Ny andraikitry ny Filohan’ny F.J.K.M

eo anoloan’ny Synoda lehibe

Am-perinasa tanteraka ny Mpiandraikitra Foibe, amin’izao fotoana anoratana izao ka inoana fa handinika ny ho fanatanterahana ny Synoda Lehibe faha XIX izay efa tokony ho natao tamin’ny taona 2020 saingy noho ny antony niaraha-nahalala dia inoana fa ho tanteraka amin’ity taona ity. Efa nentina teto ny andraikitry ny Synoda Lehibe, ny olona mpandray anjara, ny fitantanana ny fivoriana; fa amin’ity indray mitoraka ity dia ny andraikitry ny Filohan’ny FJKM am-perin’asa amin’io Synoda io no entina teo.

Amin’ny ankapobeny dia azo zaraina ho toy izao ny andraikiny:

  • Andraikitry ny Filohan’ny FJKM mialoha ny Synoda Lehibe:

Ny Filohan’ny FJKM no tomponandraikitra voalohany amin’ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe. Noho izany, andraikiny ny manomana ny tatitry ny asan’ny FJKM hoentina amin’io fivoriana io. Na izany aza, tsy andraikitra samy irery fa iarahany amin’ny Mpiandraikitra Foibe. Izany no azo andraisana ny famaritana ny andraikitry ny Filohan’ny FJKM araka ny Fotodalana And. 34. 3- 5: “Ny Filohan’ny Mpiandraikitra Foibe no Filohan’ny FJKM. Toy izao manaraka izao no andraikiny : 3: Mamaritra ny fijery sy ny fanatanterahana ny asan’ny FJKM mandritra ny efa-taona araka ny soridalan’ny Synoda Lehibe. 4: Miandraikitra ny fanatanterahana ny hevitra tapaky ny Synoda Lehibe miaraka amin’ny Mpiandraikitra Foibe, 5: Mamory sy mitarika ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe”.

  • Andraikitry ny Filohan’ny FJKM mandritry ny Synoda Lehibe

Ny Fitsipiky ny FJKM no ahitana ny andraikiny araka ireto:

  • Mampifidy izay ho Biraon’ny Synoda araka ny and. 239. 1- 3: “Ny Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe no mampifidy : Olona iray (1), izay Mpitandrina, ho Filohan’ny Fivorian’ny Synoda Lehibe, Olona roa (2), ka Mpitandrina ny iray (1), ho Filoha Mpanampin’ny fivorian’ny Synoda Lehibe, 3° Ary olona efatra (4), ka Mpitandrina ny roa (2) ho Mpitantsoratry ny Fivorian’ny Synoda Lehibe. Ireo olona voafidin’ny Fivorian’ny Synoda Lehibe ireo no Biraon’ny Fivorian’ny Synoda Lehibe”.
  • Manamarina ny Mpivory: araka ny and. 240: “Toy izao no fepetra arahina amin’io fifidianana ny Biraon’ny Fivorian’ny Synoda Lehibe io aorian’ny fanamarinana ny mpivory.”
  • Manolotra amin’ny Biraon’ny Synoda Lehibe ny raharaha rehetra momba ny Synoda, araka ny and. 241: “Rehefa voatolotry ny Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe ny mpivory ireo mpikambana ao amin’ny Biraon’ny Fivorian’ny Synoda Lehibe dia atolony azy ireo ny fitarihana ny raharaha”.
  • Andraikitry ny Filohan’ny FJKM aorian’ny Synoda Lehibe:

Aorian’ny Synoda Lehibe, ny Filohan’ny FJKM, am-perin’asa na izay handimby, dia manana andraikitra ho fampahafantarana ny vokatry ny Synoda araka ny Fotodalana and. 34: 6- 7: “Ny Filohan’ny Mpiandraikitra Foibe no Filohan’ny FJKM. Toy izao manaraka izao no andraikiny : 6.: Mampahafantatra ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe amin’ny Fiangonana, 7: Mamangy ny Synodamparitany ho fampirisihana azy amin’ny fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy”.

Eto am-pamaranana dia miara-mivavaka isika mba ho antoky ny fahatanterahan’ny Synoda Lehibe.

Rasorampiangonana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV