Zoma 18 Jona 2021

Romana 12. 3-8

Ny mpino ao anaty Fiaraha-monina. And. 8

« Mananatra »: Raha fananarana dia aoka ho amin’ny fananarana hoy i Paoly. Maro tokoa ny anatra ataon’ny olona, ny ataon’ny ray aman-dreny amin’ny zanaka ohatra. Ireny dia miainga amin’ny lamina napetraky ny fiaraha-monina. Fa izay ambaran’i Paoly kosa dia ny fiainana sy fizarana ny Tenin’Andriamanitra ho tafatoetra ao am-pon’ny mpihaino ka hahatonga azy hino sy hanam-paniriana hankato ary hanolo-tena ho an’Andriamanitra.

« Manome« : Raha manome dia ho amin’ny fahantsora-po. Fa efa andron’ny fitiavan-tena izao vanim-potoana hiainan-tsika izao. Sarotra amin’ny olona ankehitriny izany hoe manome ka tsy misy tambiny andrasana. Raha amin’ny maha Kristiana dia ny fo manolotra no mibaiko ny fanolorana fa tsy mijery izay atolotra sy ho tolorana satria Ny Tompo dia mijery ny fontsika (vakio Mat 12.44). Fa ny haben’ny fitiavana tao am-pon’I Jesoa no nanolorany ny tenany hamonjy antsika ka izany no tokony hanolorantsika ny tsara ho amin’ny asany.

« Manapaka »: Ny hoe manapaka dia andraikitra iray omen’Andriamanitra ahafahana mitantana sy mandrindra ireo asa maro. Tena tsara sy mety indrindra raha ny kristiana no manana anjara toerana amin’ny fanapahana, tsy ao am-piangonana ihany fa eo amin’ny fiaraha-monina sy firenena mihitsy aza. Raha ny olona tsy manam-pahendrena no mitana ny toeran’ny mpitantana dia zava-doza no hanjo ny tany ama-monina. Manafatra Paoly fa tokony hatao amin’ny fahazotoana izany fa tsy amin’ny fitadiavam-boninahitra, fa ny voninahitra dia an’Andriamanitra irery ihany ( vakio Efe.4.11-12)

« Mamindra fo »: Ny famindram-po dia tena asan’Andriamanitra tokoa. «  Isaorana anie Andriamanitra, Rain’I Jesoa Kristy Tompontsika Rain’ny Famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra » (2Kor. 1:3). Koa ny famindram-po dia fanaon’ny zanak’Andriamanitra rehetra. Ny fifanenjehana sy ny fifamonoana no manjaka amin’izao. Isika Kristiana no andrasan’Andriamanitra haneho izany famindram-po izany.

Fanontaniana:

Inona no efa niainanao tamin’ireo toetra ireo?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV