SP 12/Ambohitrony

FJKM AMBOHITRONY MANANARA SP AA 12

Hanamarika fotoan-dehibe roa sosona

1996 – 2021, feno 25 taona ny naha-mpitandrina an’Atoa RAKOTOARIMANANA Auguste, ary feno 20 taona kosa no niarahany niasa tamin’ny fiangonana FJKM AMBOHITRINY MANANARA Synodamparitany Antananarivo atsinanana. Hankalaza an’Andriamanitra noho izany fotoan-dehibe izany ny Mpitandrina mivady sy ny zanany miaraka amin’ny Fiangonana. Ny Sabotsy 18 Septambra 2021 izao no hanatanterahana ny fiombonam-bavaka. Manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina ny fotoana izay tarihin’ny FOIBE sy ny Synodamparitany Atsinanana. Ny Alahady 19 Septambra manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina kosa dia fanompoam-pivavahana tarihin’ny Fiangonana sy ny Zanak’Ampielezana. “ Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an’ny jentilisa Izy” (Isaia 42: 1). Io no teny faneva nosafidian’ny fiangonana ho amin’izao jobily volafotsy sy fiaraha-miasa amin’ny mpitandrina mianakavy izao.

Nanangona R. Philémon

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina