Hafatry ny Aumôniers

HAFATRY NY AUMONIERS NY ZOMA 13 AOGOSITRA 2021

*Fisaorana ny Mpiandraikitra Foibe nanome sy naneho fitokisana anay

*Fisaorana ny Synoda nandray anay

Ry havana malala ao amin’ny Tompo,

-Niaina anatin’ny fandrosoan’ny teknolojian’ny serasera isika kanefa isika mpamonjy Synoda izao: na Mpitandrina, na Diakona , na Mpiandry na Katekista tonga aty dia samy efa nanao fanekena hitazona tsiambaratelo ka tokony hitandro ny firaisan’ny Fiangonana tsy ho simba.

Tsy azo ialana ny serasera kanefa tsy tokony hatao fitaovana hampisavorovoro akory izany: andro vitsy izay, ohatra, dia niely tamin’ny alalan’ny facebook ilay lista misy ny anaran’ny olona tiana ho lany ho Biraon’izao Synoda Lehibe izao. Dia lany ny ¾ n’ireo tao anaty lista. Izany hoe: ny fanaon’izao tontolo izao no manjaka tanteraka ato anatin’ny Synoda: mahamenatra manala baraka fa tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatr’ olona.Anton-dresaky ny maro, tsy ato anatin’ny Fiangonana ihany fa ivelan’ny Fiangonana indrindra koa, ary manerana izao tontolo izao izany. Ary efa misy sahady ny lisitr’ ireo hofidina ho MF koa hono miely any.

Koa miangavy izay nanao izany mba tsy hamoaka intsony zavatra miteraka fifampiandaniana sy fifampisarahana toy izany. Ary satria hiroso amin’ny fifidianana isika, dia handeha re samy hihaino sy hankato ny bitsiky ny Fanahy mba hitandrovana ny voninahitr’Andriamanitra. Ary koa “aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny « (Jak.1:19).Zanaky ny mazava isika ao amin’i Jesoa Kristy, koa aoka handeha amin’ny mazava sady hiorina tsara amin’ny finoana araka ny teny fanevantsika: “Miorena tsara, aza miova” I Kor.15.58a

Amin’ny anaran’ny Aumôniers ny SL XIX

Razarasoa, Mpitandrina

Rabemila Yvette, Mpitandrina

-Rabehatonina James, Mpitandrina

Rabenandrasana Lala Giselle, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV