Sabotsy, faha 14 Jona 2025
(Sal 119.97-104 / Hira206: 1/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 582: 3)
Eksodosy 34.1-9
Rehefa nopotehin’i Mosesy ny vatofisaka nisy ny lalåna (Eks 32) noho ny nanompoan’ny olona ombilahikely volamena dia maniraka azy hipaika vatofisaka roa tahaka ilay efa potika indray Andriamanitra, izany dia mampiharihary amintsika fa:
1. Manao dingana voalohany hatrany Andriamanitra
« Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin’ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin’ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao » (and1). Hitantsika eto fa Andriamanitra mihitsy no tompomarika amin’ny fanavaozana indray ny fanekena. Porofon’ny fitiavan’Andriamanitra izany. Asa raha mba tsapanao fa Andriamanitra mihitsy no maniry hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisany aminao, na dia naniasia aza ianao. I Jesoa no porofo mitohoka amin’ny tendany (Jao 3. 16).
2. Mahari-po sady be famindrampo Izy (and 6)
« Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hæ: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana… ». Izy Andriamanitra mihitsy no miteny eto ary milaza izany mivantana amin’i Mosesy. Ny hevitr’io hoe mamindra fo io dia hoe tia na dia tsy mendrika hotiavina aza. Moa ve tsy isika mihitsy izany, tian’Andriamanitra na dia tsy mendrika aza? Mba inona re no avalinao ny fitiavany?
3. Mihaino sy mamaly vavaka Izy (and 8)
« Ary Mosesy dia niondrika faingana tamin’ny tany ka niankohoka… ». Nivavaka i Mosesy, tsy ho an’ny tenany loatra, fa ho an’ny fireneny izay voalazany rahateo fa mafy hatoka (and 9) ary raha mamaky ny tohiny isika dia hahita fa nohenoin’ Andriamanitra ny vavak’i Mosesy, ary nanavao ny fanekeny ny Tompo (and 10ss). Mivavaha fa mihaino ny Tompo!
Fanontaniana:
Ahoana no hananana toetra tia mamindra fo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

