Vehivavy tsara

VEHIVAVY MPANARA-DIA AN’NY TOMPO

Ny tena Vehivavy mpanara-dia an’i Tompo, satria vehivavin’ny Tompo isika, dia tsofy rano amin’ny alalan’ny teniny ny tenantsika hoe : Araka ny voasoratra dia tononiko fa ; – Izaho dia vehivavy nohasoavin’ny Tompo manokana, nofidiny ka hampaherezina isan’andro na inona ady lalovako (ady sarotra, hakiviana), mba tsy hiala aminy;

– Izaho dia vehivavy mahery, tsy resin’ny fiainana, tsy resin’ny olana, tsy resin’ny fanenjehana satria lehibe izay eo amin’izao tontolo izao;

– Izaho dia vehivavy mitombo fahendrena, faharanitan-tsaina, fahatahorana an’ Andriamanitra! izany hoe : manao izay zavatra rehetra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra;

– Izaho dia vehivavy mitondra fiantraikany tsara eo amin’ny toerana misy ahy, fitaratra tsara ho an’ny hafa sy ny manodidina. Izany hoe manao zavatra tsara sy mendrika mba ho fitaratra tsara;

– Izaho dia vehivavy tsy mpifosa olona, tsy mpiditra amin’ny fiainan’ny olona hafa , tsy mpialona olona, fa feno FITIAVANA tahakan’ i Jesoa Kristy, ary vonona hanampy ny hafa amin’ny lafin-javatra rehetra, hifaly amin’ny fahombiazan’ny hafa fa tsy mpamotika ny hafa;

– Izaho dia Vehivavy tsara, hoy ny Tompo, ka mamoa voa tsara, tsy ahoako izay fijerin’ny olona ahy, fa ny fijerin’ny Tompo ahy ihany no fantatro satria izay no marina;

– Vehivavy mpandresy aho! Misy dikany ny fisiako matoa noharian’Andriamanitra aho.

Isika vehivavy dia tokony  hanana ireo rehetra ireo tokoa satria mpandresy isika ao amin’i Kristy Jesoa!

Rondro Vahatriniaina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV