Zoma 30 Aprily 2021

Matio 5. 13-16

Ambaran’i Jesoa Kristy Tompo amin’izao toriteniny izao fa ny mpino navotan’i Kristy dia :

1 – Fanasin’ny tany

Tahaka ny fanasina izay ampiasaina hanomezana tsiro dia toy izany koa ny mpino izay navotan’i Kristy : ho modely eto amin’izao tontolo izao amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Ny toetra tsara ananan’ny mpino dia hahatsara ny tany ka hahatonga azy ho toerana mahatamana. Raha manary ny toetrany amin’ny maha -fanasina azy ny fanasina dia lasa matsatso, ka tsy misy ilana azy intsony (and. 13). Ho toy izany koa isika raha tsy miorina ao amin’ny Tompo. Ariana any ivelany , tsy misy lanjany eo amin’ny sehatra anirahana azy intsony. Aoka isika hiaina amin’ny maha- fanasina mba ho fianaran’ny hafa hahatonga azy ho mpino ao amin’i Jesoa Kristy.

2 – Fahazavana

Ny mpino miorina amin’ny fanavotan’i Kristy koa dia ho fahazavana ho an’ny hafa, hitondra fahazavana any amin’ny Jentilisa (Isa. 42:6). Jesoa koa dia milaza, fa Izy no fahazavan’izao tontolo izao (Jao. 9:5). Ny fahazavana izay entin’ny mpino dia tsy avy aminy fa taratr’ilay tena fahazavana dia Jesoa Tompo. Hamiratra tokoa ny fahazavana satria navotan’i Kristy ny mpino, ary mitoetra ao Aminy sady mifandray tsy tapaka amin’Ilay Mpanavotra. Manazava sy manoro làlana ao amin’ny maizina ny Fahazavana. Koa aoka isika izay miorina noho ny fanavotan’i Kristy ho tena fahazavana ary tsy manam-pahataperana izany. Mitsangàna àry fa tonga ny fahazavanao. Meteza ho zanaky ny mazava.

Fanontaniana :

Tsapanao ve fa fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao ny Fiangonana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 29 Aprily 2021

1 JAONA 2.1-2

I Kristy no mpisolo vava

Ny mpino resy lahatra dia mieritreritra mandrakariva izay hialana amin’ny fahotana . Andriamanitra dia mazava ary tsy misy maizina akory ao Aminy . Tsy tanteraka anefa ny mpino fa mbola mahatsiaro fa mpanota . I Jaona dia manome toky fa manana mpisolovava isika dia :

1-Jesoa Kristy Ilay marina

I Jaona dia mampiasa ireo anarana entin’i Jesoa mba hisoloana vava ny mpino . Ny hoe : « Jesoa » dia mampahatsiahy fa olombelona ka afaka miombom-po amintsika . Ny hoe : « Kristy » kosa dia Izy no Ilay voahosotr’ Andriamanitra hiaro ny mpanota , ary « Ilay Marina » dia midika fa tsy mila mpisolovava isika , fa Izy no afaka hisolo tena ny hafa . Jesoa Kristy , Ilay Marina no mampiorina ny mino mba hananany faharetana ao amin’Andriamanitra . Aoka hiorina ao amin’i Jesoa Kristy ianao , fa Izy no Ilay « Marina » hisolo vava anao .

2-Izy no Avotra noho ny fahotantsika

Nahatran’i Jesoa tamin’ny tenany amin’ny maha- Avotra Azy ny famaizana vokatry ny fahotantsika. Ny hoe : « avotra » dia fanatitra fampitoniam-pahatezerana , satria tezitra amintsika Andriamanitra . Jesoa no nisolo voina antsika mba hampitony izany fahatezeran’Andriamanitra izany . Manafaka ny fahotantsika Izy . Jesoa no Avotra ho an’izao tontolo izao (and2) . Omena ho an’ny mino ny famelankeloka , sady raisin’ireo izay miverina ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana . Izy no avotra noho ny fahotantsika . Miorena mafy amin’ny finoana , fa isika dia navotan’i Kristy tamin’ny Rany soa , ary Izy no mpisolovava antsika eo anatrehan’Andriamanitra Ray .

Fanontaniana :

Tsaroanao ve ny fanavotan’i Kristy teo amin’ny fiainanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

CEVAA /Fifaninanana

FIFANINANANA SARY AMPANAOVIN’ NY CEVAA

HO AN’ NY ANKIZY 8-12  TAONA

Ao anatin’ ny fanamarihana ny faha-50 taona niorenan’ ny Vondrom-piangonana CEVAA dia mampanao fifaninanana sary izy ireo ho an’ ny ankizy  8 taona hatramin’ ny 12 taona.

Ny CEVAA dia vondrom-piangonana misy mpikambana 35 manerana ny Kaontinanta efatra, manana teny faneva izy manao hoe : « partager pour agir » izany hoe fifampizarana no hery manosika ny mpikambana rehetra , ka ny FJKM dia mpikambana ao amin’ ity vondrom-piangonana ity .

 Koa  amporisihina indrindra ny ankizy rehetra voakasik’ io salan-taona io satria maimaimpoana ny fandraisana anjara.

« Dessine-moi  la CEVAA » na adika amin’ ny teny malagasy hoe : Asehoy an-tsary ny CEVAA.

Izany no lohahevitra, koa raha liana ary koa manan-talenta ny zanakao ry Ray aman-dreny dia ampanaovy fifaninanana izy ; indro omena antsika  etoana ny andinindininy sy tsara ho fantatra mahakasika ilay fifaninanana sary.

Na mijery peta-drindrina aty amin’ ny Foibe FJKM Analakely na mitsidika ny FB Seraseram-pifandraisana FJKM.

Alarobia 28 Aprily 2021

JODA 17-25

Mba hiorenana amin’ny fanavotan’i Kristy sy hahazoana miaro ny finoana masina dia tsara ny :

1-Mitadidy ny fampianaran’ny Apostoly

Manoloana ny fiainam-pinoana dia tokony tsy hahataitra ny mpino ny fisian’ireny mpampianatra sy mpaminany sandoka ireny . Ny fahaizantsika mpino izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina no handresena azy ireny . Tsara ny mahatakatra izay voambara ao amin’ny Baiboly , ary afaka mampiasa izany araka izay ilana azy handresena ny fahavalo (Mat 4.4,7,10) . Tsy hoe : mitadidy ihany fa ampiasaina amin’ny ilana azy ny Soratra Masina .

2-Mivavaka amin’ny Fanahy Masina

Ambaran’i Joda eto izay ho fifandraisan’ny mpino amin’Andriamanitra , izay adika hoe : ao amin’ny Fanahy Masina . Toa manambara sady mampahatsiahy antsika izay fifandraisan’Andriamanitra sy ny Fanahy Masina . Aoka ho feno ny Fanahy isika (Efe 5.18) ary hiankina amin’ny Fanahin’ny Fahamarinana (Jao 14.17) Koa raha tsy eo ny Fanahy dia tsy afa-manao na inona na inona amin’ny alalan’ny tenantsika samirery isika (Zak 4.6 )

3-Mitoetra maharitra amin’ny fitiavana

Io fitiavana io no marika hahalalana fa mpianatr’i Kristy ny mpino (Jao 13.35) . Efa tafiditra ao amin’ny fianakavian’Andriamanitra isika noho ny fitiavany . Manentana indray i Joda eto manao hoe : tehirizo ny tenanao ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra ka mahandrasa (and21)

Fanontaniana :

Mba mitoetra maharitra amin’ny fitiavan’i Kristy ve ny Fiangonana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

MOFO/ Volana Mey 21

MAMPIORINA NY MINO NY HERIN’NY FANAHY MASINA

Teny hovakiana isanandro

DatyTeny vakiana
01Mpit 3.9-11
02Deo 34.5-9
03Lio 2.22-32
04Asa 11.1-18
05Mat 10.16-20
06Eze 37.1-14
072 Kor 3.1-6
08Isa 11.1-10
09 Mar 13.9-11
10Gen 41.37-46
112 Sam 23.1-7
12Rom 5.1-5
13Asa 1.6-11
14Jao 3.9-15
152 Mpan 2.9-14
161 Kor 12.12-13
17Isa 42.1-4
18Sal 104.24-30
19Mar 12.14-21
20Jao 14.15-26
21Neh 9.20-25
22Rom 8.12-17
23Eze 36.22-30
241 Tes 1.1-10
25Jao 16.12-15
26Hag 2.1-9
27Nom 11.24-30
28Nom 11.24-30
29Asa 4.23-31
30Lio 10.17-24
31Efes 3.14-20

Talata 27 Aprily 2021

MATIO 18.10-14

Ny mino navotan’ i Kristy

1-Tsy manao tsinontsinona ny madinika

I Matio milaza amintsika mpamaky ny tsy tokony hanaovana tsinontsinona ny madinika . Miantefa aminao izany teny izany . Zanak’Andriamanitra avokoa isika , ary mifandray mivantana amin’ny fanatrehany ireo madinika ireo Izy . Mikarakara mijery manokana Izy , sao ataon’ny hafa tsinontsinona ka tsy hananan’izy ireo fifaliana ao amin’ny lanitra . Ho anao mino , izay navotan’i Kristy , aza ho isan’izay manana firehan-kevitra hanao tsinontsinona ny madiniky ny Tompo . Aoka ho tonga fianarana ho an’ny hafa isika amin’ny fikarakarana azy ireny . Manàna fahatahorana an’Andriamanitra . Aza mihevitra ny hanilika.

2-Mamerina ny mania ho ao am-bala

Tsy sitrak’Andriamanitra mihitsy ny hahavery na dia iray aza . Hamonjy antsika no antom-pahatongavany teto an-tany . Mifandray mivantana amin’ireo madinika ireo Izy . Raha misy mania dia ataony izay hiverenany ao am-bala. Tsy mora akory ny mamerina ny ondry ao am-bala , fa atao am-pitiavana izany . Isika mino izay navotan’i Kristy dia manana adidy hamerina izay nania ho ao am-balan’i Kristy . Tsy sitrak’Andriamanitra ny hahavery azy ireny na dia iray aza (and 14). Tsy vitan’ny mamerina fotsiny fa mifaly koa rehefa tafaverina ao am-bala ilay ondry mania . Jesoa Kristy dia tonga hitady sy hamonjy ny very , irahiny hanohy ny asa ianao mpino izay navotany . Koa mahereza ao amin’ny Tompo .

Fanontaniana :

Mba isan’ny mpanompon’Andriamanitra namerina ny ondry nania tao amin’ny Fiangonana misy anao ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 26 Aprily 20211

2 KORINTIANA 13.1-4

Miorina ao amin’ny Tompo ny mino noho ny :

1-Tenin’ny vavolombelona

Paoly Apostoly no manoratra ho an’ny Korintiana amin’ny alalan’izao fiverenany fanintelony any Korinto izao . Milaza amin’ny mpino izy noho ny amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo mba hanorenana mafy ny teny rehetra,izay nambara teo aloha . Mampahatsiahy izany izy ary miara-milaza ny ankehitriny koa. Jesoa dia naniraka vavolombelona izay nitondra ny teniny teo amintsika mba hiorenana amin’ny finoana . Ekeo àry ny tenin’ny vavolombelony , raiso ho anao , hiorenana amin’ny finoana , ary handraisana koa ny fanavotana ao Aminy . Mendrika ny hisitraka izany isika satria miorina ao Aminy noho ny tenin’ny vavolombelona .

2-Fahaveloman’i Kristy

Ambaran’ny mpanoratra eto ny amin’ i Paoly Apostoly fa na dia mpanota aza izy , nanana ny fahalemeny dia tonga mahery kosa noho ny fahaveloman’i Kristy ao anatiny . Kristy ekena dia hanana hery sy fahavononana hilaza amin’ny hafa , fa izay mino sy miorina ao amin’ny Tompo dia manana miaraka Aminy . Maty teo ambonin’ny hazo fijaliana Izy , noho ny fahotantsika dia fiainana sy fahavelomana ho an’izay mino fa fahadalana kosa ho an’izay very . Kristy no ivon’ny fiainantsika izay hanehoana koa ny finoana marina manoloana ny hafa . Meteza àry ho mpanompony dia hivelona sy hiaina miaraka amin’i Jesoa Kristy fa Izy no fahavelomantsika .

Fanontaniana :

Mba anisan’ny nanaiky ny tenin’ny vavolombelon’ny Tompo ve ianao sa nandà ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 25 Aprily 2021

Ohabolana 22:4-6

Boky iray ao amin’ny Baiboly ny Ohabolana, tafiditra ao anatin’ny fizarana fahatelo izay atao hoe : Bokin’ny fahendrena sy Tononkalo. Manana ny mampiavaka azy ny boky, ary mitondra fahendrena sy fahamendreham-pitondran-tena. Anisan’ny mora raisina indrindra ao amin’ny Testamenta Taloha ny bokin’ny Ohabolana, satria mahasahana ny lafin-javatra maro samihafa eo amin’ny fifandraisana ao anatin’ny fiaraha-monina sy ny fitsipi-pitondran-tena amin’ny andavanandro.

Tsy navela handalo fotsiny anefa izany fa mba hiorenan’ny mino ao amin’Andriamanitra, Tompon’ny lanitra izay mampianatra rahateo ho amin’ny fahamendrehana. Ny ataonao dia misy valiny avokoa , fa hoy ny voasoratra : » Ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena, voninahitra, fiainana » (and. 5) . »Tsilo sy fandrika no amin’ny alehan’ny maditra. Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany ». Tsy ho amin’ny fiainana andavanandro ihany no lazain’ny boky, fa mahasahana ny fianan-ko avy koa, indrindra eo amin’ny taranaka.

Ny fampianarana sy fampiorenana ny lalàna marina eo amin’ny mino dia fanabeazana ho azy, ka hananany fiainana mitohy tsy miova , hiorenany ao amin’ny Tompo.

Ny ohabolana eto no mampahatsiahy antsika fa ny fijoroana amin’ny maha- mpino eo amin’ny sehatra izay misy dia hisehoan’ny Voninahitr’Andriamanitra. Ary ny fanabeazana azo hatramin’ny fahazazana dia lovana mandraka antitra.

Fanontaniana :

Amin’ny maha mpino anao, misy akony eo amin’ny fiainanao ve ny fanabeazana fony fahazazana’?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 24 Aprily2021

NOMERY 17.9-14

Izay hiorenan’ny mino

1 – Amin’ny alalan’ny vavaky ny mpanompo

Raha nikomy teo anatrehan’Andriamanitra ny zanak’Israely, nimonomonona tamin’i Mosesy, izay noheverina ho tompon’andraikitra teo amin’ny vahoaka , sy izay zava-niseho. Na dia nisy aza ny fikasan’Andriamanitra hanafay azy ireo, I Mosesy sy Arona kosa dia nivavaka sy niankohoka teo anatrehan’Andriamanitra mba hitondrana ny fifonana, ary koa mba hiorenan’izy ireo satria olom-boavotra.

2 – Fanaovana fanati-pamelan-keloka

Na dia teo aza ny fanapahan-kevitr’Andriamanitra ho mariky ny fitsarana ny vahoaka , dia afaka nanao fanati-pamelan-keloka ho an’ny vahoaka noho ny fahotana izay nataony i Mosesy sy Arona. Ny mpanompony dia mitondra mandrakariva eo anatrehan’Andriamanitra ny fahotan’ny vahoaka , ary mifona sy mivalo ho azy ireny mba hamelana ny helony . Tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy izany, ka nitondrany ny helotsika teo amin’ny hazofijaliana. Ny tenany mihitsy no nataony fanatitra mba hanavotana antsika .

3 – Amin’ny fanelanelanana ataon’ny mpanompony

Aseho miharihary eto ny andraikitry ny mpisorona amin’ny maha – mpanelanelana azy eo amin’ny vahoaka sy Andriamanitra. Ambara eto ny toeran’i Arona izay nijoro teo anelanelan’ny velona sy ny maty, nanakana ny fitomboan’ny isan’ny maty teo amin’ny vahoaka. Ny mpino miorina ao amin’ny Tompo dia manana adidy goavana tahaka izay nataon’i Arona eto. Ny fiangonana no solo-tenan’i Kristy eto an-tany hitondra ny hetahetan’ny mpino ao amin’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Hatraiza ny fanekenao ireny mpisoron’Andriamanitra ireny?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM