Fo tsy aritra

               FANDRAVAN’NY SATANA  NY FIRENENA

Ny tanjon’ity torolalana ity dia ny tsy hampatahotra na hampihorohoro anareo fa hampahalala ny fisian’ilay fahavalo lehibe, mba tsy hisy izay mandray ity mbola ho « ringana… noho ny tsy fisian’ny fahalalana » (Hosea 11 : 6)

Mizara ho 24 ny endriky ny fananiham-bohitra ataon’ny fikambanana maizina ao anatin’ireo manda 6 izay ravany :

Ara-panahy any amin’ny fiaraha-monina

  • Ny fikambanana maizina no mamboly sy mamafy andro aman’alina ny fanjakan’ny aizina dia ilay fanahy eny amin’ny rivotra (Efesiana 6:12) amin’ny alalan’ny fandatsahan-drà tsy misy fitsaharana (sorona mivantana sy sorona miendrika loza na antsoina hoe: (sorona maoderina) sy amin’ny alalan’ny fifanarahana satanika maro samy hafa;
  • Amin’ny alalan’io fanjakan’ny aizina eny amin’ny rivotra io mijoro isaky ny firenena, isam-paritra ary isam-bohitra io izy no mampidina sy manaparitaka “Fanahy maro loko, maro lafy”mirotsaka tahaka ny zavona ho tonga vesa-pahotana mangeja ny fiaraha-monina eny ifotony: a) Fanahin’ny fijangajangana, b) fanahin’ny fanompoantsampy, d) fanahin’ny fidorohana, e) fanahin’ny mamôna na fanahin’ny fitiavam-bola sy fitiavan-karena ary ny fitiavam-boninahitra, f) fanahin’ny ady lahy sy korontana ary ny herisetra; g) fanahin’ny hakamoana sy ny fahantrana; h) fanahin’ny antikristy sy ny materialista.

Ara-panahy any amin’ny Fiangonana

  • Ny fikambanana maizina dia mikendry ny fametrahana “lamina vaovao ara-pinoana” na “Nouvel ordre religieux” izay miorina amin’ny fampiraisam-pinoana sadasada (silamo, kristiana, boudhisme, hindouisme,…) fa ny tena tanjona dia ny hitelemana sy hamotehana ny finoana kristiana.
  • Izy dia manao “infiltration”  (fidirana antsokosoko) amin’ny alalan’ny miaramilan’ny satana (olona mpanefoefo, mahavita adidy be ka tonga to-teny) any anatin’ny fiangonana kristiana izay : a) mampiditra miandalana any anaty fiangonana ny “fampianaran’i Balama sy Nikolaita” (fampianarana miala amin’ny Soratra Masina, fahalalahana manohitra ny filazantsara Masina), ny fanahin’ny mamôna (fanahin’ny fitiavam-bola sy ny fitiavan-karena), ny fanahin’ny ady lahy sy korontana, ny fanahin’ny fahavetavetana sy ny fiavonavonana….b) Ary mampivily làlana ny fiangonana hametraka  ny laharam-pahamehana ny fanorenan-trano sy ny fampitaovana tsy manam-pitsaharana ho fanerena ny mpino amin’ny adidy tsy manam-pahataperana; ka hampihen-danja kosa ny teti-bola sy ny programa fitoriana ny filazantsara anatiny (isan-tokantrano, isan-tsampana, isam-paritra, …) sy ny tafika masina ivelany.

Ny fanamby toy izay efa nataony tany Eôropa sy Amerika :

Arakaraky ny fijoalajoala sy famirapiratan’ny fiangonana no mampihen-danja sy mahafaty  ny aim-panahy ao anatiny”

  • Izy dia manaparitaka karazam-piangonana sandoka, sekta, mpanao “magie noire” ho famitahana ny mpino kristiana, ary hamotehina ny firaisan’ny mpino sy ny hasin’ny fiangonana sy ny Filazantsara Masina
  • Izy no mamatsy volabe sy manome vahana eo amin’ny firenena ireo fivavahana antikristy (toy ny fivavahana silamo) mba ho entina manapotika ny finoana kristiana; ary ho entina manapotika ny lamina famokarana sy ny fanapariahana baiboly sy filazantsara masina manerana izao tontolo izao; tahaka izay efa misy eto Madagasikara ankehitriny:

“Vontosy filazantsara i Madagasikara, filazantsara manova ny tantara.”

                                                                                                                                       clauderasata

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV