Alahadin’ny SLK 2022

HAFATRA HO AN’NY

 SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA

“Miorena tsara aza miova, … ry lehilahy mahery”(I Kor. 15, 58; Mpits. 6, 12b)

Alahady 08 Mey 2022

Ho aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’ilay Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva isika noho ny fitantanany ny fiainantsika ka ahatrarantsika indray izao Alahady fitrotroana ambavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana manerana ny sahan’ny FJKM, ary misaotra an’Andriamanitra ihany koa isika noho ity taona ity izay hankalazaintsika an’Andriamanitra noho ny faha 40 taonan’ny SLK FJKM. Fa hoy ny Soratra Masina “Aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; aoka ho feno fisaorana ianareo.” Kol. 3, 15

Isaorantsika an’Andriamanitra ry rahalahy malala ao amin’ny Tompo fa vita soamantsara ny fitokanana ny Ivotoeran’ny SLK Foibe any Mahavelona Foulpointe ny talata faha 14 Desambra 2021 lasa teo sady nitondrantsika SLK izay vitantsika ny amin’ny fampitaovana ny Ivotoerana. Nandritra izany fotoana izany koa no nanantanterahana ny Komity Foibe izay nankatoavana ny tetikasa sy tetiandron’ny SLK foibe amin’ity taona 2022 ity.

Araka izany ry rahalahy malala dia ao anatin’izao fotoam-pankalazana an’Andriamanitra izao dia misy ireo ezaka izay tanterahintsika ho tsangambaton’izany fankalazana izany dia

  • Famoahana Boky ho fitaizana ny Lehilahy Kristiana,
  • Fananganana ny Zatovolahy Kristiana isam-pitandremana,
  • Fampitaovana tanteraka ny ivotoerana SLK any Foulpointe
  • Fanatsarana ny Birao fiasan’ny SLK sy ny Atelier Fanaovana mofo-pandraisana ao amin’ny Foibe FJKM
  • FividiananaFiara tsy matahodalana (4X4) ho entina miasa.

Koa entanina isika rehetra samy hanao ezaka ho amin’izany tsangambato izany ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany. Fa hoy ny Soratra Masina “Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo no onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra.II Kor. 9, 8

 “Manavao ny Fanahy Masina”. Izany raha teo no lohahevitra amin’ity volana May ity. Ny Fanahy Masina no manavao antsika ka mitondra ho any amin’ny fihavaozana eo amin’ny fomba fanao, fiteny, fihetsika ary koahery manosika antsika handrotsaka ny rakitra sy hanefa adidy aty amin’ny SLK Foibe ary hahatsiaro mandrakariva fa isika “na dia maro aza dia tena iray ihany ao amin’i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra” Rom. 12, 5

Farany, raha sitrapon’ny Tompo dia hatao any Taolagnaro/Fort Dauphin SP 07 Ambovombe Atsimo Kristy Ranovelona,ny 26-28 Aogositra 2022ny Fihaonambe ny Sampana Lehilahy Kristiana. Hisy tafika Masina hataontsika amin’ny lalam-pirenena faha-7 sy ny lalam-pirenena faha 13 mandritra ny dia ho any amin’ny fihaonambe.

Koa dia manantena ny fitrotrona am-bavaka ny asa rehetra izay sahan’ny Foibe F.J.K.M. sy ny Sampana Lehilahy Kristiana Foibe amin’ity 2022 ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

Manao veloma amin’ny Anaran’ny Tompo Jesoa.

Ny Filoha                                                                  Ny Tonia

RAKOTOHERISOA Benjamin Désiré                    RAMIANDRANIRINA Nahitantsoa Avotra,Mpitandrina

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

Fandaharana iombonana

Alahady 08 Mey 2022

Manavao ny Fanahy Masina

HIRA :Mijoro ny lehilahy

  1. Fiarahabana Apostolika
  2. Fisaorana sy fiderana
  3. Sal. 108, 1-6
  4. Hira 3511, 3
  5. Vavaka fiderana
  6. Fanambarana sy Sitrapon’Andriamanitra
  7. Rom. 8, 5-7 “Sambatra ny mahitsy lalana …”
  8. Hira 6431,2
  9. Fiaiken-keloka
  10. 3831, 3
  11. Famelan-keloka atolotr’Andriamanitra
  12. Jer. 31, 3; Zak. 3, 4; II Kor. 5, 21 “Sambatra ny olona izay voavela ny helony…”
  13. Hira 4871, 5
  14. Fanambarana ny finoan’ny Fiangonana
  15. Fanekem-pinoana laharana faha II
  16. Asan’ny Fiangonana
  17. Raharaham-piangonana
  18. Rakitra
  19. Fanolorana ny  Hira 44
  20. Tenin’Andriamanitra
  21. Fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora
  22. Hira 2131,2
  23. Vavaka
  24. Famakiana Soratra Masina
    1. Deo. 34, 5-12
    1. Jao. 7, 37-44
    1. Asa 19, 1-7
  25. Hira 1641
  26. Toriteny
  27. Feon-javamaneno
  28. Vavaka fangatahana
  29. Asa vavolombelona
  30. Famaranana
  31. Hira 7011, 2
  32. Tso-drano II Kor. 13, 14
  33. Vavaka mangina

« Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen. »

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………….

Toriteny

Alahady 08 May 2022

Teny re matetika ny hoe mihavao sy fihavaozana, ary amin’ny maha fiangonana protestanta antsika dia mivoy ilay fotokevitra hoe ny fiangonana nohavaozina dia mihavao mandrakariva. Izany fihavaozana izany anefa dia mifanohitra amin’ny lalan’ny natiora satria ny zavatra iray dia amin’ny voalohany ihany no vaovao fa mihatonta tsikelikely izany ao aoriana. Inona ary no antoka hahatonga antsika hihavao araka ny lohahevitra izay banjinintsika dia ny hoe manavao ny Fanahy Masina. Koa amin’izao alahadin’ny SLK izao dia andeha ny Jao. 7, 37-44 no hakantsika ny hafatra ka I « Jesoa ilay Mpanavao » dia

  • Mitaona ny olona hanatona Azy
  • Mitaona ny olona hino Azy
  1. Dia mitaona ny olona hanatona Azy (and 37)

« Raha misy olona Mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. » Jao. 7, 37 anisan’ny miantoka ny fiainan’ny zanak’olombelona ny rano ary rehefa tsy misy ny rano dia mijaly ny olona, misy mihintsy aza ny fitenenana hoe « aina ny rano ». Jesoa eto dia mandray ohatra ny amin’ny rano mba anehoany fa isan’ny filana fototra eo amin’ny fiainan’ny olombelona izany. Ary tsy afa-misaraka amin’ny olombelona mihintsy. Fa izay tian’i Jesoa hambara kosa dia ny amin’ny filana ara-panahy eo amin’ny olona ka hanatonana an’i Jesoa Kristy mba hanomezany ny Fanahy Masina dia ilay filana fototra amin’ny fanarahan-dia an’i Jesoa. Azo ambara mantsy fa eo anatrehan’ny hafanana mahamay sy ny tany karakaina dia mampijaly ny olona ny hetaheta ary mahafaty azy amin’ny fijaliana mafy. Hita taratra izany fijaliana izany teo amin’ireo Zanak’Israely izay nimonomonona tamin’ny Mosesy noho ny Tsy fisiandrano Tany an’efitra. Nila ady tamin’ny Mosesy mihintsy ny olona Eks. 17. Izany no manambara fa tena ilaina ny rano. Eto anefa Jesoa dia miantso ny olona hanatona azy dia izay mangetaheta ara-panahy. Taominy ny olona hanatona Azy satria ao Aminy no misy ilay rano velona tsy maty avy ao anaty. Hoy mantsy Jesoa : « aoka izy hanatona ahy ka hisotro. » Vahaolana maharitra sy mitoetra no atolotr’i Jesoa eto ho an’izay manatona Azy.

Eo anatrehan’ny olana maro samihafa izay miseho eo amintsika indrindra isika lehilahy Kristiana, indraindray toa mahavery fanahy mbola velona, mety hitondra any amin’ny fahadisoam-panantenana lalina. Ity tranga hitantsika eto amin’ity Jao. 7, 37-44 dia maneho fa olana goavana sy sarobahana ny tsy fisiandrano raha ny fiainana no jerena kanefa dia Jesoa Kristy no vahaolana feno ho antsika. Vahaolana tsy mba mandalo na miserana no atolony fa vahaolana maharitra sy mitoetra toy izay hitantsika eto. Ary tsy kobaka ambava na vonjy tavan’andro fa tena avy amin’Andriamanitra ka omeny ho an’izay rehetra manatona azy amin’ny fotoana rehetra hoy mantsy Jesoa : « Izay rehetra omen’ny raiko ahy no hanatona ahy ; ary izay manatona ahydia tsy mba ho laviko mihintsy » Jao.6, 37

  1. Mitaona ny olona hino azy (and. 38)

Ny finoana an’i Jesoa no zava-dehibe asehon’ireo sary roa teo aloha dia ny “manatona Azy sy misotro”. Ny fidirana, amin’ny alalan’ny finoana velona ao amin’ny fo, ao amin’ny fiombonana akaiky amin’i Jesoa, no hany fomba hampiharana ny haren’ny fahasoavana sy ny fiainana ary ny fitiavana izay loharano nipoiran’izany. Eto dia asehon’i Jesoa amin’ny fomba hafa ny soa azon’izay mino azy « hisy onin’ny ranovelona hiboiboika avy ao ankibony »  Izany hoe, ny Fanahy Masina izay horaisin’ny mino dia ny Fanahin’ny fahazavana sy ny fiainana, dia ho ao anatiny sy ao am-pony, ary ho hita taratra ety ivelany, izany no sary asehon’ny ony izay mamoaka ny loharano ao anatiny ka manondraka sy mamelona ny hafa noho ny habetsahan’ny rano avoakany ary tsy mety ritra. Tonga tafaray amin’i Kristy izy, ary tonga tahaka an’i Kristy koa eo anatrehan’ny hafa, ka vatolampy iposahan’ny ranovelona tahaka izay hita ao amin’ny Eksodosy 17.6; Nomery 20.11. Manamafy izany fotokevitra hazavain’i Jesoa izany ny hitantsika ao amin’ny Jao.4, 14 dia ny amin’izay mangetaheta famonjena andaniny eo koa anefa ny amin’ny fanomezan’i Jesoa ny ranovelona izay miboiboika ao anatiny dia ny fiainana mandrakizay.

Eo anatrehan’ny fielezan’ny karazam-pivavahana maro eto amintsika ankehitriny, eo koa ny fihenan-danjan’ny finoana dia miantso ny olona Jesoa mba tena hino sy hametraka ny fiainana ao Aminy. Mandrakariva dia saika ao anatin’ny olana sarobahana ny olona no mitady famonjena sy fampaherezana  tsarovy fa Jesoa no vahaolona tsara indrindra dia ny fandraisana azy amin’ny fo saina fanahy. Matetika maro ny olona no manaiky an’i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy ny fiainana fa saika eo ambava fotsiny fa tsy ao anatin’ny fo. Maro koa isika lehilahy no tsy mba mety mino an’i Jesoa fa mihevitra ny tenantsika ho matanjaka sy mahery ka tsy mila fanampiana avy amin’Andriamanitra. Tsarovy anefa fa ny fandraisana an’i Jesoa ho ivon’ny Fiainana dia mitondra antsika ho fahazavana sy fanasina eo anivon’izao tontolo izao andaniny ary ankilany kosa dia antoka iray lehibe ahazoana ny fiainana mandrakizay. Fa hoy ny Soratra Masina « Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara. »Mar. 1, 15

Fehiny

  • Manatona an’i Jesoa Kristy ilay hanome anao rano velona izay miboiboika ao anaty.
  • Minoa an’i Jesoa ilay miantoka ny fahavelomanao sy ny fahaveloman’ny hafa mba ho lehilahy mahery amin’ny finoana sy ny asa ka ho tena fahazavan’izao tontolo izao anie isika lehilahy Kristiana

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra

Tonia SLK Foibe FJKM

RAMIANDRANIRINA Nahitantsoa Avotra,Mpitandrina

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………….

RAKITRA SY ADIDY


SP AFOVOANY Andrefana (01)
 Adidy 202150000
1Rakitra 2021 Antambolo Fanasina10 000  
2Rakitra 2019 Kristy Fehizoro Ambohitrambo10 000  
3Rakitra 2020 Kristy Fehizoro Ambohitrambo10 000  
4Rakitra 2021 Kristy Fehizoro Ambohitrambo10 000  
5Rakitra 2021 Ankadivory Antongona11 000  
6Rakitra 2021 Mahabo Antongona13 500  
7Rakitra 2021 Antanimarina Fiderana15 300  
8Rakitra 2021 : Ambohitrimerina30 000  
SP Afovoany Atsinanana Vaovao (02)
 Adidy: 2020- 2021100 000  
SP Aloatra Chrome (03)
 Adidy 2020100000
1Rakitra 2021 Amboahangy Fitarikandro3 000  
2Rakitra 2021 Moria Antsakoana7 200  
3Rakitra 2021 Vavahady Famonjena Beanana19 200  
4Rakitra 2021 Zoara Ambohimandroso28 200  
5Rakitra 2021 Vohitsara Ranovelona30 000  
6Rakitra 2021 Ambohitrarivo Karmela35 500  
7Rakitra 2021 Ambohijanahary Alaotra37 300  
8Rakitra 2020 : Amparafaravola50 500  
9Rakitra 2021 : Amparafaravola60 300  
SP Ambalavao Tsienimparihy
 Adidy 202160 000  
SP Ambatondrazaka Vaovao (05)
1Rakitra 2021 Miarinarivo5 100  
2Rakitra 2021 Vohidiala Finoana10 000  
3Rakitra 2021 Ankasina Fahazavana11 000  
4Rakitra 2021 Andrebakely13 400  
5Rakitra 2022 Andilamena Fanavaozana15 000  
6Rakitra 2021 Morarano Fivavahana22 400  
7Rakitra 2021 Andromba Edena Vaovao23 700  
8Rakitra 2020 Ambofimiangaly Zoara30 000  
9Rakitra 2021 Ambohimiangaly Zoara40 000  
SP Amoron’i Mania Ambositra (06)
 Adidy 2020-2021200 000
1Rakitra 2021 Iakarina Finoana2 000  
2Rakitra 2021Ambondrona2 000  
3Rakitra 2021 Vohimarina2 000  
4Rakitra 2021 Ambatofeno Filadelfia4 000  
5Rakitra 2021 Maneva4 000  
6Rakitra 2021 Ambahombe4 100  
7Rakitra 2021 Nanadrana Firaisantsoa5 000  
8Rakitra 2021 Ambalafeno10 000  
9Rakitra 2021 Marosoa14 900  
10Rakitra 2021 Ambohipiaonana15 000  
11Rakitra 2021 Ilanitra16 200  
12Rakitra 2021 Betampo18 000  
13Rakitra 2021 Amongy Laza20 800  
14Rakitra 2021 Imerina22 000  
SP Ambovombe Atsimo Kristy Ranovelona (07)
 Adidy: 2020-2021100 000  
1Rakitra 2021 Betlehema Fahazavana Betroka41 500  
2Rakitra 2021 Salema Vaovao Fort Dauphin138 800  
SP Andrefana Atsimon’Ankaratra Miaradia (08)
 Adidy: 2020- 2021200 000  
1Rakitra 2021 Ziona Vaovao Betafo11 000  
2Rakitra 2021 Andranomanelatra13 700  
3Rakitra 2020 Ambohimena Fanantenana32 000  
4Rakitra 2021 Ambohimena Fanantenana40 000  
5Rakitra 2020-2021 Ambaniala Finoana100 000  
6Rakitra 2021 Antsirabe Filadelfia SP 08276 400  
 
SP Antananarivo Andrefana (10)
 Adidy: 2020-2021400 000  
1rakitra  2020 Namontana Fialofana 30 000  
2Rakitra 2021 Ambinintsoa Fitahiana Paragoay7 000  
3Rakitra 2020 Ambatolaona Fanasina Fahazavana10 000  
4Rakitra 2021 Ambatolaona Fanasina Fahazavana10 000  
5Rakitra 2020 Ikianja Ambohimanoa10 000  
6Rakitra 2021 Amabatomena Fitiavana Anosiala15 000  
7Rakitra 2021 Andavamamba Kristy Velona20 000  
8Rakitra 2021 Ambatolampy Fiaferana25 000  
9Rakitra 2021 Ambohimandroso Alfa sy Omega26 400  
10Rakitra 2021 Antsampanimahazo30 000  
11Rakitra 2021 Antsampandrano Fiderana30 000  
12Rakitra 2019 Mandrosoa Ambohidavenona30 000  
13Rakitra 2021 Betela Marobiby34 900  
14Rakitra 2021 Antanety Fitahiana35 000  
15Rakitra 2021 Ambohijafy Fanantenana40 100  
16Rakitra 2021 Betafo Fanavaozana50 000  
17Rakitra 2021 Ambaniala Malala50 000  
18Rakitra 2021 Imeritsiafindra Fiderana50 000  
19Rakitra 2021 Ambatolampy Fahazavana50 000  
20Rakitra 2020 Andohatanjona Fihavaozana50 000  
21Rakitra 2021 Andohatanjona Fihavaozana50 000  
22Rakitra 2020-2021 Aumonerie Anjanamasina Betesda52 800  
23Rakitra 2021 Filadelfia Andranoro56 700  
24Rakitra 2020-2021 Mandrosoa Ambohidavenona60 000  
25Rakitra 2020-2021 Namontana Fialofana60 000  
26Rakitra 2021 Ambavahaditokana F.K60 800  
27Rakitra 2021 Isoavimasoandro Fihavaozana63 100  
28RAKITRA 2021 ANOSISOA Fitiavana75 100  
29Rakitra 2020 Atsimon’IMahamasina100 000  
30Rakitra 2021 Anosipatrana100 000  
31Rakitra 2021 Atsimon’IMahamasina100 000  
32Rakitra 2021 Ambohijanaka Fivoarana101 900  
33Rakitra 2021 Ambatomena109 600  
34Rakitra 2021 Ziona Fahazavana Anosibe120 000  
35rakitra 2021: Ambalavao Isotry126 000  
36Rakitra 2021 Manarintsoa Finoana135 600  
37Rakitra 2021 Anosivavaka145 600  
38Rakitra 2021 Ambohinambo Fiderana148 000  
39Rakitra 2021 Soavimasoandro Fihavaozana150 800  
40Rakitra 2021 Ambohimanandray Filadelfia157 300  
41Rakitra 2021 Ivato Seranana Vavahadin’ny Lanitra172 000  
42Rakitra 2020-2021 Anosizato Hebrona200 000  
43Rakitra 2021 Andramahavola252 300  
44Rakitra 2021 : Amboniloha Jerosalema259 700  
SP Antananarivo Atsimo (11)
 Adidy: 2020-2021240 000  
1Rakitra 2019 Ambodizozoro Filadelfia5 000  
2Rakitra 2020 Ambodizozoro Filadelfia5 000  
3Rakitra 2021 Ambodizozoro Filadelfia5 000  
4Rakitra 2020 Antsahadinta Vaovao6 000  
5Rakitra 2021 Antsahadinta Vaovao6 000  
6Rakitra 2021 Ankadinandriana Fehizoro12 000  
7Rakitra 2021 Ziona Vaovao Imerinitsiatosika15 000  
8Rakitra 2020 Ambatomitsangana Haute Ville16 400  
9Rakitra 2021 Ambatomitsangana Haute Ville17 100  
10Rakitra 2021 Ambohijafy Firaisana20 000  
11Rakitra 2021 Ankadimbahoaka30 000  
12Rakitra 2020 Ambodiafontsy Martiora30 000  
13Rakitra 2021 Ambodiafontsy Martiora30 000  
14Rakitra 2021 Ambohimarina Faharetana30 300  
15Rakitra 2021 Tsaramanga Vaovao31 500  
16Rakitra 2021 Ambohimiadana Fanilo37 100  
17Rakitra 2021: Tanjombato Maritiora50 000  
18Rakitra 2021 Mahalavolona50 000  
19Rakitra 2021 : Mr Rabearilala60 000  
20Rakitra 2021 Ambodifiakarana Famonjena61 500  
21Rakitra 2020-2021 Ambohimiarina Jerosalema70 000  
22Rakitra 2020 Rasalama Martiora Ambohipotsy100 000  
23Rakitra 2021 Rasalama Martiora Ambohipotsy100 000  
24Rakitra 2021 Tangaina170 000  
25Rakitra 2020-2021 Soanierana250 000  
SP Antananarivo Atsinanana (12)
 Adidy 2021-2022400 000  
1Rakitra 2021 : Ankadivavala Fehizoro8 400  
2Rakitra 2021 Anosivato Kanana12 300  
3Rakitra 2021 Merikanjaka Fanantenana12 600  
4Rakitra 2021 Ambohipena Famonjena15 000  
5Rakitra 2021 Andratsay Fanavaozana18 400  
6Rakitra 2021 Ambonisoa Tanindrazana30 000  
7Rakitra 2021 Ambatomanga Fiderana31 000  
8Rakitra 2021 Ambavahadimitafo50 000  
9Rakitra 2021 Ankadindramamy60 000  
10Rakitra 2021 Ampomanjaka Fahasoavana69 700  
11Rakitra 2021 Ambohimiandra89 500  
12Rakitra 2021 Ambohitrarahaba100 000  
13Rakitra 2021 Andrainarivo Fahasoavana145 000  
14Rakitra 2021 Ambatomaro Fehizoro193 800  
15Rakitra 2021 Ambohimalaza Kanana Vaovao200 000  
16Rakitra 2022 Ambohimalaza Kanana Vaovao200 000  
SP Arivonimamo Vaovao (13)
1Rakitra 2021 Andavabato Fitiavana5 400  
2Rakitra 2021 Antanibe Fiainana6 600  
3Rakitra 2021 Miantsoarivo Fanantenana12 000  
4Rakitra 2021 Manalalondo15 300  
5Rakitra 2021 Tsirangaina Karmela21 000  
6Rakitra 2021 Manankasina Fihavaozana21 700  
7Rakitra 2021 Ziona Fiovana Amboanana25 800  
8Rakitra 2021 : Ambohinierana Fanantenana26 000  
9Rakitra 2021 Ampahimanga Fanantenana45 600  
10Rakitra 2021 Ziona Famonjena Imerintsiatosika109 200  
SP Atsimo Atsinanana (14)
1Rakitra 2021 Manampatrana Peniela11 800  
2Rakitra 2021 Tolongoina14 300  
3Rakitra 2021 Alfa sy Omega Farafangana32 300  
SP Atsimon’iarivo Miray (15)
 Adidy 2021100 000  
1Rakitra 2021 Morarano Fahamarinana5 000  
2Rakitra 2021 Ambohidavenona Lovasoa700  
3Rakitra 2021 Ankorona7 000  
4Rakitra 2021 Soamanandray Fitiavana7 000  
5Rakitra 2021 Tsarasaotra Famonjena10 400  
6Rakitra 2021 Andranomiditra Filadelfia13 000  
7Rakitra 2021 Antamboho Fanantenana14 600  
8Rakitra 2021 Soavinandriana Alarobia20 800  
9Rakitra 2021 Ambatofahavalo Filadelfia21 300  
10Rakitra 2021 Ampangabe Famonjena39 800  
11Rakitra 2021 Amberobe Ziona Vaovao42 900  
SP Kristy Fihavanantsika Avaratra Atsinanana (16)
 Adidy 2021 90 000  
1Rakitra 2021 Ampanefena10 000  
2Rakitra 2021 Marovato15 000  
3Rakitra 2021 Andapa Fanasina80 000  
SP Boina Vaovao (17)
1Rakitra 2021 Edera Bealoy4 600  
2Rakitra 2021 Namakia Filadelfia10 300  
3Rakitra 2021 Mahatsinjo Makedonia20 000  
4Rakitra 2021 Amparihingidro Kristy F.22 500  
5Rakitra 2021 Jerosalema Vaovao34 000  
6Rakitra 2021 Manerinerina Zoara Famonjena37 100  
7Rakitra 2021 Ambondromamy40 000  
8Rakitra 2021 Amboromalandy Ankazomborona45 000  
9Rakitra 2021 Karmela Tsararano46 000  
10Rakitra 2021 Betela Atanamasaja  (Banky)70 000  
11Rakitra 2021 Ambato Boeny Fahazavana74 800  
12Rakitra 2021 Mangarivotra31 900  
SP Faritany Voalohany Antsiranana (18)
 Adidy: 2020-2021300 000  
1Rakitra 2021 Mizpa Sirama25 100  
2Rakitra 2021 Kristy Fahazavana Ambanja85 000  
3Rakitra 2021 FJKM Antanambao100 000  
4Rakitra 2021 Antseranana Fahazavana  (Cheque)528 000  
SP Iarivo Avaradrano (19)
 Adidy 2021200 000  
1rakitra 2021 : Ambolo Vavolombelona10 000  
2Rakitra 2021: Ambodiala Peniela20 000  
3Rakitra 2021 Ambohitrinimanga20 000  
4Rakitra 2021 Manjakaray30 000  
5Rakitra 2021 Manarintsoa Namehana40 000  
6Rakitra 2021 Ambondrona Firaisana50 000  
7Rakitra 2021 Tsarafara50 800  
8Rakitra 2020 Antanimena Andrefana63 500  
9Rakitra 2021 Katedraly Analakely100 000  
10Rakitra 2021 Ambatonakanga100 000  
11Rakitra 2021 Andravoahangy Fivavahana300 000  
SP Maevatsara (20)
 Adidy: 2020-2021100 000  
1Rakitra 2021 Kandreho15 000  
2Rakitra 2021 Peniela Maevatanana92 000  
SP Bemaraha (21)
 Adidy: 2019-2020120 000  
1Rakitra 2021 Ankavandra Fahazavana10 000  
2Rakitra 2021 Morafenobe19 100  
3Rakitra 2021 Makedonia Ambatomainty20 000  
4Rakitra 2021 Fanantenana Besalampy36 900  
5Rakitra 2021 Maintirano Betela Vaovao85 000  
SP Mananara Firaisana (22)
 Adidy 202170 000  
1Rakitra 2021 Ambohitsaratany Fandresena11 800  
2Rakitra 2020 Mangamila25 000  
3Rakitra 2021 Mangamila25 000  
4Rakitra 2021 Androvakely Fahazavana29 600  
5Rakitra 2019 Manampisoa Fiderana5 000  
6Rakitra 2020 Manampisoa Fiderana5 000  
7Rakitra 2021 Manampisoa Fiderana5 000  
8Rakitra 2021 Ambahitsaratany Fandresena9 600  
9Rakitra 2021 Ambohimanatrika Fihavaozana3 000  
10Rakitra 2021 Ambohibazoina Fihavaozana6 400  
11Rakitra 2021 Antokonana Fifankatiavana7 800  
12Rakitra 2021 Antoby Fitahiana23 000  
13Rakitra 2021 Analavory Fahasoavana5 000  
14Rakitra 2021 Ambohimanarivo Fiombonana6 000  
15Rakitra 2021 Andranokotona V.F10 100  
SP Mangoro Moramanga (24)
1Rakitra 2021 Anosibe Ifody4 000  
2Rakitra 2021 Ampasimbe5 000  
3Rakitra 2021 Vodiriana7 000  
4Rakitra 2021 : Analamazaotra15 000  
5Rakitra 2021 Ambodinifody Fehizoro25 000  
6Rakitra 2021 Antsirinala Fanantenana40 000  
7Rakitra 2021 Anosibe An’Ala Fahazavana40 000  
8Rakitra 2021 Antanamandroso Karmela40 000  
9Rakitra 2021 Sabotsy Anjiro Fanantenana44 800  
10Rakitra 2021  Moramanga Fitiavana100 000  
11Rakitra 2021 Moramanga Fitiavana100 000  
SP Matsiatrasoa (25)
 Adidy: 2020-2021130 000  
1Rakitra 2021 Ambatomena Fitiavana10 200  
2Rakitra 2021 : Vangaindrano Finoana25 000  
3Rakitra 2021 Antarandolo50 000  
4Rakitra 2021 Betela Fanantenana50 000  
SP Miarinarivo Fahazavana (27)
1Rakitra 2021 Ankotrabe4 300  
2Rakitra 2021 Ambohimirary6 100  
3Rakitra 2021 Manazary Fiakarantsoa10 000  
4Rakitra 2021 Ziona Famonjena Ampefy13 100  
5Rakitra 2021 Anosibe Famonjena17 100  
6Rakitra 2021 Sanganoro Fahazavana25 000  
SP Miray Faritra Antongil (28)
1Rakitra 2021 Fit Imorona Fg Anantarabe2 000  
2Rakitra 2021 Betela Famonjena Anjahana25 300  
3Rakitra 2021 Betela Fanantenana Ambodiampana26 100  
4Rakitra 2021 Ambodimanga Miray 30 000  
5Rakitra 2021 Ambodivoanio35 100  
6Rakitra  2021 Kristy Mampiray37 900  
SP Sofia Andrefana (30)
 Adidy 2020-2021100 000  
1Rakitra 2021 Peniela Ambalabe35 000  
SP Toamasina Vavahadin’ny Filazantsara (31)
1Rakitra 2021 Maromamy10 000  
2Rakitra 2021 Peniela Brickaville20 000  
3Rakitra 2021 Manareza Vavahady40 000  
4Rakitra 2021 Betlehema Analakininina50 000  
5Rakitra 2021 Tanambao II Fahasoavana60 000  
6Rakitra 2021 Zoara Famonjena Ankirihiry60 500  
7Rakitra 2021 Ziona Salazamay70 000  
8Rakitra 2021 Betela Tanambao V529 900  
SP Kristy Fanantenana Toamasina Atsimo (32)
 Adidy 202170 000  
1Rakitra 2021 Antanambao Manampotsy13 000  
2Rakitra 2021 Ilaka Est13 000  
3Rakitra 2021 Vatomandry18 000  
4Rakitra 2021 Fahazavana Mahanoro31 500  
 
SP Toliary Fihavaozana (33)
 Adidy: 2020+2021160 000  
1Rakitra 2021 PE Morombe5 000  
2Rakitra 2021 Angarazy7 700  
3Rakitra 2021 Ranohira Jerosalema Vaovao21 200  
4Rakitra 2021 FJKM Rasalama Maritiora Toliary250 000  
SP Tsiroanomandidy (34)
1Rakitra 2021 Fit Ambararatabe Fg. Andohafarihy7 800  
2Rakitra 2021 Bevato12 200  
3Rakitra 2020 Ziona Tsiroanomandidy56 000  
4rakitra 2021 : Ziona Tsiroanomandidy60 000  
SP Vonizongo Vavolombelona (35)
 Adidy: 2019-2020-2021210 000  
1Rakitra 2021 Androva Atsimo Fanantenana1 300  
2rakitra 2021 Andrarezina Fanantenana5 000  
3Rakitra 2021 Sambaina5 000  
4Rakitra 2021 Antsaorana6 000  
5Rakitra 2021 Ambohipiraisana11 000  
6Rakitra 2021 Ankazobe Fandresena65 000  
SP Fahazavana Atsimo Andrefana (36)
 Adidy 202150 000  
1Rakitra 2021 Analamitsivalana Ankilivalo4 100  
2Rakitra 2021 PE Mandabe5 400  
3Rakitra 2021 Getsemane Antsiraraka27 100  
4Rakitra 2021 Mahagaga Morondava30 000  
SP Vatofehizoro Ampitandranomasina (37)
1Rakitra 2021 Betela Fahamarinana Paris779 286  
2Rakitra 2020: Ziona Vaovao Paris1 095 000  
3Rakitra 2021 Gland Suisse1 622 000  
4Rakitra 2021 Ziona Vaovao Paris2 009 799  
SP Atsinanan’Ankaratra Fahazavana (38)
1Rakitra 2021 Ambolokotona7 000  
2Rakitra 2021 Manjakatompo7 200  
3Rakitra 2021 Mamory Fitiavana11 400  
4Rakitra 2021 VOM Andranovelona12 500  
5Rakitra 2021 Ambohipeno Fanantenana13 000  
6Rakitra 2021 Belambo Lapan’ny Fiadanana27 300  
7Rakitra 2021 Fihavaozana Behenjy Gara48 200  
 
1rakitra an-trano ( tany @ Pdt FJKM )13 900  
2SLK Ziona Famonjena (Banky)60 000  
3rakitra 2021 Zoara Famonjena (Banques)64 000  

Toy izao ireo fiangonana Fitandremana ry synodamparitany sy fikambanana sy olona nanao fampitaovana ny Ivotoerana SLK Any Foulpointe

Mr RAZAFIMAMONJY Fernand100 000,00
FJKM Faravohitra Avaratra467 100,00
Ankazobe Fandresena100 000,00
SP Ambalavao Tsihenimparihy  0410 000,00
Ampomanjaka Fahasoavana SP12100 000,00
SLK Iarivo Avaradrano SP 19622 000,00
FJKM Ilafy Fahazavana avy @ SP 19200 000,00
Ambohijafy Firaisana avy @ SP 1120 000,00
SP Bemaraha 2120 000,00
SP Faritany Voalohany Antsiranana 18100 000,00
SP Antananarivo Atsinanana 1250 000,00
SLK Analamihoatra SP 1512 000,00
SLK Atsinanan’Ankaratra Fahazavana SP 3836 000,00
SLK Ambohijafy Firaisana SP 1120 000,00
SLK Iarivo Avaradrano SP 19223.000
Manakara Fiderana SP 1420000
SLK Katedraly Analakely SP 19Kidoro+farafara + seza + latabatra
SLK Antananarivo Atsimo SPAA 1152 200,00
SLK Vonizongo Vavolombelona SP 35100 000,00
SLK Kristy Fanantenana Toamasina Atsimo SP 32100 000,00
SLK Katedraly Analakely SP 19Vilany 2
SLK Antananarivo Atsimo SP 11150.000
Andravoahangy Fivavahana SP 19500.000
: Birao SLK Foibe sy ToniaFandriana 2 place + Rideau efitra rehetra
Ambodizozoro Filadelfia SP AA 115 000
Ambahinia SP AA 1220 000
Manarintsoa Finoana SPAA 10100 000
Ambonisoa Tanindrazana SP AA 1245 000
  
SLK SP 31Tamboho manodidina ny ivotoerana
SLK SPAA11 Faritra 18 AkaikyKidoro 2 Places iray
SLK Mangoro Moramanga SP 24Vilany be 2
Prefet Toamasina + solotena Governora + maire foulpointe200000 ar
Aumonerie FJKM20000 ar
FJKM Faravohitra AvaratraKidoro 2 place + fonony
SLK Antananarivo Atsinanana SP 12Latabatra 1 Seza 04 Kidoro 02 Fandriana ho an’olondroa 01 Fandriana ho an’olotokana 01 Fononkidoro 03 Rakompandriana 02 Ondana 04 Fonompandriana 02 Table de nuit 01 Abat Jour 01
SLK Ilafy Fahazavana SP 19Couvre lit + ondana
Société unitek200 000
SLK Ambaniala Finoana SPAA 1050 000
SLK Amboniloha SPAA 10100 000
RABENITANY MIANAKAVY50 000
RAKOTOARIMANANA Nirina Mpitandrina20 000
ZLK AMBOHIMALAZA SPAA 1250 000,00
SLK AMBOHIMALAZA SP AA 12400 000,00
FAMPITAOVANA SLK SP 1550 000,00
AMBONIN’AMPAHAMARINANA  SPAA 10100 000,00
Ivotoerana Ambohijanaka Gara 1150 000
Ivotoerana Miarinarivo Finoana SP 2760 000

HIRA FANEVAN’NY SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA

MIJORO NY LEHILAHY

Dô dia FA     4/4   Mientanentana                  Tonony sy ny Feony : Mandimby

          Mitandrozo ANDRIAMASY

 : s,   d :s,.d !m :d   s : – ! s : l.l   s : m.m ! m : r.d    m : –  ! r  : s,  d : s,.d ! m : d    s :- ! s : l.l

 : s,   d :s,.d !m :d   d : -!d  :d.d  d : d. d  ! d  : d.l,   d  : l,  ! t, : s,  d : s,.d ! m : d   d :- ! d :d.d

: s,   d :s,.d! m:d   m:- !m : f.f  m : s. s  !  l  : fi.fi   m :fi  ! s  :s,  d : s,.d !  m : d   m:- ! m:f.f

: s,   d :s,.d!m :d   d :- !d  : d.d  d : d.t,  !  l, : r. r    s,  : l, ! t, : s,  d : s,.d ! m :  d   d :- ! d :f.f

Mi  -joro ny lehi –la    hy  Hana tratrany za vakendre –   na   te-na vono-na    sy sa  -hyhampi-

s  :d. d  !d :t,.t,    d :- !d :s,.s,    r :    !   : s,.s,    m  : –     ! – : d.d     s   : f  !m : r   m : – ! –  : s,.s,   

le hi   lahy       lehi    lahy                                                               lehi

d  :l, .l, !s, :s,.s,   s, :-!s, :           :t,.t!t,  :   –           :d. d  ! d : s.s     m  : r  ! d  : t,  d  : –  ! – :

m :r .r  !m :r. f    m :-!m:           :f.f:!f   :   –          :s. s   !  s : m.m   t   : l  ! s  : f    s  : –  ! – :

 s  :fi.fi !s,  :s,.s,  d  :- !d :           :r.r:!r  :   –          :m.m ! m :m.m   t   : l  ! s    f    s  : –  ! –  :                                                                                 

:s,.s!s,  :   –         :d. d   ! d : d.d    s,  : s,!  s, : s,   d : –  ! –  :

a –natra  ny fire –ne –na            lehilahy               lehi  – lahy tena  mpianatr’i Kristy  

r :      !    : s,.s,     m  : –     ! –  : d.d      s   : f  !m : r     d : –  ! –  : – 

lahy          lehi    lahy 

:t,.t ! t, :   –            :d. d  ! d : s.s       m : r   ! d  :  t,     d  : -! –  : –

:f.f  ! f  :   –           :s. s   !  s :m.m     t   : l   ! s   : f      s  : -! – : –

:r.r  ! r :   –            :m.m ! m :m.m    t   : l   ! s   : f      s   : -! –  : – 

:s,.s! s,:   –            :d. d  ! d : d.d      s,  : s   ! s, : s,     d  : – ! – :-

lehilahy                lehilahy   tena  mpiana tr’I  Kristy

    1. Mijoro ny lehilahy                                                               2. Mitaona ny lehilahy

Hanatratra ny zava-kendrena;                                                Ho an’Andriamanitra re

Tena vonona sy sahy                                                               Fitaratra amin’ny asa;

       Hampianatra ny firenena                                                        Fitaratra amin’ny teny

  3. Mampandroso ny fiangonana,                                           Fiverenana :

     Amin’ny lafiny rehetra

     Mandray andraikitra koa,                                                  Lehilahy, lehilahy

    N’aiza n’aiza tsy hisy fetra                                                 Tena mpianatr’I Kristy (in.2)                

Misaotra ary manentana hatrany antsika amin’ny fandrotsahana ny rakitra atao amin’izao fotoana hitrotroana am-bavaka ny SLK Foibe izao, izay naraikitra amin’ity fandaharana Iombonana ity ny nandrotsaka izany nanomboka ny volana Martsa 2021 ka hatramin’ny volana Martsa 2022. Raha misy ny mety ho latsaka na tsy voasoratra dia iangaviana am-pitiavana mba hanatona ny Foibe FJKM varavarana 501 na hiantso ny laharana 0342088311/0332088311 (Tonia).

Azontsika atao ny mandrotsaka mivantana ny rakitra aty amin’ny Foibe FJKM varavarana 501, na koa arotraka amin’ny kaonty Sampana Lehilahy Kristiana BNI Analakely N°: 00005 00001 11349120200 71, na koa arotsaka amin’ny kaonty M-Vola 034 22 370 64 (Ramiandranirina Nahitantsoa Avotra).

Fanamarihana:

Ho antsika izay Mandrotsaka rakitra any amin’ny Banky dia aoka ny anaram-piangonana miampy ny laharan’ny Synodamparitany no hosoratana.

An’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV