Alahady 31 Oktobra 2021

EZEKIELA 43.18-27

Andriamanitra tsy mahafoy ny olony fa :

1-Miteny aminy mandrakariva (and18)

Mampahery ny vahoakany babo Andriamanitra , satria kivy tanteraka izy ireo ary nihevitra fa resy Andriamanitra sady efa nanadino azy ireo rahateo. Eo anatrehan’izany indrindra no niantso an’i Ezekiela ho mpaminany Izy , izay sady efa mpisorona rahateo ny teny hoe : « ary hoy izy tamiko » dia midika tsy mangina Andriamanitra ary ny fanirahana mpaminany dia maneho fa mbola tsy nanary ny olony izy. I Jesoa nomena antsika ,Ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo . Porofon’ny fitiavany antsika izany , itenenany amintsika ihany koa , ka henoy Izy fa aza odiana tsy hita .

2-Manoro izay tokony hataony (and 19)

Omen’ny Tompo eto ny refin’ny tempoly sy ny fombafomba rehetra tokony harahina , indrindra mahakasika ny alitara ary mampita izany amin’i Ezekiela . Maneho izany fa mitari-dàlana ny olony hatrany Izy ny amin’izay tokony hatao fa tsy mamela azy ireo ho ao anaty fahakiviana fotsiny . Izany toetran’Andriamanitra izany dia hita ao amin’i Jesoa koa , manoro làlana ny olona hatrany , indrindra ho an’izay very hevitra , ohatra amin’izany ilay tovolahy mpanankarena nanatona Azy (Lio 18.18)

3-Mankasitraka ny mpankato (and 27)

Miavaka ny Andriamanitra ivavahantsika . Izy tsy manao ankinafinafina na miandry kendry tohana hamelezana ny olony fa efa ambarany mialoha hatrany ny zavatra ankasitrahany , efa hatrany amin’ny bokin’ny lalàna . Safidin’ny olona sisa ny hankato na tsia, fa izay te-hahazo sitraka Aminy dia tsy maintsy manao ny sitrapony .

Fanontaniana :

Ahoana ny fahatsapanao izany Andriamanitra tsy mahafoy ny olony izany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 15. Ala. Trinite
Gen. 1. 1-13 | Lio. 10. 17-20 | Apo. 1. 18-22

| | 22. Ala. I man. Trinite - S. Vokovoko Manga
Oha. 23. 19-25 | Lio. 12. 35-40 | 1 Kor. 10. 31-11.1

| | 29. Ala. II man. Trinite
1 Sam. 2. 1-10 | Jao. 10. 11-21 | Apo. 5. 1-10

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025