Alahady 28 febroary 2021

2 Tantara 12:1-8

Andriamanitra Mpanafaka

  1. Mahafoy izay misaraka Aminy

« Ary Rehoboama.. dia nahafoy ny lalan’i Jehovah izy sy ny Israely rehetra » (and. 1)

Hatramin’ny andro nanosorana an’i Rehoboama ho mpanjakan’i Joda nandritry ny telo taona dia nahery sy nandry fahalemana ny tany satria nihaino ny Tenin’i Jehovah ny mpanjaka sy ny vahoaka. Nony nahafoy ny « lalàn’i Jehovah » ny vahoaka dia tonga nanafika an’i Jerosalema ny mpanjakan’i Egypta. Amin’ny fotoana iheveran’ny olona fa milamina ny fiainany ka ahafoizany ny lalàn’Andriamanitra dia ho tonga tampoka amin’izany olona izany ny loza. Koa aza misaraka amin’Andriamanitra dia hitoetra aminao hatrany ny fiadanan’Andriamanitra sy Jesoa Kristy.

2. Mamonjy izay miaiky ny fahadisoany

« … Efa niaiky izy ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy… » (and. 7)

Rehefa tafiditra tao amin’ny tanànan’i Jerosalema ny miaramilan’i Sisaka mpanjakan’i Egypta dia tonga tao amin’i Rehoboama mpanjakan’i Joda i Semaia mpaminany nilaza fa ny fialana amin’i lalàn’i Jehovah no anton’izao. Niaiky ny fahadisoany i Rehoboama ka dia narovan’Andriamanitra ny ainy na dia nisy ihany aza ny famaizana azony. Rehefa miaiky ny fahadisoany noho ny faharatsiany ny olona. Andriamanitra mamindra fo aminy ka mamonjy azy, na dia misy ihany ny fahavoazana vokatry ny fahadisoana. Jesoa Kristy Mpanafaka.

Fanontaniana : Manao ahoana ny fahasalaman’ny fifandraisanao amin’Andriamanitra?

Sabotsy 27 Febroary 2021

Hebreo 13:7-16

Ny Olona mahatsiaro ny Mpitondra azy

  1. Maka tahaka ny finoany.

« Maneke ny mpitondra anareo, ka manoava azy, fa izy miambina ny fanahinareo » (and. 17)

Tamin’ny fotoana izay nanoratana ity Epistily ity dia nisy ireo Mpitandrina namahana Tenin’Andriamanitra ny « ondry », nandeha tamin’ny fahatokiana sy fanekena an’i Kristy izy ireo noho ny finoana tao amin’izy ireo ary naharitra tamin’ny finoana hatramin’ny farany, ary ny sasany aza maty maritiora. Izany no nampaherezana ny mpino mba hanao modely azy ireny amin’ny asa fanompoana. Ny fanekena ny mpitondra ankehitriny indrindra ireo mino an’i Kristy sy ny fanoavana azy, dia midika ho fanekena an’i Kristy sady mariky ny fahatsiarovana ireny mpitondra mahery tamin’ny finoana ireny. Koa ataovy amin’ny finoana ny asan’Andriamanitra.

2. Miorina amin’ny fahasoavana

« … tsara raha ampiorenina amin’ny fahasoavana ny fo fa tsy amin’ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy (and.9)

Tamin’ny fotoana izay nanoratana ity Epistily ity dia nisy ireo mpampianatra sandoka nitaona ny olona hifady ny hanina sasantsasany (Kol. 2:21. Ny fametrahana izany didy izany dia midika ho fialana amin’ny fahasoavana ka mitarika ny olona amin’ny fivavahana amin’ny endrika ivelany fotsiny ihany. Kanefa tsy mampiorina ny finoany akory. Amin’izao andro iainantsika izao, dia misy ihany koa ireny karazana fampianaran-diso ireny. Mila mitandrina isika mba tsy ho voasarika amin’izany, fa ny fialana amin’ny finoana marina ho amin’ny fampianaran-diso dia midika ho fialana amin’ny fahasoavana. Tehirizo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy ao aminao.

Fanontaniana : Ahoana ny fomba entinao miady amin’ny fampianaran-diso

Zoma 26 febroary 2021

Jaona 8.25-30

Jesoa Kristy Iraky ny Ray

1-Mitondra ny hafatry ny Rainy

« …ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao. » (and.26)

Tao amin’ny toriteny nataony no nambaran’i Jesoa Kristy fa Andriamanitra Ray no naniraka Azy ho ety amin’izao tontolo izao. Na dia efa nanambara izany aza i Jesoa Kristy dia tsy nety nino ny olona fa avy amin’ny Ray i Jesoa, ary vao mainka nanamafy i Jesoa Kristy fa « marina ny fanambarany ». Misy tokoa ankehitriny, ny olona izay efa  mandre ny fanambarana  ataon’i Jesoa Kristy ao amin’ny Soratra Masina fa avy amin’Andriamanitra Ray Izy ary marina ny fanambarany, saingy tsy mety mino ny olona. Fitsarana anefa no miandry ny olona  tsy mety mino. Koa minoa an’i Jesoa Kristy dia faka amin’ny fitsarana ianao.

2-Omban’ny Rainy mandrakariva

« Ary izay naniraka Ahy dia eto amiko , tsy nandao Ahy ho irery Izy… » (and.29)

Manoloana ny tsy finoan’ny olona an’i Jesoa Kristy sy ny Teniny, dia nanambara  ny fanantenana ho avy Izy, sady nampahafantatra fa Izy tokoa no Kristy ary Izy ihany koa no Iraky ny Ray. Namafisin’i Jesoa Kristy ihany koa fa manatrika Azy Andriamanitra Rainy sady manohana Azy. Manoloana ny tsy finoan’ny olona ny tenin’i Jesoa Kristy, Andriamanitra Ray kosa tsy mandao ny irany izay manao ny sitrapony. Ka na dia mamela anao ho irery aza ny olona, noho ny tsy finoany an’i Jesoa Kristy, tamin’ny iraka nampanaovina anao, matokia fa Andriamanitra tsy mahafoy  anao raha manatanteraka ny sitrapony ianao.

Fanontaniana

Hatraiza ny fahatokianao an’Andriamanitra amin’ny iraka nampanaoviny anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 25 febroary 2021

2 Tantara 17.1-13

Ny olona omban’Andriamanitra

1-Manao ny sitrapon’Andriamanitra

« …fa Jehovah Andriamanitry ny rainy kosa no tadiaviny, ary araka ny didiny no halehany… ». (and.4)

Tamin’ny andro nanjakan’i Josafata mpanjakan’i Joda dia voalaza fa nomban’Andriamanitra izy satria nisafidy hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra sy nandrava ireo karazan-tsampy samihafa, toy ny fitoerana avo ny Bala, ny Aseraha. Vokatr’izany  fanapahan-kevitr’i Josafata izany, dia  « nampitoerin’i Jehovah tamin’ny fanjakana izy ». Rehefa misafidy ny hitady an’Andriamanitra ny olona ka manatanteraka ny sitrapony ary misaraka amin’ny fanompoan-tsampy , Andriamanitra no mampitoetra azy amin’ny voninahitra. Koa katsaho mandrakariva ny Tompo dia  homba anao hatrany Izy.

2-Mahita fitia eo imason’ny olona

« Ary ny tahotra an’i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Joda… » (and.10)

Nomban’Andriamanitra tokoa i Josafata mpanjaka ka natahotra an’i Jehovah ny firenena manodidina, ary tsy nisy sahy nanafika ny firenen’i Joda izy ireo, ka nandry fahalemana  ny tany. Tonga ny firenena manodidina nanome vola aman-karena ho an’i Josafata, biby maro isan-karazany no nomen’ny Joda azy. Nataon’Andriamanitra nahita fitia teo anatrehan’ny olona ny mpanjaka. Rehefa omban’Andriamanitra ny olona  dia ataony mahita fitia amin’ny olona satria tonga matahotra an’Andriamanitra. Koa mitadiava an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy, dia hahita fitia eo anatrehany ianao.

Fanontaniana

Ahoana ny fomba iainanao ny fombàn’Andriamanitra anao ?

Alarobia 24 febroary 2021

Matio 13.47-52

Ny fanjakan’ny lanitra

1-Itaomana ny olona rehetra

« …ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin’ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra ». (and.47)

Oharina amin’ny harato tarihina ny fanjakan’ny lanitra eto. Ny harato  tarihina entina ilazana ny filazantsara, ary ireo voavory samy hafa karazana dia ireo nandre ny filazantsara ka milaza ny tenany ho kristiana avokoa na ny mino na ny tsy mino. Mifangaro ao anatin’ny Fiangonana avokoa ny marina sy ny tsy marina, amin’izao andro ankehitriny izao, vokatry ny fitoriana ny filazantsara. Samy miangona avokoa ny handova fiainana mandrakizay sy ny ho any amin’ny fahaverezana. Araka izany, itaomana ny olona rehetra, na ny handova fiainana mandrakizay na tsia ny fanjakan’ny lanitra, dia ny Fiangonana izany.

2-Anavahana ny tsara sy ny ratsy

« …hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina ». (and.49)

Amin’ny fahataperan’izao tontolo izao, dia hisy anjelin’ny lanitra hivoaka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina. Nihevitra mantsy ny Jiosy fa misy anjely ratsy amin’izao  andro ankehitriny izao ary anjely tsara ho avy. Andriamanitra haniraka mpitondra mitafy hery ho avy hametraka ilay anjely tsara amin-kery. Koa rehefa tonga ny fahataperan’izao tontolo izao, dia hisy fanavahana ny ratsy fanahy hiala amin’ny marina, ny ho very ho sarahina amin’ny olona handova ny fiainana mandrakizay. Amin’izay fotoana izay, ny fanjakan’ny laitra dia fanavahana ny tsy marina amin-kery hiala amin’ny ho voavonjy.

Fanontaniana

Efa vonona handova ny fanjakan’ny lanitra ve ianao ? Ahoana ny fiomananao amin’izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 23 Febroary 2021

NEHEMIA 9.1-8

Ny olona mibebaka amin’Andriamanitra

1-Maharitra mamaky soratra masina sy mivavaka

 » …dia namaky ny teny …dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan’i Jehovah Andriamaniny izy » (and3)

Niaiky ny helony sy ny fahotany ary nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra ny vahoaka Jiosy , ka naharitra tamin’ny famakiana ny bokin’ny lalàna nandritry ny ampahefatry ny andro , izany hoe : nandritra ny telo ora, ary nivavaka nitsotra teo anatrehan’i Jehovah Andriamaniny tao anatin’ny telo ora ihany koa . Mariky ny fanekena hankato ny Tenin’Andriamanitra sy fanehoana fahavononana hanompo an’i Jehovah Andriamanitra izany . Koa ny olona mibebaka amin’ Andriamanitra dia mila maneho fahavononana hanompo an’Andriamanitra sy hankato ny teniny ka maharitra amin’ny Tenin’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy sy ny vavaka ihany koa .

2-Manaiky ny fahefan’ Andriamanitra Mpahary

« Ianao dia ianao irery ihany no Jehovah . Ianao no nanao ny lanitra , dia ny lanitry ny lanitra » …(and6)

Rehefa avy nitaraina mafy tamin’i Jehovah Andriamanitra ny Levita , izay nitarika ny vahoaka tamin’ny vavaka, dia nitaona ny vahoaka hidera an’ Andriamanitra sy hanaiky ny fahefan’ Andriamanitra Mpahary ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy . Andriamanitra Tompon’ny hery sy fahefana ny Andriamanitra Mpahary ary miankohoka eo anatrehany avokoa ny zava-boahary rehetra . Ka izay rehetra mibebaka eo anatrehan’Andriamanitra Mpahary dia mila manaiky ny hery sy fahefana ananany izay nomeny an’i Jesoa Kristy velona .

Fanontaniana :

Inona avy ny fomba entina maneho ny fibebahana hita eto ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM.

Hafatry ny Filoha / Feb 21

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Dia ny filazantsara

Raisintsika am-po tokoa

Fa tsy hoe henoina ihany!

Andao handalina an’izany

Ka isan’andro isan’andro

Hovakina ny Baiboly

Fa tsy hatao indraindray

Rehefa misy zava-mafy

Itadiavam-bonjy ihany.

Andao hamaky Baiboly

Isan’andro, isan’andro,

mba hitombo fahalalana

ny tena hevitr’Andriamanitra

hahaizana mitondra tena

ao anaty fahendrena.

Andao hamaky Baiboly

Isan’andro isan’andro

Mba hananam-pahazavana

Amin’ny lalana haleha,

ka ny tenin’Andriamanitra

ary no hitsilo antsika

am’izay safidy atao

sy zavatra anapahan-kevitra!

Ka ny tenin’Andriamanitra

ary no hanitsy antsika

Rah’sanatria maniasia

Fa ny filazantsara,

rehefa iainana tokoa,

dia tena hery mahagaga,

loharanom-pamonjena!

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI

Mahaiza mitafy !

Fitafiana mendrika

Antony samihafa no hitan’ny mpandinika ka mahatonga ny olombelona hitafy. Samy tsy nitafy daholo ny tsirairay rehefa nivoaka avy tany am-bohoka.

Ny teny hoe « habit » (fitafiana) sy ny « habitat » (trano) dia avy amin’ny teny latina iray « habitus ». Toy ny trano ihany izany ny fitafiana, « miditra ao » no dikany ara-bakiteny.

1. NANINTSAM-BOLO

Rehefa nanomboka nanintsam-bolo ny vatan’ny olombelona, dia nitsiry koa ny hevitra hitafy. Ny ravinkazo, ny hodi-biby, no anisan’ny niandohan’izany fitafiana izany. Efa tany amin’ny 170.000 taona lasa tany, hoy ny mpikaroka, no efa niakanjo ny olombelona, fa hodi-biby no notafiany talohan’izany.

Ho fiarovany ny tenany tamin’ny loza sy ny toetrandro, ary ny famelezan’ny zavatra ety ivelany, dia nitafy ny olombelona. Hoditra ambonin’ny hoditra ny fitafiana amin’izany, mandrakotra ny tena manontolo.

2. FANANAHANA

Nitafy koa ny olombelona, hoy ny Antropology, noho ny antony ara-pananahana. Ny gidro, izay heverina fa akaiky ny olombelona, dia tsy nitafy, ary manao firaisana hatramin’ny imbalo ao anatin’ny indray andro, rehefa lonaka. Miaro ny olombelona tsy hiharan’izany ary ny fitafiana anaovany.

Sady takon-kenatra ny fitafiana, no aro amin’ny fananahana tsy iriana. Nefa taty aoriana, dia lasa fitaovana fanjonoana olona ny fitafiana tsy maotina, ho latsaka amin’ny fananahana tsy mendrika.

3. FANEHOANA NY TENA

Ny fitondrana fitafiana dia entina mampiseho izay vondrona tian’ny tena, na misy ny tena. Izany no dikan’ireny fitafiana mitovy ireny : zandary, mpitsara, pastera, mpisolovava, mpitsabo, mpianatra, sns.

Fa eo ankilan’izany, dia enti-milaza koa ny laharana ao amin’ny fiarahamonina ny fitafiana. Raha fitafiana lafo vidy sy marika vitsy mpanana, dia ho an’ny olona manana fahefa-mividy ambony izany, na ho an’ny olona miavaka. Miteraka fahatokisantena ao amin’izay mitondra azy ireny fitafiana anaovany ireny.

4. FANAFENANA NY TENA

Ny vesatry ny taona sy ny aretina namely dia mahatonga ny vatana ho trotraka miandalana eny koa. Ny fitafiana anefa dia ahafahana manafina azy ireny. Mihatanora ny nahazo taona rehefa manao fitafian’ny tanora. Amin’izany, dia voatahiriny ny tantarany « tanora lalandava », fa tsy simban’ny fotoana sy ny aretina nisy.

Ny fahasahiranana ara-pihariana koa dia mety azo afenina amin’ny fitafiana. Mihaingo daholo ny olona rehetra, ary tsy hita avahana loatra, noho ny fisian’ny akanjo efa niasa (friperie) nefa marika ambony.

5. MAHARAKA TOETRANDRO

Ny fitafiana lamaody dia mikendry hanaraka ny toetrandro sy ny sehatra rehetra. Tsy miandry ho lefy izany, fa misongona izany aza. Vao 6 volana mialoha na mihoatra aza, dia efa vita fikarohana ny ho lamaody hoavy.

Tsy mijanona ho fitafiana fotsiny intsony io rehefa antsoina hoe lamaody. Miditra koa ny kojakoja, ny « maquillage », ny « parfum », ny fanamboarana na fanovana (fandidiana) ny tena koa aza, sns.

Raha manao fitafiana ary ny olona iray, dia milaza ny firehan-kevitra sy ny vondrona ironany izy. Dia inona ny fironana kristiana, sy ny vondrona kristiana, ka itadiavana fitafiana mifanandrify amin’izany ? Tsy manana modelina fitafiana ho an’ny Kristiana ny Soratra Masina, fa fotokevitra no tovozina ao : manome voninahitra an’Andriamanitra (Asa 12 :23), manaja ny tenany (I Pet 3 :3), tsy manafintohina ny vondrona kristiana misy azy araka ny fampianaran’ny Fiangonana.

A. Zaka, Mpitandrina

Fitaizana

Mpivady miombona andraikitra amin’ny fitaizana

AHOANA NY ATAO MBA HAMPAHOMBY NY FITAIZANA ATAO AMIN’NY ZANAKA?

Misy toetra maro ireto mety hanampy amin’ny fikolokoloana ny zanaka mba ho tsara rindra ny fitaizana satria betsaka ny Ray aman-dreny no sahirana ary ireo zanaka koa sahiran-tsaina amin’ny fitondran’ireo Ray aman-dreny.

Voalohany, meteza ho mpanampy fa tsy mpanara-maso ny zanaka, akaikezo ary ataovy izay fomba ahafahana miresaka amin’ny zanaka. Zaro amin’ny traikefa anananao Ray aman-dreny izy dia avelao hanapa-kevitra amin’ny fiainany, Mivavaha mba hananany fiainam-baovao. Aza sakanana izy raha maneho hevitra. Mila omena ny fitiavana tsy misy fepetra ny zanaka ary omena anjara asa ihany koa.

AHOANA NO ANDANJALANJANA NY HOE VADY-RAY-RENY EO ANATREHAN’NY ZANAKA SY NY VADINAO?

Jereo Ilay Ray any an-danitra ka araho ny toetrany (Deot 8:1-10). Apetraho amin’ny tokony ho izy ny fitaizana. Atsaharo ny fitongilanana ara-pitiavana. Asehoy fa miaina amin’ny fitiavana sy ny fiadanan’ny Tompo ianao.

AHOANA NO HANABEAZANA NY ZANAKA HO AMIN’NY FINOANA MARINA?

Toriana amin’ny zanaka ny filazantsara. Ambara tsotra sy mazava aminy  ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famonjeny. Anisan’ny fiarovana ho azy ny firesahana amin’ny zanaka. Mangataha amin’Andriamanitra mba hiaro azy ireo (Ezra 8:21-24). Omeo fiarovana mialoha izy (Sal 119:97-105).

FEHINY

Fadio ny manao moraly be fahantany ny zanaka. Tezao amin’ny fitiavana sy ny Soratra Masina ny zanaka. Henoy tsara izy rehefa miteny ary atolory am-pitiavana ny valim-panontaniana omena azy ireo ka atsaharo ny fikitakitana sy ny fibedibedesana foana. Tezao amin’ny fahamarinana sy kolokoloy amin’ny Soratra Masina sy ny fanabeazana madio ny zanaka, ary mangataha amin’Andriamanitra amin’ny fanampiany ny amin’ny fitaizana, fa tsy vita amin’ny herin’ny tena izany. Farany, meteza ho fitaratra ho an’ny zanaka (ohabolana 2:1-5), ary hafatra lehibe koa ho an’ny rehetra ny ao amin’ny

ohabolana15:1-4

Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy, fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana. Ny lelan’ny hendry mampiseho fahalalana tsara , fa ny vavan’ny adala miboiboika fahadalana. Ny mason’i Jehovah amin’izao rehetra izao, mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy. Ny teny malemy dia hazon’aina; fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy”.

                                        Nanangona Lahatriniavo RANDRIAMANANTENA

Fampiorenam-pinoana

KRISTIANA MAHAY MANETRY TENA

SY MAMITA TSARA NY ASANY,

TAHAKA AN’I JESOA KRISTY

« Ary tamin’izany dia nanatona an’i Jesoa ny renin’ny zanak’i Zebedio mbamin’ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy.  Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan’ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin’ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ny ankavianao, ao amin’ny fanjakanao.  Fa Jesoa niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan’ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra.  Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo;  ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.  Fa tahaka izany, ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro. » (Matio 20:20-28)

Ny fanetren-tena dia toetran’Andriamanitra tanteraka amin’ny maha Fitiavana Azy. Nabaribarin’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainany izany fanetren-tena  izany, nanomboka tamin’ny nanekeny ny iraka nampanaovin’ny Rainy Azy, ka nidinany tety an-tany ho tonga olona, hamonjy izay mino Azy (Jaona 3:16), sy ny nahaterahany tany an-tranon’omby tao Betlehema (Lioka 2:7), ary ny namitany tamim-pitiavana sy tamin’ny fomba hita maso sy azo tsapain-tanana, ireo asam-pamonjena rehetra, nataony teny anivon’ny mpiara-belona, araka ny voasoratra hoe : « Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy. » (Jaona 6:38).

Isan’ireo asa maro isan-karazany nataon’i Jesoa Kristy, ny Tafika Masina ka nitoriany ny Filazantsaran’ny famonjena tao amin’ny Synagoga sy teny tontolo teny, ary namakivakiany lohasaha sy havoana, nitety tanàna, nampianatra sy nanambara ny sitrapon’Andriamanitra, ary nanampy nivantana ihany koa, ny mpiara-belona taminy, tamin’ny lafiny maro sady nanome tanana ireo manana olana, araka ny voasoratra hoe : « Ary Jesoa nandeha eran’i Galilia ka nampianatra tao amin’ny synagogan’ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra tamin’ny olona. » (Matio 4:23). Ary araka ny voasoratra ao amin’ny (Jaona 13:13-14), dia nataon’i Jesoa Kristy, hatramin’ny nanadio ny tongotry ny mpianany, ho fanoroana azy ireo ny tokony hataony eo amin’ny fiainana, araka ny voasoratra hoe : « Ianareo manao Ahy hoe, Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.  Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. »

Ny Soratra Masina, dia manambara fa vitan’i Jesoa Kristy tamim-panetren-tena, ny asa nanirahan’ny Rainy Azy, araka ny voasoratra ao amin’ny (Jaona 17:4) manao hoe : « Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin’ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko. » Ary mbola nohamafisin’i Jesoa Kristy izany teny izany, teny ambony hazofijaliana ka nitenenany hoe : “VITA” sady nanondrika ny lohany Izy, no nanolotra ny fanahiny (Jaona 19:30).

Noho izany, dia isan’ireo fampianarana goavana nomen’i Jesoa Kristy ny olombelona ny “FANETREN-TENA”, sy ny “FAMITANA TSARA NY ASA REHETRA NAPETRAKA AMIN’NY TENA”. Nambaran’i Jesoa Kristy izany fampianarana izany sady niainany ihany koa, ka nampitandremany ny rehetra manao hoe : « ; Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra. » (Lioka 18:14b).

Fahamarinan’Andriamanitra tanteraka, io fanetren-tena sy ny asa tsara io. Noho izany, ny kristiana dia tsy maintsy marikoriko ny toe-tsain’izao tontolo izao sy ny fomba fanaony, izay mampanompo ny hafa sady faly amin’ny asa kitoatoa sy tsy lavorary.

Ny fankatoavana an’i Jesoa Kristy no tsara sy mety ary mendrika indrindra, raha nisafidy sy misafidy ary hisafidy ny ho kristiana, ka maniry ny hisitraka izany fanandratan’Andriamanitra Mpahary eo amin’ny fiainana izany, satria hoy i Jesoa Kristy ao amin’ny (Jaona 14:23) manao hoe : « Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. ». Io hetsika fanatonan’Andriamanitra Mpahary sady Fitiavana io, ka isafidianany olombelona hiantranoana sy hiarahany honina ao an-tokantranony io, no fanomezana tsara indrindra sy fanandratana faratampony, ho an’izay olombelona misitraka izany, satria tafaray amin’ny Mpahary izao rehetra izao izy. Soli Deo Gloria.

IMANOELA