Jobily R.Antraniavo/Fanokafana

Ramatoa RABEHARISOA Rakaloanjanahary Fitiavana Antraniavo
MANKALAZA AN’ANDRIAMANITRA NOHO NY JOBILY FISOTROAN-DRONONO


Noho ny fahasoavan’Andriamanitra, tonga eo amin‘ny fotoana handehanany hisotro ronono Rtoa RABEHARISOA Rakaloanjanahary Fitiavana Antraniavo , Mpandraharaha Mpitantsoratra ao amin’ny Sekretaria Jeneraly (2010-2022). Tamin‘ny volana novambra 2010 no naha- mpiasa raikitra azy tao amin’ny Sekretaria Jeneraly Foibe FJKM Ifanomezantsoa Analakely rehefa avy nandalo ny dingan‘ny andranasa nandritra ny telo volana.
Araka izany, taom-piasana efatra (4) : ampahany tamin’ny taom-piasana SLXVI (2008-2012)-SLXVII
(2012-2016)-SLXVIII (2016-2020)-SLXIX (2021…) no efa niasany teto anivon`ny Foibe FJKM hatreto.
Ireo asa niandraiketany sy atrikasa ary fiofanana natrehiny:

  • Fifandraisana amin’ireo vahoakanAndriamanitra mifanerasera ao amin`ny
    Sekretaria Jeneraly
  • Fandraisana sy fitahirizana ireo antontan-taratasy ifandraisana amin`ny Sekretaria
    Jeneraly
  • Fitanana an-tsoratra sy fanomanana ireo tahirinkevitra isa’nambaratongany eo ambany fiahian‘ny Sekretera Jeneraly mandritra ireo fivoriana samihafa : Atrik’asa teo
    anivonny Sampan'asa na Asa - Fivorianny Biraon`ny Mpiandraikitra Foibe – Mpiandraikitra
    Foibe – Synoda Lehibe
  • Fanatanterahana ireo irakiraka na asa ivelany sy anatiny eo ambany fiahian`ny
    Sekretaria Jeneraly
  • Fitanana an-tsoratra nandritra ny fiofanana “Animation en Etudes Bibliques
    Appliquées aux Femmes” (AEBA) Faritra « Afrique Australe et Océan Indien » teo ambany
    fiahian’ny CEVAA (Communauté des Eglises en Mission) natao tany amin‘ny Nosy La Réunion
    sy Ny Nosy Maorisy ka nahasolontena “Secrétaire francophone” azy hatrany nandritra ireo
    fiofanana tanatin’ny telo taona (2017-2019). Isan’ireo solontena nalefan‘ny Birao Foiben’ny FJKM izy tamin‘izany ka isan’ireo navoaka ho Mpanentana Teolojika.
  • Nianatra, nandray anjara, nanovo traikefa, nanao fanentanana tamin’ireo fivoriana, fiofanana sy fihaonambe ary fanofanana samihafa izy : Fitandremana - Foibe FJKM - Tafika Masina SETELA sy SEFALA - Seha-pitaizana Fifohazana - Fifampiofanana SEFALA - Arsiva sy Tranombakoka - Komity Foibe Sampanasa Fikarohana sy Fandalinam-pinoana - Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy - Fianakaviana ary Vondron‘olona miara-mivavaka samihafa.
  • Mianatra sy mizara ny tenin’Andriamanitra amin‘ny teny anglisy amin’ny alalan‘ny
    sms izy izay anisan’ny fandraisany anjara amin‘ny famontosana ny Filazantsara ny Nosy
    Madagasikara – Filazantsara manova ny tantara izany .Ny teny fanevan’ny Jobily dia : “….fa ny fahalemeko no fahatanjahako.” (2 Kor.10b) Toy izao ny fandaharam-potoana raha sitrapon'Andriamanitra
  • Sabotsy 23 Aprily 2022 amin’ny 9ora 30 mn ao aminny FJKM Betela Sud Ambohipo (Route Ambohimanambola, amoron’ny ranon‘i Mandroseza): Fanompoam-pivavahana fanokafana hanolorana ireo Komity sy hitondrana am-bavaka ny asa fikasana rehetra;
  • Sabotsy 09 Jolay 2022 amin’ny 9ora 30 mn ao amin‘ny FJKM Katedraly Analakely : fanompoam-pivavahana ivon`ny Jobily
  • Alahady 23 Oktobra 2022 manomboka amin’ny 2 ora sy 30 mn : Antsa an-kira ifarimbonan‘ireo Antoko Mpihira ekiomenika samihafa;
  • Sabotsy 17 Desambra 2022 aminny 9 ora 30 mn ao amin‘ny FJKM Ankadifotsy : Fanompoam-pivavahana famaranana.

Ny Komity

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV