Kolejy Teolojika Ivato/Fampitaovana

Mihetsika ny 3FA, mijoro ireo mpitarika ankehitriny

Taorian’ny antso izay nataon’ny Filohan’ny FJKM teny amin’ny Coliséum Antsonjombe ny 17 Janoary 2021 lasa teo, dia nijoro ny 3FA na Fampitaovana sy Fanatsarana ary Fanitarana ny Toeram-Panomanana Mpitandrina eny Ivato. Anisan’ireo asa miandry ny fametrahana varavarana ho an’ny mpianatra, ny trano fidiovana sy lakozia ary kojakoja samihafa ao amin’ny efitrano fatoriana. Nisongadina ireo nandritry ny fihaonan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny CFD Ampandrana. Manana kaontin’ny FOIBE FJKM ny 3FA ary azo arotsaka ihany koa ao amin’ny Mvola 03414 620 15, na Airtel money03314 250 37, na orange money 03296 025 45 ny fanohanana azonao alefa ary misy rosia manamarina izany. Fiaraha-miasan’ny mpitandrina sy ny laika izy io, ka ny filoha mpitarika dia ny Filohan’ny FJKM, ny Mpitandrina Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi.

Manentana ny rehetra mba handray anjara amin’ity hetsika goavana ity ireo mpitarika ny asa ankehitriny satria ny tanjona dia ny fahavitan’ny asa manontolo.

Jaona Raoly

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV