Alarobia 13 Oktobra 2021

Asan’ny Apostoly 2. 41 – 47

Ny olona nampiombonin’ny Tenin’Andriamanitra

1- Miombona amin’ny fifanampiana

« Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra, » (and. 44)

Rehefa nandre sy nandray tsara ny Tenin’Andriamanitra ireo Kristianina voalohany, dia tonga fiainan’izy ireo mihitsy izany. Nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny fiombonana ny Tenin’Andriamanitra : niray toerana , niombonana fananana, nivarotra tany sy fananana ka nozaraina tamin’ny tsy manana. Rehefa mino ny Filazantsara ny olona dia mandala ny fiombonana sy ny fifanampiana , indrindra eo amin’ny samy mpianakavy ny finoana. Ny finoana ny Filazantsara an’i Jesoa Kristy dia mitarika ho amin’ny fiombonana sy fifampitsinjovana . Minoa ny tenin’i Jesoa Kristy dia hahay hiombona sy hanampy ny hafa ianao.

2- Miombona amin’ny Fanasan’ny Tompo

« Ary dia niray saina isanandro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ny tempoly ary namaky mofo… » (and. 46)

Ireo izay nino ny Filazantsara dia nazoto niombona tamin’ny fiaraha- manompo teo amin’ny kianjan’ny Tempoly sy ny Fanasan’ny Tompo tamin’ny fifaliana. Mariky ny fandraisan’ny olona ny Filazantsara ny fiombonana amin’ny fiderana an’Andriamanitra izay foto-kevitry ny Fanasan’ny Tompo. Ny fiombonana ivelan’ny finoana ny Filazantsara dia tsy misy fifaliana ho amin’ny fanompoana sy ny Fanasan’ny Tompo. Ny olona mino ny Filzantsaran’i Jesoa Kristy no mahay miombona , amin’ny fifaliana amin’ny fanompoana eo amin’ny fiangonana sy ny Fanasan’ny Tompo.

Fanontaniana :

Inona no sakana tsy hanananao fiombonana amin’ny mpino hafa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV