Alahady, faha 08 Jona 2025
(Sal 104. 24-30 / Hira 176: 1, 2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 174:2)
Jaona 15. 26-27
Fanontaniana telo no hahazoantsika valiny avy amin’ny mofonaina anio mba hitomboantsika amin’ny fahalalana ny Fanahy Masina.
1. Andriamanitra ve ny Fanahy Masina?
Eny avy hatrany ny valiny, mazava ny filazan’i Jesoa azy: « Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray…». Hitantsika eto fa ny fifandraisana eo amin’ny Ray sy i Jesoa ary ny Fanahy Masina dia maneho fa Andriamanitra tokana ihany, fa miseho sy miasa amin’ny fomba telo ny Andriamanitsika. Misy mampianatra diso mitety tokantrano any mampianatra fa tsy Andriamanitra ny Fanahy Masina fa irakiraka fotsiny ihany, ary koa tsy Andriamanitra i Jesoa fa zava-boahary ambony karazana… Nefa izy ireny dia mitonona ho vavolombelon’i Jehovah! Tandremo ! Miorena tsara!
2. Haninona no niavian’ny Fanahy Masina?
« Fa raha tonga ny Mpananatra… Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy » (Jaona 15:26). Mpananatra no ilazan’i Jesoa Azy eto, mpanoro lalana sy mpanoro izay tokony hatao Izy, ary tsy milaza zavatra hafa vaovao akory fa manambara an’i Jesoa irery ihany!
3. Inona no andrasana amin’ny olona nandray ny Fanahy Masina?
«Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin’ny voalohany ». Tsy ny hitory fahaganana na hitory ny filazantsaran’ny fahombiazana akory no andrasana na hamantarana ny olona nandray ny Fanahy Masina, fa ny ho vavolombelon’i Jesoa; hitory ny fitiavany, ny famonjeny ary hitaona ny olona hibebaka mba hamonjena azy, fa tsy hitory fananan-karena !
Fanontaniana:
Hatraiza ny maha vavolombelon ‘i Jesoa anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe