Alarobia 23 Septambra 2020.

MPITORITENY 8.9-13

« Fantaro kosa fa hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra eo anatrehany  » (and 12)

Mahaiza mampitaha fa :

1-Misy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra

Fantatsika fa efa nampiomana ny Tompo , fa manomana valimpitia ho an’ny mpanompony Izy .Voasoratra fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezantsika aina ao amin’ny Tompo . Manomana fiainana maharitra ho antsika Izy. Araka izany dia zava-poana ny fanahiana eo amintsika momba ny ho avy . Manana Andriamanitra miahy sy mikarakara isika. Ny fepetra ahafahantsika misitraka izany dia mazava : ny fahatahorana an’ Andriamanitra , ny fanajana Azy, ny fanarahana ny teniny , ny fitandremana ny didiny .

2-Loza mitatao no setrin’ny faharatsiana

« saingy tsy tanterahana vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy « (and11). Ny Tompo dia tsy mitsahatra mitady ny fomba rehetra mba hizoran’ny olona araka ny sitrapony . Tao amin’ny saha Edena dia nanoro izay tokony haleha Izy ary nanafatra izay tsy tokony hatao. Tsy vitan’izany fa nampiomaniny mialoha izay ho vokatry ny ataon’ny olona . Izay efa mahafantatra tsara ny sitrapony dia mila miorina hatrany . Raha misy mikiry hifikitra amin’ny fanaovan-dratsy , dia anjarantsika izay antra sy mangoraka no mitory fibebahana dieny mbola misy ny fotoana .

Fanontaniana :

Inona no mampiavaka ny olona matahotra an’Andriamanitra sy ny olona tsy matahotra Azy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV