Alakamisy 25 febroary 2021
2 Tantara 17.1-13
Ny olona omban’Andriamanitra
1-Manao ny sitrapon’Andriamanitra
« …fa Jehovah Andriamanitry ny rainy kosa no tadiaviny, ary araka ny didiny no halehany… ». (and.4)
Tamin’ny andro nanjakan’i Josafata mpanjakan’i Joda dia voalaza fa nomban’Andriamanitra izy satria nisafidy hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra sy nandrava ireo karazan-tsampy samihafa, toy ny fitoerana avo ny Bala, ny Aseraha. Vokatr’izany fanapahan-kevitr’i Josafata izany, dia « nampitoerin’i Jehovah tamin’ny fanjakana izy ». Rehefa misafidy ny hitady an’Andriamanitra ny olona ka manatanteraka ny sitrapony ary misaraka amin’ny fanompoan-tsampy , Andriamanitra no mampitoetra azy amin’ny voninahitra. Koa katsaho mandrakariva ny Tompo dia homba anao hatrany Izy.
2-Mahita fitia eo imason’ny olona
« Ary ny tahotra an’i Jehovah nahazo ny fanjakana rehetra tamin’ny tany manodidina an’i Joda… » (and.10)
Nomban’Andriamanitra tokoa i Josafata mpanjaka ka natahotra an’i Jehovah ny firenena manodidina, ary tsy nisy sahy nanafika ny firenen’i Joda izy ireo, ka nandry fahalemana ny tany. Tonga ny firenena manodidina nanome vola aman-karena ho an’i Josafata, biby maro isan-karazany no nomen’ny Joda azy. Nataon’Andriamanitra nahita fitia teo anatrehan’ny olona ny mpanjaka. Rehefa omban’Andriamanitra ny olona dia ataony mahita fitia amin’ny olona satria tonga matahotra an’Andriamanitra. Koa mitadiava an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy, dia hahita fitia eo anatrehany ianao.
Fanontaniana
Ahoana ny fomba iainanao ny fombàn’Andriamanitra anao ?