VKMM/AFME 2022

FANASANA

Ny Birao Nasionalin’ny Vehivavy Kristiana Mpiara-Mivavaka (VKMM)

dia

faly manasa anareo handray anjara amin’ny Fanompoampivavahana Fankalazana an’Andriamanitra noho ny

« Andro Fiaraha-Mivavaka Eran-tany » (AFME) .

Izany dia hotanterahana ny Zoma 04 Martsa 2022 , ao amin’ny Fiangonana ANGLIKANA ( EEM) Ankadifotsy , manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina , izay hanarahana ny litorjy nomanin’ireo vehivavy any Royaume Uni araka ny Lohahevitra hoe :

« Izaho mahalala ny hevitra hiheverako anareo »

Tongava soa hiombom-po amam-panahy amin’izany fotoana izany .

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra

Perikopa 2023

Jona: IORENAN'NY FAHAFAHANA NY TOMPO

| | 04. Ala.Trinite
Mpits 4.14-24/ Jao 8.31-38 / Asa16.16-24

| | 11. Ala.II man. Trinite - SEKOLY FJKM
Sal 66. 8-12 / Jao 8.1-11 / Asa 16.25-34

FJKM Fahazavana

Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina