Sabotsy 30 Oktobra 2021

Jaona 6. 34 – 51

Ny teny nataon’i Jesoa tamin’ny vahoaka nitady azy rehefa novokisana mofo no hitantsika eto. Zavatra telo no lazain’i Jesoa :

1- Ny momba Azy

« Izaho no mofon’aina » (and 35). Manitsy ireto vahoaka izay mitady azy fatratra ireto i Jesoa eto satria ny manosika azy ireo dia ny fanantenana ny mbola hihinana mofo fotsiny ihany indray. Taomin’i Jesoa izy ireo hahatakatra fa tsy ny hanin’ny nofo akory ny zava-dehibe sy maika fa ny hanim-panahy, izany hoe: tsy ilay fahavokisana indray maka no tokony hifantohana fa ilay hery vaika, ilay hery miasa maneho ny maha- Mesia an’i Jesoa ka afaka manome fahavokisana, tsy ny nofo ihany fa ny fanahy indrindra koa.

2- Ny momba izay manatona Azy

« Izay manatona Ahy tsy mba ho laviko mihitsy » ( and 37 ). Sarihan’ny Tompo ny olona eto mba hahazo fa ny Ray mihitsy no tompon-kevitra ny amin’ny famonjena ka mitaona ny olona hanatona an’i Jesoa, ary izay rehetra tonga eo amin’i Jesoa dia tsy ho voatosi-bohon-tànana, na iza izy na iza, na avy aiza na avy aiza . Ianao koa taomina hanatona an’i Jesoa, raisiny ianao !

3- Ny amin’ny sitrapon’ny Rainy

« Ny hahazoan’izay mijery ny Zanaka ka mino Azy ny fiainana mandrakizay » (and 40). Ambaran’i Jesoa mazava eto fa ny sitrapon’ny Ray dia ny hamonjena ny olona rehetra; tsy ny olona rehetra anefa no hahazo fiainana mandrakizay fa izay mino an’i Jesoa ihany, ary izay tsy mety mino kosa dia tompon’antoka amin’ny fahaverezany ( Mar 16.16 ). Minoa an’i Jesoa àry ianao raha hovonjena, aza atao filan-javatra fotsiny Izy.

Fanontaniana :

Manao ahoana ary izao ny fahazoanao ny momba an’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 15. Ala. Trinite
Gen. 1. 1-13 | Lio. 10. 17-20 | Apo. 1. 18-22

| | 22. Ala. I man. Trinite - S. Vokovoko Manga
Oha. 23. 19-25 | Lio. 12. 35-40 | 1 Kor. 10. 31-11.1

| | 29. Ala. II man. Trinite
1 Sam. 2. 1-10 | Jao. 10. 11-21 | Apo. 5. 1-10

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025