SP 11/Tranovato Rasalama Ambohipotsy

Misokatra ny Tobim-pahasalamana Akany Rasalama

Manana ny Tobim-pitsaboany ny Fitandremana Tranovato Rasalama Martiora Ambohipotsy, mba hizarana soa ho an’ny hafa. Sady ahitana fitsaboana no misy fisorohana ny aretina ao amin’izany tobim-pahasalamana izany. Efitrano valo no misy ao aminy, toy ny efitrano fizahana, ny fitiliana, ny fitsaboana, ny fiterahana sy itoeran’ny mpiteraka, ny resaka maso, ny fanaovam-baksiny.

Mpiasa raikitra 7 no miasa ao anatiny, izay ahitana mpitsabo roa, mpampivelona roa, ary mpiasa hafa toy ny misahana ny fanadiovana telo. Vokatry ny fiaraha-miasa no nahafahany nanana fitaovana fitsaboana maro ary anisan’izany ny “concentrateur d’oxygène”, izay tena ilaina amin’izao fotoana izao.

Misokatra ny alatsinainy hatramin’ny zoma ny toerana ary manomboka mivoha amin’ny 8 ora maraina sy mikatona amin’ny 4 ora hariva aloha hatreto. Aoriana kely, ny fanirian’ny Tomponandraikitra, dia hisokatra 24 ora amin’ny 24 ora sy 7 andro amin’ny 7 andro.

Tsy ny mpianakavin’ny finoana ao amin’ny fiangonana ihany no raisin’ny Tobim-pitsaboana, fa ny mpiara-belona rehetra na ny manodidina tsy an-kanavaka ihany koa. Afaka manatona eny avokoa ny olon-drehetra.

Ny alakamisy 25 Novambra lasa teo no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy izany toeram-pitsaboan’ny fiangonana izany. Tonga nanatrika izany ny avy amin’ny tomponandraikitry ny Foibe FJKM, ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM, Atoa RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina, sy ireo olom-piangonana isan-tsokajiny; teo ihany koa ny avy amin’ny solontenam-panjakana toy ny avy amin’ny minisiteran’ny fahasalamana sy ny Governoran’Analamanga. Anisany nitondra anjara biriky be dia be tamin’ny fananganana ny Akany sy ny fampitaovana tao amin’ny tobim-pahasalamana izao ny faritr’Analamanga. Nanohana ara-pitaovana ihany koa ny Masoivohon’i Allemagne.

Marihina, fa ny zoma lasa teo, dia nisy ny hetsika ara-pahasalamana nataon’ny Tobim-pitsaboana teny Ambohipotsy ho an’ny mponina. Fitiliana diabeta, tosidrà, homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza no natao tamin’izany.

R.Philémon

Perikopa 2023

Jona: IORENAN'NY FAHAFAHANA NY TOMPO

| | 04. Ala.Trinite
Mpits 4.14-24/ Jao 8.31-38 / Asa16.16-24

| | 11. Ala.II man. Trinite - SEKOLY FJKM
Sal 66. 8-12 / Jao 8.1-11 / Asa 16.25-34

FJKM Fahazavana

Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina