrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV