Zoma 15 Janoary 2021

APOKALYPSY 21.22-27

Ny fanjakan’Andriamanitra

Araka ny Soratra Masina dia ho levona izao tontolo izao ankehitriny , dia ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany . Hanao ahoana kosa ary ny ho toetoetry ny fanjakan’ Andriamanitra ?

1-Momba ny Tempoly sy ny tanàna (and22-26)

Ny Tempoly tao Jerosalema no noheverina sy ninoana fa mariky ny fanatrehan’Andriamanitra ny olona . Voalaza eto fa tsy nahita Tempoly i Jaona Apostoly . Nambarany kosa fa ny Tompo Andriamanitra Tsitoha sy ny zanak’ondry no Tempoly ao amin’ilay Jerosalema vaovao (and 22). Tsy ny trano no zava-dehibe ao amin’ny Tempoly , fa ny fanatrehan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny teniny . Amin’izany dia hiseho amin’ny voninahiny mamirapiratra i Jesoa , ka ny famirapiratan’ny voninahiny dia ampy ho fahazavan’ny Tempoly sy ny tanàna manontolo , fa tsy ilàna masoandro hanazava , na jiro isan-karazany tahaka izay fahita amin’ny fandravahana sy fanazavana ny trano fiangonana ankehitriny . Jesoa dia efa nilaza , fony Izy tety an-tany fa Izy ny fahazavan’izao tontolo izao (Jao 8.12)

2-Iza no ho tafiditra any ?

Mifanohitra tanteraka amin’ny toetry ny olona ankehitriny ny ho toetry ny olona ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra … »Fa izay voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana izay an’ny zanak’ondry ihany » no hiditra any « (and27) . Tsy iza akory ireo , fa izay olona voavonjin’ny fahasoavana maimaimpoana ka voadion’ny ran’ny zanak’ondry , dia izay rehetra mino fa ho fanomezana azy fiainana mandrakizay no nandatsahan’i Jesoa ny rany teo amin’ny hazo fijaliana . Tsy hiditra any mihitsy ny ota sy ny faharatsiana rehetra fahita ety amin’izao tontolo izao ankehitriny . Ary izany no tokony hiomanantsika ka hibebahantsika isanandro isanandro .

Fanontaniana :

Azonao antoka ve ny hidiranao any amin’ny fanjakan’ny lanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV