Alakamisy 20 Janoary 2022

JOELA 2.21-27

Andriamanitra eo amin’ny olona

1-Manome fitahiana

Aza matahotra , ry biby any an-tsaha fa mihamaitso ny kijana any anefitra , mamoa ny hazo …(and22-25). Rehefa niala tamin’ Andriamanitra ny vahoaka dia nofaizin’Andriamanitra izy ireo ka tonga ny andiam-balala sy ny haitany mba hiverenan’izy ireo amin’Andriamanitra indray. Eto dia nampanantena fitahiana sy fiadanana ho an’ny firenena Izy , satria manatrika ny vahoaka . Rehefa manatrika Andriamanitra dia mitondra fitahiana sy fiadanana ho an’ny firenena sy ny vahoaka monina amin’ny tany . Koa Jesoa Kristy , Ilay Andrianan’ny fiadanana efa nomen’Andriamanitra antsika ka izay rehetra mandray Azy sy miara-monina aminy amin’ny alalan’ny finoana ny teniny dia ho voatahy sy hiadana .

2-Loharanom-piderana

« Ary hihinana ianareo ka ho voky dia hidera ny Anaran’i Jehovah Andriamanitrareo… » (and26)

Rehefa tonga ny fotoana izay isitrahan’ny vahoaka ireo karazam-pitahiana maro samihafa avy amin’i Jehovah, dia taomina hifaly sy hiravoravo ny vahoaka (and 23) , ary indrindra hidera ny Anaran’i Jehovah Andriamanitra .Mitarika ho amin’ny fiderana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny fanatrehany . Ary ny olona mahatsapa ny fanatrehan’Andriamanitra eo aminn’y fiainany no midera sy manome voninahitra Azy .Tsarovy mandrakariva fa adidin’ olona izay misitraka ny fitahiana sy fahasoavana avy amin’Andriamanitra ny midera zy . Derao Andriamanitra tamin’ ny namonjeny antsika tao amin’i Jesoa Kristy .

Fanontaniana:

Inona no sakana mahatonga anao tsy tena midera an’Andriaanitraa ?

Sampana S ekoly Alahady FOIBE FJKMh

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV