Sabotsy 07 Mey 2022

1 TIMOTY 3.14-16

Ny fiangonana andry sy fiorenan’ny fahamarinana

1-Manana mpitarika mahatsiaro ny andraikiny (and14)

Ny Epistily ho an’i Timoty dia anisan’ ireo antsoina hoe : Epistily Pastoraly, taratasy mifono hafatra ho an’ny olona misahana ny fitondram-piangonana. Napetrak’iPaoly hitantana ny Fiangonana tao Efesosy mantsy i Timoty. Mahatsiaro ho manana adidy ny mpanoratra ny Epistily ka manolotra fampianarana mikasika ny rafim-pandaminana hitantanana ireo tomponandraikitra eo anivon’ny fiangonana (and1-13). Asehony ny faniriany hankany Efesosy , saingy mbola tsy tanteraka izany .Hitantsika amin’ity hafatra ity fa ny olona mahatsiaro ho tomponandraikitra amin’ny asan’ny fiangonana dia tsy tafandry mandry raha tsy mipetrapetraka araka ny tokony ho izy ny fandaminana rehetra hitantanana ny ankohonan’Andriamanitra dia ny fiangonana izany , ka nataony izay fomba rehetra hahazoan’i Timoty fahalalana mahakasika izany na dia tsy mbola tonga tany aza izy .

2-Mitahiry ny zava-miafin’ny finoana (and15,16)

Ny zava-miafina momba ny fivavahana izay ambaran’ny Apostoly eto dia ny fahamarinan’Andriamanitra izay tsy azon’izao tontolo izao raisina raha tsy Andriamanitra no manambara izany , kanefa dia fototra ijoroan’ny fiangonana .Raha lazaina amin’ny fomba hafa izany dia izao : ny fahatongavan’i Jesoa Kristy ho nofo no fahatanterahan’ny famonjena . Jesoa Kristy no Ilay nahatanteraka antsakany sy andavany ny iraka nampanaovin’ny Ray Azy ,nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy Masina Izy ary notorina nanerana ny firenena rehetra ny Anarany ka ninoana eran’izao tontolo izao . Rehefa vitany ny asa nanirahan’ny Ray Azy dia nakarina tam-bonnahitra ho any an-danitra Izy.

Fanontaniana :

Lazao izay fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra efa noraisinao .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV