Talata 27 Aprily 2021

MATIO 18.10-14

Ny mino navotan’ i Kristy

1-Tsy manao tsinontsinona ny madinika

I Matio milaza amintsika mpamaky ny tsy tokony hanaovana tsinontsinona ny madinika . Miantefa aminao izany teny izany . Zanak’Andriamanitra avokoa isika , ary mifandray mivantana amin’ny fanatrehany ireo madinika ireo Izy . Mikarakara mijery manokana Izy , sao ataon’ny hafa tsinontsinona ka tsy hananan’izy ireo fifaliana ao amin’ny lanitra . Ho anao mino , izay navotan’i Kristy , aza ho isan’izay manana firehan-kevitra hanao tsinontsinona ny madiniky ny Tompo . Aoka ho tonga fianarana ho an’ny hafa isika amin’ny fikarakarana azy ireny . ManĂ na fahatahorana an’Andriamanitra . Aza mihevitra ny hanilika.

2-Mamerina ny mania ho ao am-bala

Tsy sitrak’Andriamanitra mihitsy ny hahavery na dia iray aza . Hamonjy antsika no antom-pahatongavany teto an-tany . Mifandray mivantana amin’ireo madinika ireo Izy . Raha misy mania dia ataony izay hiverenany ao am-bala. Tsy mora akory ny mamerina ny ondry ao am-bala , fa atao am-pitiavana izany . Isika mino izay navotan’i Kristy dia manana adidy hamerina izay nania ho ao am-balan’i Kristy . Tsy sitrak’Andriamanitra ny hahavery azy ireny na dia iray aza (and 14). Tsy vitan’ny mamerina fotsiny fa mifaly koa rehefa tafaverina ao am-bala ilay ondry mania . Jesoa Kristy dia tonga hitady sy hamonjy ny very , irahiny hanohy ny asa ianao mpino izay navotany . Koa mahereza ao amin’ny Tompo .

Fanontaniana :

Mba isan’ny mpanompon’Andriamanitra namerina ny ondry nania tao amin’ny Fiangonana misy anao ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2021

Mey: MAMPIORINA NY MINO NY HERIN'NY FANAHY MASINA

| | 16. Ala.VI man Paska
Neh 9.20-25/ Mat 12.14-21/ 1 Kor 12.12-13

| | 23. PENTEKOSTA- Alahady FFPM
Eze 36.22-30 /Jao 16.12-15 / 1Kor 2.1-5

| | 30. Ala. Trinite
Eks 31.1-5 / Lio 10.17-24 / 1 Jao 3.18-20

FJKM Fahazavana

Alahady 09 Mey 2021

FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA