Talata 14 Septambra 2021

JAONA 3.22-30

1-Nanao batisa i Jesoa

Raha miainga amin’ny and 22 isika dia voalaza eo tsy misy iadian-kevitra mihitsy fa tena nanao batisa i Jesoa .Misy fanehoan-kevitra hafa ihany anefa milaza fa tsy i Jesoa velively no nanao batisa (cf Jao 4.1-2) . Ny mpahay Baiboly kosa dia milaza fa tena azo ekena mihitsy ny fanaovan’i Jesoa batisa talohan’ny nanaovany ny andraikitry ny mpaminany mifindrafindra toerana . Raha araka ny voalaza eto koa dia tsy tamin’ny toerana iray akory no nanaovany izany sy ny nanaovan’i Jaona mpanao batisa izany. Avy eo kosa anefa dia nifantoka tanteraka tamin’ny iraka manokana ho Azy Izy fa ny mpanara-dia Azy no nampanaoviny ny batisa .

2-Ny fanehoan-kevitr’i Jaona momba izany

Misy sary iray nampiasain’i Jaona eto raha milaza izay ataony sy izay ataon’i Jesoa izy tamin’ny alalan’ny fampakaram-bady ka nilazany izay tandrify ny mpampakatra sy ny sakaizan’ny mpampakatra . Nanondro ny tenany ho ilay sakaizan’ny mpampakatra izy tamin’izany fa i Jesoa kosa no nolazainy ho ilay mpampakatra . Ny sakaizan’ny mpampakatra , hoy izy dia mikarakara mialoha ny zavatra rehetra momba ny mariazin’ny mpampakatra ary koa manao izay hahatanteraka soamatsara izany mandritry ny andron’ny fampakarambady.Tapitra ny andraikitra noraisiny amin’ny maha- sakaizan’ny mpampakatra azy rehefa vita soa ny mariazy fa an’ny mpampakatra sisa no manohy izany .Tsy mifanohitra mihitsy ny andraikitra noraisin’i Jaona mpanao batisa sy izay voalaza ami’izay nataon’i Jesoa Kristy satria izy tsy maintsy mihena , iJesoa kosa tsy maintsy mitombo .

Fanontaniana :

Mifanohitra ve ny asa fanompoana nataon’i Jaona mpanao batisa sy izay nataon’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV