Alarobia 20 Janoary 2021

APOKALYPSY 1.1-8

 » Izaho ny Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra , ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy , dia ny Tsitoha  » (Apo 1.8)

Tao anaty vanim-potoana mamaivay sy niaretana ny mafy no teraka itony literatiora apokalyptika itony . Tanjon’ny mpanoratra amin’izany ny hampahery ny mpino manoloana ny ady mafiny . Eto dia asehon’i Jaona ny momba an’i Jesoa mba hampitraka ireo enjehina noho ny Aminy , ka hahafikitra amin’ny finoana Ambarany ary fa i Jesoa dia :

1-Tompon’ny tantara

« Izaho no alfa sy omega » : ny fampiasana ireo litera manomboka sy mamarana ny alfabeta grika ireo dia entina maneho fa tompon’ny tantara i Jesoa , ka ny zava-mitranga rehetra eo amin’ny vanimpotoana hatrany am-piandohana ka hatramin’ny fiafaran’izao tontolo izao dia eo ambany fifehezany sy fandaminany avokoa .Ao anatin’izany ny fanenjehana mitranga izay natao hitsapana ny finoana . Mahazo matoky ary ny mino fa an’i Jesoa ny teny farany .

2-Tompo Andriamanitra

« Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy » teo amin’ny fivavahana Jiosy tamin’ny andron’ny Grika dia niverimberina ny fampiasana an’io fomba fijery io ary fanazavana ny Anaran’Andriamanitra izay nisehoany tamin’i Mosesy (Eks 3.14) , entina manondro an’i Jesoa izy eto . Midika izany fa ny Tompo Andriamanitra tokoa i Jesoa ary iray ihany Izy sy ny Ray . Tsy diso safidy izay mifikitra amin’i Jesoa satria tena Andriamanitra Izy .

3-Tompon’ny hery

« ...dia ny Tsitoha » : Ny dikan’ny Tsitoha dia hoe : tompon’ny hery . Teo amin’ny tontolo Grika dia nanondroana ny Amperora io teny io . Eto dia seho fa ambony lavitra ny fahefan’ny Amperora ny hery sy fahefan’i Jesoa Kristy . Tsy miantehitra amin’ny hazo boboka izay mino Azy sy mialoka Aminy .

Fanontaniana :

Hatraiza ny fahatokianao an’i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV