FJKM/ Vina Fampandrosoana

Miatrika 4 taona vaovao ho fanatanterahana ny vina amin’ny fampandrosoana

« Miorena tsara, aza miova; » (1 Korintiana 15:58)

Araka ny fahefana omen’ny fitsipika sy ny fotodalana FJKM, dia ny Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, izay Filoha ny FJKM, no manolotra ny vinan’ny FJKM, ka notanterahin’ny Filoha FJKM, Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina izany, teo anivon’ny Mpiandraikitra Foibe, araka ny soridalan’ny Synoda Lehibe, ary dia nankatoavin’izy ireo, ka natolony ny Mpitandrina rehetra sy ny Fiangonana ampahibemaso, teny amin’ny kianja coliséum Antsonjombe, ny Alahady 17 Oktobra 2021, taorian’ny fotom-pivavahana fanolorana sy fitondrana am-bavaka ireo tomponandraikitra vaovao an’ny FJKM, ho an’ny taom-piasana 4 taona ho avy.  

Toy izao ny andinindininy :

1/ Vina FOTOTRA iainan’ny FJKM dia ny fametrahana hatrany, ho firenena kristiana an’i Madagasikara hatramin’ny taona 2118.

2/ Teny faneva ho an’ny 4 taona ho avy : “Miorena tsara, aza miova” (1 Korintiana 15:58).

3/ Vina IAINANA ao anatin’ny 4 taona : “Vontosy Filazantsara i Madagasikara, Filazantsara manova ny tantara”  (Raha Kaomina 407 no nofaritana fa ho asiana FJKM, dia Kaomina 463 no vita, ary niampy Fokontany 39 sy fametrahana ny FJKM tany amin’ny Nosy “Seychelles” sy ny Nosy Kômôro ary ny VOMM (Vondron’Olona Miara-Mivavaka) tafapetraka any Erôpa sy Kanada. Mitohy hatrany ny asa efa natomboka teo aloha, dia ny fametrahana FJKM, any amin’ny toerana mbola tsy misy izany sy ny fametrahana hatrany ireo fotodrafitrasa ilain’ny Fiangonana, ho Fitoriana ny Filazantsaran’i Kristy Jesoa manerana izao tontolo izao, araka ny iraky ny Tompo (Matio 28:19-20), ho Filazantsara hamoa (Tafalatsaka ao anaty). Ny fiainana ny Filazantsara hanova ny tantara io no ezaka hataontsika eo ambany fitantanan’i Jesoa Kristy lohan’ny Fiangonana, mba hisy ny vokatra mivaingana, hita taratra sady haingana, azo tsapain-tanana aterak’izany eo anivon’ny Fiangonana sy ny Firenena.

FJKM manao ahoana ary no hilofosantsika miaraka hajoro, raha sitrapon’Andriamanitra ao anatin’ny 4 taona ho avy :

  1. FJKM mafy orina amin’ny fitoriana Filazantsara sy ny asan’ny misiona, ka manova ny tantaran’ny fianakaviana, manova ny tantaran’ny Fiangonana, manova ny tantaran’ny fiaraha-monina, ka vokatra andrasana farafahakeliny, tsy maintsy azo avy amin’ny isam-pitandremana tsirairay, manerana ny sahan’ny FJKM ao anatin’ny 4 taona ho avy :  
  2. Ny fametrahana ny vaomieran’ny hazakazaka masina, araka ny tapaky ny Synoda Lehibe
  3. Ho tarazo iainan’ny FJKM manontolo manomboka izao, ny herinandron’ny fianakaviana (Manaraka ny tondrozotra omen’ny FJKM), tahaka ny fisian’ny herinandro Masina sy ny herinandron’ny Fanahy Masina ary ny herinandro Sambatra  
  4. FJKM mafy orina amin’ny asa fampandrosoana sady mampamokatra ireo harena nomen’Andriamanitra azy, no mitondra fitahiana ho an’ny firenena ihany koa. Tsy maintsy tafajoro ato anatin’ny 4 taona :
  5. Ny fametrahana ny vaomieran’ny fananana miasa tsara eo anivon’ny Fitandremana sy ny Synodamparitany rehetra (Indrindra ireo Fiangonana mpanampy rehetra sy ny fiangonana manampy rehetra),
  6. Ny fametrahana ny Sampandraharahan’ny fampamokarana miasa tsara
  7. FJKM mafy orina amin’ny asa fanabeazana ka misonga hatrany ny sekoly FJKM amin’ny ambaratonga rehetra (Fibeazana, voalohany, faharoa, fahatelo, ambaratonga ambony), sy ny sokajy rehetra ary ny fampianarana ankapobeny sy ny fampianarana teknika. Vokatra farafahakeliny tsy maintsy azo ato anatin’ny 4 taona :
  8. Ny fananganana sekoly FJKM vaovao miisa 111 raha kely indrindra
  9. Ny fananganana oniversity 3 manerana an’ny Madagasikara raha kely indrindra
  10. Ny famoahana ny boky Soratra Masina iainana, izay hampianarana amin’ny fomba matotra ny fiainana ny Soratra Masina manerana ny Sekoly FJKM
  11. Ny famitana ireo trano 2 (Any Imerimandroso Ambatondrazaka, izay tsangambaton’ny ny faha 200 taona ny sekoly protestanta FJKM), ho toerana fanomanana mpampianatra FJKM, ho an’ny ambaratonga voalohany
  12.  FJKM mafy orina amin’ny fitantanana, ka samy ho tsara tantana na ny mpiasa na ny vola. Vokatra tsy maintsy azo raha kely indrindra :   
  13. Ny famitana ny fanofanana manokana ireo mpitondra ambony FJKM toy ny Birao Mpiandraikitra Foibe, Sekretera Jeneraly, Tonia Departemanta, Prezida Synodaly, Tonia sy Tale, izay omena fanofanana manokana 
  14. Ny fananganana ny vaomiera maharitra amin’ny fotoana, ho fametrahan’ny Departemanta ny vola sy ny mpiasa ary ny fananana, ny asany
  15. Ny fananganana ny kitapo iombonana nohavaozina FJKM, ho an’ny fitantanambola FJKM 
  16.  FJKM mafy orina amin’ny fijoroana vavolombelona eto amin’ny firenena, ka ho fanasina sy ho fahazavana kokoa ny FJKM, ka ny vokatra tsy maintsy azo raha kely indrindra ato anatin’ny 4 taona :  
  17. Ny fanatsarana ny Asa fifandraisana sy fampitam-baovao FJKM, ka Radio Fahazavana 4 raha kely indrindra no ho tafapetraka any amin’ny Synodamparitany mbola tsy misy, ary hisokatra ara-dalana ny Fahazavana Televisiona
  18. Hatsangana ny hôpitaly FJKM
  19. Tafapetraka manerana ny Synodamparitany 37 ny MFEE (Maraichère fruitier d’éducation environnementale), ho fambolena hazo fihinamboa
  20. Tafapetraka ao amin’ny tetikasan’ny seha-panabeazana FJKM rehetra sy any amin’ny akany ary Sampana rehetra sy ny Sampanasa rehetra, any amin’ny sekoly FJKM rehetra, any amin’ny SEFALA rehetra sy SETELA, hita ao anatin’ny fampiofanana rehetra, sy ny « recyclage pastoral » rehetra izay atao, sy ny fihaonambe rehetra, ka ampidirina ho taranja tsy maintsy hatao ho vokatry ny tenin’Andriamanitra iainana ny :
  21. Fandalàna ny fahamarinana
  22. Fitiava-tanindrazana
  23. Fikajiana ny tontolo iainana mba ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra namorona izao rehetra izao isika FJKM

Hisy hatrany ny tatitry ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe isaky ny enim-bolana, aorian’ny fahavitany, ho fampiharana ireo hevitra tapaka. Aoka hitohy hatrany ny fiainam-bavaka hoy ny Filoha FJKM. An’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.                                       

                                                                                                                                                                     MAMY NIRINA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV