Alakamisy 29 Aprily 2021
1 JAONA 2.1-2
I Kristy no mpisolo vava
Ny mpino resy lahatra dia mieritreritra mandrakariva izay hialana amin’ny fahotana . Andriamanitra dia mazava ary tsy misy maizina akory ao Aminy . Tsy tanteraka anefa ny mpino fa mbola mahatsiaro fa mpanota . I Jaona dia manome toky fa manana mpisolovava isika dia :
1-Jesoa Kristy Ilay marina
I Jaona dia mampiasa ireo anarana entin’i Jesoa mba hisoloana vava ny mpino . Ny hoe : « Jesoa » dia mampahatsiahy fa olombelona ka afaka miombom-po amintsika . Ny hoe : « Kristy » kosa dia Izy no Ilay voahosotr’ Andriamanitra hiaro ny mpanota , ary « Ilay Marina » dia midika fa tsy mila mpisolovava isika , fa Izy no afaka hisolo tena ny hafa . Jesoa Kristy , Ilay Marina no mampiorina ny mino mba hananany faharetana ao amin’Andriamanitra . Aoka hiorina ao amin’i Jesoa Kristy ianao , fa Izy no Ilay « Marina » hisolo vava anao .
2-Izy no Avotra noho ny fahotantsika
Nahatran’i Jesoa tamin’ny tenany amin’ny maha- Avotra Azy ny famaizana vokatry ny fahotantsika. Ny hoe : « avotra » dia fanatitra fampitoniam-pahatezerana , satria tezitra amintsika Andriamanitra . Jesoa no nisolo voina antsika mba hampitony izany fahatezeran’Andriamanitra izany . Manafaka ny fahotantsika Izy . Jesoa no Avotra ho an’izao tontolo izao (and2) . Omena ho an’ny mino ny famelankeloka , sady raisin’ireo izay miverina ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana . Izy no avotra noho ny fahotantsika . Miorena mafy amin’ny finoana , fa isika dia navotan’i Kristy tamin’ny Rany soa , ary Izy no mpisolovava antsika eo anatrehan’Andriamanitra Ray .
Fanontaniana :
Tsaroanao ve ny fanavotan’i Kristy teo amin’ny fiainanao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM